Mpitsara 7:1-25

  • Gideona sy ireo 300 lahy (1-8)

  • Resin’ny tafik’i Gideona ny Midianina (9-25)

    • “Ny sabatr’i Jehovah sy Gideona!” (20)

    • Nisahotaka ny tobin’ny Midianita (21, 22)

7  Ary nifoha maraina i Jerobala, izany hoe i Gideona,+ sy ny olona rehetra niaraka taminy, ka nitoby teo amin’ny Loharanon’i Haroda. Ny tobin’ny Midianina kosa teo avaratry ry Gideona, teo amin’ny havoanan’i More, izay teny amin’ny lohasaha.*  Dia hoy i Jehovah tamin’i Gideona: “Be loatra ny olona miaraka aminao, ka tsy hataoko resin’izy ireo ny Midianina.+ Sao mantsy hirehareha ny Israely, dia hiteny amiko hoe: ‘Izaho ihany no namonjy ny tenako.’+  Ilazao ny olona, azafady, hoe: ‘Afaka mody izay matahotra sy mangovitra.’”+ Ary nisy fitsapana nataon’i Gideona tamin’izy ireo. Dia olona 22 000 no niverina nody, ka 10 000 sisa no tavela.  Hoy ihany anefa i Jehovah tamin’i Gideona: “Mbola be loatra ireo olona ireo. Asaivo midina eny amoron-drano ry zareo, fa hisy fitsapana hataoko amin’izy ireo eny mba hanampiako anao hifidy amin’izy ireo. Dia izay teneniko aminao hoe: ‘Ento miaraka aminao io’, no hiaraka aminao. Fa izay lazaiko hoe: ‘Aza entina miaraka aminao io’, dia tsy hiaraka aminao.”  Dia nasain’i Gideona nidina teny amoron-drano ny olona. Hoy i Jehovah taminy: “Atokàny izay rehetra milelaka rano hoatran’ny filelaky ny alika. Ary atokàny izay rehetra mandohalika rehefa misotro rano.”  Dia 300 lahy no nandraoka rano tamin’ny tanany ka nilelaka an’izany. Ny sisa rehetra kosa nandohalika rehefa nisotro.  Dia hoy i Jehovah tamin’i Gideona: “Ireo 300 lahy nilelaka rano ireo no hamonjeko anareo, ary hataoko resinareo ny Midianina.+ Asaivo mody kosa ny olona sisa rehetra.”  Dia nalain’ireo 300 lahy ny vatsy sy ny anjombona teny amin’ny olona. Nalefan’i Gideona nody avy eo ny lehilahy israelita rehetra, ka 300 lahy sisa no nijanona niaraka taminy. Teny amin’ny lohasaha, teny ambanin’ny tobin-dry Gideona, no nisy ny tobin’ny Midianina.+  Hoy i Jehovah tamin’i Gideona, tamin’iny alina iny: “Mitsangàna ary tafiho ny tobiny, fa hataoko resinao izy ireo.+ 10  Fa raha matahotra hanafika azy ireo ianao, dia midìna any amin’ilay toby miaraka amin’i Pora mpanomponao. 11  Ary henoy ny resak’izy ireo, dia amin’izay ianao ho sahy* hanafika ny ao an-toby.” Dia nidina izy sy Pora mpanompony ka nankany an-tsisin’ilay toby. 12  Be dia be hoatran’ny andiam-balala ny Midianina sy ny Amalekita ary ny Tatsinanana,+ ka rakotra azy ireo ilay tany lemaka. Tsy voaisa ny ramevany,+ fa maro be hoatran’ny fasika eny amoron-dranomasina. 13  Ary tonga tany i Gideona, ka naheno lehilahy nitantara nofy tamin’ny namany. Hoy ilay lehilahy: “Nanonofy aho hoe nisy mofo boribory vita tamin’ny vary orza, nikodiadia nanketo amin’ny tobin’ny Midianina. Tonga hatreny amin’ny tranolay anankiray ilay izy, dia nandona mafy azy, ka nianjera ilay tranolay.+ Nataony ambony ambany mihitsy ilay tranolay, ka nirodana tanteraka.” 14  Dia hoy ilay namany: “Tena ny sabatr’i Gideona+ ilay lehilahy israelita zanak’i Joasy izany! Hataon’Andriamanitra resiny ny Midianina sy ny toby rehetra.”+ 15  Raha vao henon’i Gideona ilay nofy sy ny dikan’ilay izy,+ dia niankohoka izy ka nivavaka. Ary niverina tany amin’ny tobin’ny Israely izy niteny hoe: “Mitsangàna, fa hataon’i Jehovah resinareo ny tobin’ny Midianina.” 16  Dia nozarainy ho andiany telo izy 300 lahy, ka samy nomeny anjombona+ sy siny lehibe tsy nisy na inona na inona. Nomeny fanilo koa izy ireo hatao ao anaty siny. 17  Hoy izy tamin’izy ireo: “Jereo aho, dia ataovy izay hataoko. Ary rehefa tonga eo an-tsisin’ny toby aho, dia izay hataoko mihitsy no tokony hataonareo. 18  Rehefa mitsoka anjombona aho sy izay rehetra miaraka amiko, dia tokony hitsoka ny anjombonareo manodidina ny toby koa ianareo, sady hiteny mafy hoe: ‘Ho an’i Jehovah sy Gideona!’” 19  Ary tonga teo an-tsisin’ny toby i Gideona sy ny 100 lahy niaraka taminy, rehefa nanomboka ny fotoam-piambenana faharoa amin’ny alina.* Vao avy nosoloan’ny Midianina ny miaramila mpiambina tamin’izay. Dia nitsoka anjombona ry Gideona,+ ary nopotipotehiny ny sinin-drano lehibe teny an-tanany.+ 20  Dia samy nitsoka ny anjombony sy namotipotika an’ireo siny lehibe ny andiany telo. Ary notazonin’izy ireo tamin’ny tanany havia ny fanilo, fa ny tanany havanana kosa nitazona anjombona. Notsofin’izy ireo ny anjombona ary niantsoantso mafy izy ireo hoe: “Ny sabatr’i Jehovah sy Gideona!” 21  Samy nijanona teo amin’izay nisy azy, nanodidina ny toby, izy ireo. Dia nihazakazaka nandositra izay rehetra tao an-toby sady nihorakoraka.+ 22  Ary mbola nitsoka anjombona foana izy 300 lahy. Dia nataon’i Jehovah nifamely tamin’ny sabatra ny eran’ny toby.+ Nandositra izy ireo ka tonga hatrany Beti-sita sy Zereraha, ary hatrany amin’ny sisin’i Abela-mehola,+ any akaikin’i Tabata. 23  Dia nantsoina ny lehilahy israelita avy tamin’ny fokon’i Naftaly sy Asera ary izay rehetra anisan’ny fokon’i Manase.+ Dia nenjehin’izy ireo ny Midianina. 24  Ary naniraka olona eran’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima i Gideona mba hilaza hoe: “Midìna mba hanafika ny Midianina, ka sakano ny lalana fiampitana ny ranon’i Beti-bara sy ny Reniranon’i Jordana.” Koa niaraka ny lehilahy efraimita rehetra, dia nosakanany ny lalana fiampitana ny ranon’i Beti-bara sy ny Reniranon’i Jordana. 25  Voasambotr’izy ireo koa ny andrianan’ny Midianina roa lahy, dia i Oreba sy Zeba. Ary i Oreba novonoiny teo amin’ny vatobe iray,+ ka lasa hoe vatoben’i Oreba ny anaran’ilay izy. Fa i Zeba kosa novonoiny tao amin’ny famiazam-boaloboka iray, ka nantsoina hoe famiazam-boalobok’i Zeba ilay izy. Dia mbola nenjehin’izy ireo ihany ny Midianina.+ Ary nentiny tany amin’i Gideona, tany amin’ny faritr’i Jordana, ny lohan’i Oreba sy ny lohan’i Zeba.

Fanamarihana

Na: “lemaka iva.”
Abt: “hihamahery ny tananao.”
Nanomboka tamin’ny 10 alina tany ho any ka hatramin’ny 2 maraina tany ho any.