Mpitsara 8:1-35

  • Nila ady tamin’i Gideona ny Efraimita (1-3)

  • Nenjehina dia novonoina ireo mpanjaka midianita (4-21)

  • Tsy nety natao mpitondra i Gideona (22-27)

  • Famintinana ny fiainan’i Gideona (28-35)

8  Dia hoy ny lehilahy efraimita tamin’i Gideona: “Fa ahoana koa izao nataonao taminay izao? Maninona izahay no tsy nantsoinao rehefa nandeha niady tamin’ny Midianina ianao?”+ Dia nila ady taminy izy ireo.+  Hoy anefa i Gideona: “Fa inona moa no mba vitako raha oharina amin’ny vitanareo? Tsy ny sisam-boaloboky ny Efraimita+ ve no tsara kokoa noho ny voaloboka rehetra notazan’ny Abi-ezerita?+  Ianareo ange no nampian’Andriamanitra handresy an’i Oreba sy Zeba andrianan’ny Midianina e!+ Fa inona moa no mba vitako raha oharina amin’ny vitanareo?” Rehefa avy niteny an’izany i Gideona, dia mba tonitony izy ireo.  Ary tonga teo amin’ny Reniranon’i Jordana i Gideona, dia niampita teo. Efa reraka izy sy ireo 300 lahy niaraka taminy, nefa mbola nanenjika ny fahavalony ihany.  Niteny tamin’ireo lehilahy tao Sokota àry izy hoe: “Mba omeo mofo ny olona miaraka amiko fa reraka! Izaho mantsy manenjika an’i Zebaha sy Zalmona, mpanjakan’ny Midianina!”  Fa hoy ireo andrianan’i Sokota: “Fa maninona izahay no tokony hanome mofo ho an’ny miaramilanao? Efa azonao angaha i Zebaha sy Zalmona?”  Dia hoy i Gideona: “Noho izany vavanareo izany, dia hoveleziko amin’ny voarointsilo sy amin’ny tsilon’ny tany efitra ianareo,+ rehefa hataon’i Jehovah resiko i Zebaha sy Zalmona.”  Dia niakatra nankany Penoela izy ary nangataka hoatr’izany tamin’ny lehilahy tao koa. Nitovy tamin’ny valin-tenin’ireo lehilahy tao Sokota ihany anefa ny valin-tenin’izy ireo.  Dia hoy izy tamin’ny lehilahy tao Penoela: “Harodako ity tilikambo ity rehefa tafaverina soa aman-tsara aho.”+ 10  Tany Karkora i Zebaha sy Zalmona ary ny miaramilany 15 000 teo ho eo. Ireo no sisa tavela tamin’ny tafiky ny Tatsinanana manontolo,+ fa efa maty ny lehilahy 120 000 mpitan-tsabatra. 11  Mbola nanohy ny diany niakatra ihany i Gideona. Ny lalana falehan’ny olona nipetraka an-tranolay, any atsinanan’i Noba sy Jogbeha, no nandehanany.+ Dia nanafika ny toby izy, raha iny tsy nanampo na inona na inona iny izy ireo. 12  Ary nandositra i Zebaha sy Zalmona, mpanjaka midianita, ka nenjehin’i Gideona. Dia azony i Zebaha sy Zalmona ka nisahotaka ny iray toby. 13  Dia niverina avy tany an’ady i Gideona, zanak’i Joasy, ary nandeha tamin’ny lalan-kely niakatra tany Heresa. 14  Nisambotra tovolahy iray avy tao Sokota i Gideona teny an-dalana ka nohadihadiny izy io. Dia nosoratan’ilay tovolahy ny anaran’ny andrianan’i Sokota sy ny anti-panahy tao, ary nomeny an’i Gideona. Nisy 77 lahy izy ireo. 15  Nankany amin’ny lehilahy tao Sokota i Gideona avy eo, dia nilaza hoe: “Ireto amin’izay i Zebaha sy Zalmona! Ianareo mantsy nanesoeso ahy hoe: ‘Fa maninona izahay no tokony hanome mofo ho an’ireo miaramilanao efa reraka? Efa azonao angaha i Zebaha sy Zalmona?’”+ 16  Dia nalain’i Gideona ny anti-panahy tao an-tanàna. Ary naka voarointsilo sy tsilon’ny tany efitra izy, dia nokapohiny tamin’ireny ireo lehilahy tao Sokota ireo ka nataony nahalala ny anarany.+ 17  Narodany koa ilay tilikambo tao Penoela,+ ary novonoiny ny lehilahy tao an-tanàna. 18  Ary nanontany an’i Zebaha sy Zalmona izy hoe: “Hoatran’ny ahoana izany lehilahy novonoinareo tany Tabara izany?” Dia hoy izy ireo: “Hoatr’anao izao! Hoatran’ny zanaka mpanjaka ny bikabikan-dry zareo.” 19  Dia hoy i Gideona: “Rahalahiko izany! Zanak’i Neny! Raha mbola velona koa i Jehovah, dia tsy ho voatery hamono anareo ho faty aho, raha mba nitsimbina ny ain-dry zareo ianareo.” 20  Dia hoy i Gideona tamin’i Jatera zanany lahimatoa: “Mitsangàna, ka vonoy ho faty ireo!” Tsy nanatsoaka ny sabany anefa i Jatera. Mbola tovolahy mantsy izy dia natahotra. 21  Fa hoy i Zebaha sy Zalmona tamin’i Gideona: “Maninona raha ianao mihitsy no mamono anay e! Raha tena lehilahy ianao, dia asehoy ny herinao.” Dia novonoin’i Gideona i Zebaha sy Zalmona.+ Ary nalainy ireo ravaka miendrika volan-tsinana teny am-bozon’ny ramevan’izy ireo. 22  Dia hoy ny lehilahy israelita tamin’i Gideona: “Andao ianao sy ny zanakao ary ny zafikelinao hatao mpitondra anay. Namonjy anay tamin’ny Midianina mantsy ianao.”+ 23  Fa hoy i Gideona: “Tsy ho mpitondra anareo aho, ary tsy ho mpitondra anareo koa ny zanako. I Jehovah ihany no ho mpitondra anareo.”+ 24  Hoy koa i Gideona: “Mba misy zavatra iray tiako hangatahina aminareo tsirairay anefa: Omeo ahy ny kavin’orona azonareo tamin’ny babonareo.” Nanana kavin’orona volamena mantsy ireo babo azon’izy ireo satria Ismaelita.+ 25  Dia hoy izy ireo: “Ao fa homenay anao ireny.” Namelatra lamba izy ireo avy eo, dia samy nanipy ny kavin’orona azony teo amin’ilay izy. 26  Nilanja 1 700 sekely* ny kavin’orona volamena nangatahin’i Gideona. Nahazo an’ireto koa izy: Firavaka miendrika volan-tsinana, kavina, akanjo volonondry volomparasy nanaovan’ireo mpanjakan’ny Midianina, ary rojo teny am-bozon’ny rameva.+ 27  Nanamboaran’i Gideona efoda ireo volamena ireo,+ ary narantirantiny tao an-tanànany tany Ofra+ ilay efoda. Dia nivavaka* tamin’ilay efoda ny Israely rehetra,+ ary lasa fandrika+ ho an’i Gideona sy ny ankohonany ilay izy. 28  Dia resin’ny Israelita ny Midianina,+ ka tsy nila ady tamin’ny Israelita intsony izy ireo.* Ary nilamina nandritra ny 40 taona ilay tany, tamin’ny andron’i Gideona.+ 29  Dia nody tany an-tranony i Jerobala+ zanak’i Joasy, ka nijanona tany. 30  Ary nanan-janakalahy 70 i* Gideona, satria be dia be ny vadiny. 31  Nitera-dahy taminy koa ilay vadikeliny tany Sekema, ka nantsoiny hoe Abimeleka+ io zanany io. 32  Dia maty i Gideona zanak’i Joasy rehefa tratrantitra, ka nalevina tao amin’ny fasan’i Joasy rainy tao Ofra, tanànan’ny Abi-ezerita.+ 33  Vao maty anefa i Gideona dia lasa nivavaka* tamin’ireo Bala indray ny Israelita,+ ka i Bala-berita no nofidiny ho andriamaniny.+ 34  Tsy tsaroan’ny Israelita intsony i Jehovah Andriamaniny,+ izay namonjy azy ireo tamin’ny fahavalony rehetra nanodidina.+ 35  Nivadika* tamin’ny ankohonan’i Jerobala na Gideona koa izy ireo, na dia be dia be aza ny soa nataon’i Jerobala ho an’ny Israely.+

Fanamarihana

1 sekely = 11,4 g. Jereo F.F. B14.
Na: “nivaro-tena.”
Abt: “tsy nahatraka intsony ny lohan’izy ireo.”
Abt: “Nisy 70 ny zanakalahy avy tao amin’ny foto-pen’i.”
Na: “nivaro-tena.”
Na: “Tsy naneho fitiavana.”