Nahoma 1:1-15

  • Mamaly ny fahavalony i Jehovah (1-7)

    • Mitaky ny hanompoana azy irery ihany i Jehovah (2)

    • Tsy hadinon’i Jehovah izay mialoka eo aminy (7)

  • Horavana i Ninive (8-14)

    • Tsy hitranga fanindroany ny fahoriana (9)

  • Vaovao tsara ho an’i Joda (15)

1  Izao no teny fanamelohana an’i Ninive,+ ao amin’ny boky mitantara ny fahitan’i Nahoma* Elkosita:   Andriamanitra mitaky ny hanompoana azy irery ihany i Jehovah,+ ary mamaly ny olona araka izay nataony.Mamaly ny olona araka izay nataony i Jehovah, sady efa hampiseho ny fahatezerany.+ Mamaly ny fahavalony araka izay nataony i Jehovah,Ary mitahiry fahatezerena amin’izy ireny.   Tsy mora tezitra i Jehovah+ sady tena mahery.+Tsy hataon’i Jehovah afa-maina mihitsy anefa izay tokony hosazina.+ Ao anaty rivotra mandravarava sy tafio-drivotra izy no mandeha,Ary ny rahona no vovoka eo ambanin’ny tongony.+   Teneniny mafy ny ranomasina+ ka ataony ritra,Dia ataony maina koa ny renirano rehetra.+ Malazo i Basana sy Karmela,+Ary malazo koa ny voninkazon’i Libàna.   Mihovotrovotra ny tendrombohitra noho ny aminy,Ary mitsonika ny havoana.+ Hanatrika eo izy ka hihozongozona ny tany,Sy izao tontolo izao ary izay rehetra eo aminy.+   Iza no hahavita hijanona eo anatrehany rehefa tezitra izy?+ Ary iza no hahatanty ny fahatezerany?+ Hiraradraraka hoatran’ny afo ny fahatezerany mafy,Ary ho potipotika ny vatolampy noho ny zavatra hataony.   Tsara i Jehovah,+ sady manda fiarovana amin’ny andro fahoriana.+ Tsy hadinony mihitsy* izay mialoka eo aminy.+   Horavany tanteraka amin’ny tondra-drano mahery be ilay tanàna,*Ary hanenjika an’ireo fahavalony ny haizina.   Inona no tetika eritreretinareo hanoherana an’i Jehovah? Handringana tanteraka izy. Tsy hitranga fanindroany ny fahoriana.+ 10  Mifampidipiditra hoatran’ny tsilo mantsy izy ireo,Sady hoatran’ny olona mamon’ny labiera.*Ho levona hoatran’ny vodivary maina anefa izy ireo. 11  Hipoitra avy ao aminao ny olona iray manao tetika hanoherana an’i Jehovah,Sady manome torohevitra tsy misy dikany. 12  Izao no tenin’i Jehovah: “Na dia matanjaka be sady maro be aza izy ireo,Dia hovonoina ka ho faty daholo.* Efa nampahoriko ianao,* nefa tsy hampahoriko intsony. 13  Dia hotapahiko ny zioga nampitondrainy anao ka hesoriko aminao,+Ary hotapahiko hizara roa ny zavatra namatorana anao. 14  Izao no didin’i Jehovah momba anao:*‘Tsy hanan-taranaka hitondra ny anaranao intsony ianao. Hofoanako tsy hisy ao an-tranon’ny* andriamanitrao ny sary sokitra sy ny sarivongana metaly.* Dia hanamboatra fasana ho anao aho, satria olona tsy misy dikany ianao.’ 15  Mandeha eny an-tendrombohitra ny tongotr’ilay mitondra vaovao tsara,Dia ilay mitory fiadanana.+ Ankalazao ireo fetinao,+ ry Joda ô! Efao ny voadinao,Satria tsy handalo eo aminao intsony ilay olona tsy misy ilana azy, Fa ho ringana tanteraka.”

Fanamarihana

Midika hoe “Mpampionona.”
Na: “Ahiny.” Abt: “Fantany.”
Izany hoe Ninive.
Na: “labiera vita amin’ny varimbazaha.”
Na mety hoe “ary handalo izy.”
Izany hoe Joda.
Izany hoe Asyria.
Na: “ao an-tempolin’ny.”
Na: “sarivongana vita amin’ny metaly narendrika.”