Nehemia 10:1-39

  • Nanaiky hankatò ny Lalàna ny vahoaka (1-39)

    • “Tsy hanao tsirambina ny tranon’Andriamanitray izahay” (39)

10  Ireto avy no nanisy tombo-kase an’izany:+ I Nehemia Governora* zanak’i Hakalia,Zedekia,  Seraia, Azaria, Jeremia,  Pasora, Amaria, Malkia,  Hatosy, Sebania, Maloka,  Harima,+ Meremota, Obadia,  Daniela,+ Ginetona, Baroka,  Mesolama, Abia, Miamina,  Mahazia, Bilgay, ary Semaia. Ireo no mpisorona.  Tamin’ny Levita kosa dia i Jesoa zanak’i Azania sy Binoy taranak’i Henadada ary Kadmiela,+ 10  sy ny rahalahin’izy ireo, dia i Sebania, Hodia, Kelita, Pelaia, Hanana, 11  Mika, Rehoba, Hasabia, 12  Zakora, Serebia,+ Sebania, 13  Hodia, Bany, ary Benino. 14  Ary tamin’ny lohandohany teo amin’ny vahoaka dia i Parosy, Pahata-moaba,+ Elama, Zato, Bany, 15  Bony, Azgada, Bebay, 16  Adonia, Bigvay, Adina, 17  Atera, Hezekia, Azora, 18  Hodia, Hasoma, Bezay, 19  Harifa, Anatota, Nebay, 20  Magpiasy, Mesolama, Hezira, 21  Mesezabela, Zadoka, Jadoa, 22  Pelatia, Hanana, Anaia, 23  Hosea, Hanania, Hasoba, 24  Halohesy, Pila, Sobeka, 25  Rehoma, Hasabna, Mahaseia, 26  Ahia, Hanana, Anana, 27  Maloka, Harima, ary Bana. 28  Ary ireto no anisan’ny vahoaka sisa: Ny mpisorona, ny Levita, ny mpiandry vavahady, ny mpihira, ny mpanompo tao amin’ny tempoly,* sy izay nisaraka tamin’ny mponina manodidina mba hankatò ny Lalàn’Andriamanitra,+ ary ny vadin’izy ireo sy ny zanany lahy sy ny zanany vavy, izany hoe izay efa afaka* mahazo ny dikan’ilay fifanarahana. 29  Nanohana an’ireo rahalahiny izy ireo, izany hoe nanohana an’ireo olona ambony ireo. Niozona* koa izy ireo sady nianiana fa hankatò ny Lalàn’Andriamanitra nampitainy tamin’ny alalan’i Mosesy mpanompony, sy hanaraka tsara ny didy rehetra sy ny didim-pitsarana ary ny fitsipik’i Jehovah Tomponay. 30  Nilaza koa izy ireo hoe: “Ny zanakay vavy tsy homenay ho vadin’ny mponina manodidina, ary tsy halainay ho an’ny zanakay lahy ny zanany vavy.+ 31  Raha mitondra entana sy sakafo isan-karazany mba hamidy amin’ny andro sabata ny mponina manodidina, dia tsy hividy na inona na inona amin’izy ireo izahay, na amin’ny andro sabata+ na amin’ny andro masina.+ Havelanay hiala sasatra ny tany amin’ny taona fahafito,+ ary hafoinay ny trosa rehetra.+ 32  Nanapa-kevitra koa izahay fa samy tsy maintsy hanome ampahatelona sekely* isan-taona, ho an’ny fanompoana ao an-tranon’ilay* Andriamanitray,+ 33  mba hikarakarana ny mofo mifanaingina,*+ ny fanatitra varimbazaha atolotra tsy tapaka,+ ny fanatitra dorana atolotra tsy tapaka isaky ny Sabata+ sy ny tsinam-bolana,+ ny fety,+ ny zava-masina, ny fanatitra noho ny ota+ handrakofana ny fahotan’ny Israely, ary ny asa rehetra ao an-tranon’ny Andriamanitray. 34  Nanao antsapaka izahay mba hahitana hoe rahoviana ny mpisorona sy ny Levita ary ny vahoaka no tokony hanatitra kitay ao an-tranon’Andriamanitray. Samy hanatitra kitay isaky ny fianakaviambeny izy ireo amin’ny fotoana voatondro, ary isan-taona. Hampiasaina eo amin’ny alitaran’i Jehovah Andriamanitray ireny, araka izay voasoratra ao amin’ny Lalàna.+ 35  Hoentinay any an-tranon’i Jehovah isan-taona koa ny voaloham-bokatry ny taninay sy ny voaloham-bokatry ny karazan-kazo rehetra.+ 36  Hoentinay any amin’ny mpisorona manompo ao an-tranon’Andriamanitray+ ny zanakay lahimatoa sy ny voalohan-teraky ny biby fiompinay,+ araka izay voasoratra ao amin’ny Lalàna. Hoentinay any koa ny voalohan-teraky ny omby aman’ondrinay. 37  Ary hoentinay any amin’ny mpisorona ao amin’ny efitra fitehirizana* ao an-tranon’Andriamanitray+ ny santatry ny varimbazahanay tsy nototoina malemy.+ Haterinay any koa ny fanomezanay, ny vokatry ny karazan-kazo rehetra,+ ny divay vaovao, ary ny menaka.+ Dia hatolotray ho an’ny Levita ny ampahafolon’ny vokatry ny taninay,+ satria ny Levita no manangona ny ampahafolony, any amin’ny tanàna rehetra misy ny tanimbolinay. 38  Rehefa manangona ny ampahafolony ny Levita, dia tokony hisy mpisorona taranak’i Arona hiaraka aminy. Ary ny ampahafolon’izany kosa tokony haterin’ny Levita ao an-tranon’Andriamanitray,+ ao amin’ny efitra* ao amin’ny trano fitehirizana. 39  Fa any amin’ireo efitra fitehirizana* no tokony hanateran’ny Israelita sy ny taranak’i Levy an’izay ataony fanomezana,+ dia ny varimbazaha sy ny divay vaovao ary ny menaka.+ Any koa no misy ny fitaovana ho an’ny toerana masina, dia any no alehan’ny mpisorona manao fanompoana sy ny mpiandry vavahady ary ny mpihira. Ary tsy hanao tsirambina ny tranon’Andriamanitray izahay.”+

Fanamarihana

Na: “Tirsata.” Anaram-boninahitra persianina nentin’ny governoran’ny faritany izy io.
Na: “ny Netinima.” Abt: “ireo nomena.”
Na mety hoe “izay rehetra efa lehibebe ka afaka.”
Izany hoe manaiky fa hisy loza hanjo azy ireo raha tsy manatanteraka an’ilay fianianany izy ireo.
1 sekely = 11,4 g. Jereo F.F. B14.
Na: “ao an-tempolin’ilay.”
Izany hoe ny mofo aseho.
Na: “trano fisakafoana.”
Na: “trano fisakafoana.”
Na: “trano fisakafoana.”