Nehemia 12:1-47

  • Ny mpisorona sy ny Levita (1-26)

  • Notokanana ny manda (27-43)

  • Notohanana ireo nanompo tao amin’ny tempoly (44-47)

12  Ireto avy ny mpisorona sy Levita niara-niakatra tamin’i Zerobabela+ zanak’i Sealtiela,+ sy niaraka tamin’i Jesoa:+ I Seraia, Jeremia, Ezra,  Amaria, Maloka, Hatosy,  Sekania, Rehoma, Meremota,  Ido, Ginetoy, Abia,  Miamina, Madia, Bilga,  Semaia, Joariba, Jedaia,  Salo, Amoka, Hilkia, ary Jedaia. Ireo no filohan’ny mpisorona sy ny rahalahiny, tamin’ny andron’i Jesoa.  Ireto avy ny Levita: I Jesoa, Binoy, Kadmiela,+ Serebia, Joda, ary Matania,+ izay nitarika ny hira fisaorana niaraka tamin’ny rahalahiny.  I Bakbokia sy Ony rahalahin’izy ireo indray nijoro tandrifin’izy ireo mba hiambina.* 10  Ary i Jesoa niteraka an’i Joiakima, Joiakima niteraka an’i Eliasiba,+ Eliasiba niteraka an’i Joiada,+ 11  Joiada niteraka an’i Jonatana, ary Jonatana niteraka an’i Jadoa. 12  Tamin’ny andron’i Joiakima, dia ireto avy ny mpisorona lohan’ireo fianakaviambe: I Meraia ny an’ny fianakavian-dry Seraia,+ Hanania ny an-dry Jeremia, 13  Mesolama ny an-dry Ezra,+ Johanana ny an-dry Amaria, 14  Jonatana ny an-dry Meliko, Josefa ny an-dry Sebania, 15  Adna ny an-dry Harima,+ Helkay ny an-dry Meraiota, 16  Zakaria ny an-dry Ido, Mesolama ny an-dry Ginetona, 17  Zikry ny an-dry Abia,+ ...* ny an-dry Miniamina, Piltahy ny an-dry Moadia, 18  Samoa ny an-dry Bilga,+ Jonatana ny an-dry Semaia, 19  Matenay ny an-dry Joariba, Ozy ny an-dry Jedaia,+ 20  Kalay ny an-dry Salay, Ebera ny an-dry Amoka, 21  Hasabia ny an-dry Hilkia, ary Netanela ny an-dry Jedaia. 22  Nosoratana anarana ny lohan’ireo fianakaviamben’ny Levita sy ny mpisorona, tamin’ny andron’i Eliasiba sy Joiada sy Johanana ary Jadoa+ ka hatramin’ny andro nanjakan’i Dariosy Persianina. 23  Nosoratana tao amin’ny boky mirakitra ny tantara tamin’izany koa ny Levita izay lohan’ireo fianakaviambe, hatramin’ny andron’i Johanana zanak’i Eliasiba. 24  I Hasabia sy Serebia ary Jesoa+ zanak’i Kadmiela+ no filohan’ny Levita. Nijoro tandrifin’izy ireo ny rahalahiny mba hidera sy hisaotra an’Andriamanitra, araka ny toromarika nomen’i Davida+ lehilahin’Andriamanitra, ka nifanakaiky ireo antokona mpiambina. 25  I Matania+ sy Bakbokia sy Obadia sy Mesolama sy Talmona ary Akoba+ no mpiandry vavahady,+ izay niambina ny trano fitehirizana teo akaikin’ny vavahady. 26  Ireo no nanompo tamin’ny andron’i Joiakima zanak’i Jesoa,+ zanak’i Jozadaka, sy tamin’ny andron’i Nehemia Governora sy Ezra+ mpisorona sady mpanao dika soratra.* 27  Rehefa hotokanana ny mandan’i Jerosalema, dia notadiavina tany amin’izay toerana rehetra nisy azy ny Levita, ka nentina nankany Jerosalema mba hanao an’ilay fitokanana sy hifalifaly, ary hanao hira fisaorana+ ampiarahina amin’ny kipantsona sy zavamaneno fitendry ary harpa. 28  Ary nivory ny mpihira efa voaofana.* Avy eny amin’ny faritr’i Jordana* izy ireo, avy eny amin’ny manodidina an’i Jerosalema, sy avy any amin’ireo tanàna kelin’ny Netofatita,+ 29  sy avy any Beti-gilgala,+ ary avy any amin’ny faritr’i* Geba+ sy Azmaveta.+ Nanorina tanàna kely teny amin’ny manodidina an’i Jerosalema mantsy ny mpihira. 30  Ary nanadio ny tenany ny mpisorona sy ny Levita, dia nodioviny koa ny vahoaka+ sy ny vavahady+ ary ny manda.+ 31  Dia nentiko niakatra teny an-tampon’ny manda ny andrianan’ny Joda. Nanendry antoko-mpihira roa mpanao hira fisaorana aho, ary nisy olona be dia be nasaiko nanaraka tao aorianan’ny antokony tsirairay. Dia nandeha niankavanana teo ambony manda ny antokony iray, nankany amin’ny Vavahadin’ny Lavenona Misavovona.+ 32  Nanaraka azy tao aoriana i Hosaia sy ny antsasaky ny andrianan’ny Joda 33  sy Azaria, Ezra, Mesolama, 34  Joda, Benjamina, Semaia, ary Jeremia. 35  Niaraka tamin’izy ireo koa ny sasany tamin’ny taranaky ny mpisorona izay nitondra trompetra,+ dia i Zakaria, zanak’i Jonatana, zanak’i Semaia, zanak’i Matania, zanak’i Mikaia, zanak’i Zakora, zanak’i Asafa,+ 36  ary ireo rahalahiny, dia i Semaia, Azarela, Milalay, Gilalay, May, Netanela, Joda, ary Hanany, izay samy nitondra ny zavamaneno nataon’i Davida+ lehilahin’Andriamanitra. Ary nandeha teo alohan’izy ireo i Ezra+ mpanao dika soratra.* 37  Teo amin’ny Vavahadin’ny Loharano+ izy ireo no nandeha nahitsy, dia nandalo teo ambonin’ny Tohatoha-baton’ny+ Tanànan’i Davida.+ Niakatra teo amin’ny manda teo ambonin’ny Tranon’i Davida mantsy izy ireo, dia nandalo teo amin’ny Vavahadin-drano+ teny atsinanana. 38  Nandeha niankavia* kosa ilay antoko-mpihira iray mpanao hira fisaorana, ary nanaraka tao aorianany izaho sy ny antsasaky ny vahoaka. Nandalo teo amin’ny Tilikambon’ny Lafaoro+ izahay, dia nankeo amin’ny Manda Lehibe,+ 39  ary nandalo teo ambonin’ny Vavahadin’i Efraima+ sy ny Vavahadin’ilay Tanàna Taloha,+ dia nankany amin’ny Vavahadin-trondro+ sy ny Tilikambon’i Hananela+ sy ny Tilikambon’i Mea, ka hatrany amin’ny Vavahadin’ondry.+ Dia nijanona teo amin’ny Vavahadin’ny Mpiambina izahay. 40  Farany dia nijanona nanoloana ny tranon’ilay tena Andriamanitra ireo antoko-mpihira roa mpanao hira fisaorana. Nijanona teo koa izaho sy ny antsasaky ny solontenam-panjakana niaraka tamiko, 41  sy ny mpisorona, izany hoe i Eliakima, Mahaseia, Miniamina, Mikaia, Elioenay, Zakaria, ary Hanania, izay samy nitondra trompetra, 42  sy Mahaseia, Semaia, Eleazara, Ozy, Johanana, Malkia, Elama, ary Ezera. Dia nihira mafy be ny mpihira, ary i Jizrahia no niandraikitra azy ireo. 43  Nanao sorona be dia be izy ireo tamin’izay andro izay sady nifaly,+ satria ilay tena Andriamanitra mihitsy no nahatonga azy ireo ho faly be. Faly koa ny zaza amam-behivavy,+ ka heno hatrany lavitra ny fifaliana tao Jerosalema.+ 44  Tamin’izay koa, dia nisy lehilahy notendrena hiandraikitra ny trano fitehirizana+ an’ireo fanomezana+ sy voaloham-bokatra+ ary ampahafolon-karena.+ Tsy maintsy nangonin’izy ireo tao ny anjaran’ny mpisorona sy ny Levita+ araka izay notakin’ny Lalàna,+ dia izay nalaina avy tamin’ny sahan’ny tanàna. Faly mantsy ny olona tany Joda satria nanao fanompoana ny mpisorona sy ny Levita. 45  Nanomboka nanao ny adidy tamin’ny Andriamaniny sy ny adidy momba ny fidiovana izy ireo. Nanao hoatr’izany koa ireo mpihira sy mpiandry vavahady, araka ny toromarika nomen’i Davida sy Solomona zanany. 46  Taloha ela be mantsy, izany hoe tamin’ny andron’i Davida sy Asafa, dia nisy ny atao hoe mpitarika ny* mpihira, sy mpitarika ny hira fiderana sy fisaorana an’Andriamanitra.+ 47  Ary tamin’ny andron’i Zerobabela+ sy Nehemia, dia nomen’ny Israely rehetra ny anjaran’ny mpihira+ sy mpiandry vavahady,+ araka izay nilainy isan’andro. Natokan’izy ireo koa ny anjaran’ny Levita,+ ary natokan’ny Levita kosa ny anjaran’ny taranak’i Arona.

Fanamarihana

Na mety hoe “nandritra ny fanompoana.”
Tsy nisy anarana teto tao amin’ny sora-tanana hebreo.
Na: “mpanora-dalàna.”
Abt: “faritra.”
Abt: “ny zanaky ny mpihira.”
Na: “avy any ambanivohitr’i.”
Na: “mpanora-dalàna.”
Na: “teo aloha.”
Abt: “lohan’ny.”