Nehemia 13:1-31

  • Ny fanovana hafa nataon’i Nehemia (1-31)

    • Naterina ny ampahafolon’ny vokatra (10-13)

    • Tsy tokony hozimbazimbaina ny Sabata (15-22)

    • Meloka izay nanambady vehivavy hafa firenena (23-28)

13  Tamin’izay andro izay dia novakina ny bokin’i Mosesy, ary nihaino ny vahoaka.+ Voasoratra tao fa tsy misy mahazo miditra ho anisan’ny fiangonan’ilay tena Andriamanitra+ mihitsy ny Amonita sy ny Moabita.+  Tsy mba nitsena ny Israelita mantsy izy ireo sady tsy nanome mofo sy rano azy. Nanakarama an’i Balama kosa izy ireo mba hanozona azy,+ nefa novan’Andriamanitray ho tsodrano ilay ozona.+  Raha vao henon’ny vahoaka ilay Lalàna, dia nesorin’izy ireo tsy ho anisan’ny Israely izay rehetra taranaky ny hafa firenena.*+  Talohan’izay, dia i Eliasiba+ havan’i Tobia+ no mpisorona niandraikitra ny efitra fitehirizana entana* tao an-tranon’ny* Andriamanitray.+  Efa nisy efitra fitehirizana entana* navelany hampiasain’i Tobia mantsy, ary malalaka ilay izy. Tao anefa taloha no fametrahana ny fanatitra varimbazaha, ny ditin-kazo manitra, ny fitaovana, ary ny fanomezana ho an’ny mpisorona. Napetraka tao koa ny ampahafolon’ny varimbazaha sy ny divay vaovao ary ny menaka,+ izay samy natao ho an’ny Levita+ sy ny mpihira ary ny mpiandry vavahady.+  Tsy teto Jerosalema aho nandritra izany fotoana rehetra izany, fa nankany amin’i Artaksersesy+ mpanjakan’i Babylona, tamin’ny taona faha-32+ nanjakany. Niera taminy aho taoriana kelin’izay hoe handeha ka tsy ho eo kely.  Dia tonga teto Jerosalema aho, ka nahita ny zavatra ratsy be nataon’i Eliasiba.+ Nisy efitra fitehirizana entana efa navelany hampiasain’i Tobia+ mantsy teo an-tokotanin’ny tranon’ilay tena Andriamanitra.  Tena nahasosotra ahy izany, ka natsipiko tany ivelan’ilay efitra fitehirizana entana* daholo ny fanak’i Tobia.  Avy eo dia nasaiko nodiovina ireo efitra fitehirizana entana,* ka naveriko tao indray ny fitaovana tao an-tranon’ilay tena Andriamanitra+ sy ny fanatitra varimbazaha ary ny ditin-kazo manitra.+ 10  Hitako koa fa tsy nomena an’ireo Levita+ ny anjarany,+ ka lasa nandeha niasa tany amin’ny sahany daholo ny Levita sy ny mpihira nanao ny fanompoana.+ 11  Dia noteneniko mafy ny solontenam-panjakana+ hoe: “Fa maninona no dia natao tsirambina ny tranon’ilay tena Andriamanitra?”+ Dia novoriko ny Levita ka notendreko hanao ny andraikiny indray. 12  Ary ny Joda rehetra kosa nanatitra ny ampahafolon’ny+ varimbazaha sy ny divay vaovao ary ny menaka, tao amin’ny efitra fitehirizana entana.+ 13  Dia nasaiko niandraikitra ny efitra fitehirizana entana i Selemia mpisorona sy Zadoka mpanao dika soratra* ary Pedaia, izay anisan’ny Levita. I Hanana zanak’i Zakora, zanak’i Matania, no nanampy azy ireo. Mendri-pitokisana mantsy ireo lehilahy ireo, ary andraikiny ny nizara ny anjaran’ireo rahalahiny. 14  Ry Andriamanitro ô, mba tsarovy aho+ noho izany zavatra izany. Ary aza hadinoina ny fitiavana sy ny tsy fivadihana nasehoko ho an’ny tranonao sy ho an’ny fanompoana* atao ao.+ 15  Tamin’izany fotoana izany no nahitako olona nanitsakitsaka voaloboka tao anaty lavaka famiazana azy, tamin’ny andro sabata.+ Nisy koa tamin’izany nitondra varimbazaha miavosa dia natainginy teo ambony ampondra. Nisy indray nitondra divay sy voaloboka sy aviavy ary izao karazana entana rehetra izao, dia nitondra an’izany tao Jerosalema tamin’ny andro sabata.+ Nampitandrina azy ireo àry aho mba tsy hivarotra amin’io andro io.* 16  Ny olona avy any Tyro izay nipetraka tao an-tanàna kosa nitondra trondro sy entana isan-karazany, ka nivarotra an’izany tamin’ny vahoakan’i Joda sy tao Jerosalema tamin’ny Sabata.+ 17  Noteneniko mafy àry ny olona ambony tao Joda hoe: “Fa inona izao ratsy ataonareo izao? Manao tsinontsinona ny andro sabata ange ianareo e! 18  Tsy efa izao ihany ve no nataon’ny razambenareo? Izany no nahatonga an’Andriamanitsika hamely antsika sy ity tanàna ity amin’izao loza rehetra izao! Dia mbola manazimbazimba ny Sabata koa ianareo izao, ka ataonareo izay hahatonga an’Andriamanitra ho vao mainka tezitra amin’ny Israely.”+ 19  Raha vao nihamaizina àry ny andro, talohan’ny Sabata, dia nasaiko nohidiana ny vavahadin’i Jerosalema. Tsy navelako hosokafana ilay izy raha tsy taorian’ny Sabata. Nasaiko nijanona teo am-bavahady koa ny mpanompoko sasany, mba tsy hisy entana ho tafiditra amin’ny andro sabata. 20  Natory indray mandeha na indroa teo ivelan’i Jerosalema àry ny mpivaro-mandeha sy ny mpivarotra entana isan-karazany. 21  Dia nampitandrina azy ireo aho hoe: “Fa inona no ataonareo eto alohan’ny manda eto? Raha mbola tratrako matory eto ianareo, dia izaho mihitsy no hanala anareo eto.” Dia tsy tonga tamin’ny Sabata intsony izy ireo taorian’izay. 22  Nasaiko nanadio ny tenany foana koa ny Levita, ka ho avy hiambina ny vavahady, mba ho masina foana ny andro sabata.+ Ry Andriamanitro ô, mba tsarovy koa izany ka mba manaova soa amiko, ary iantrao aho fa tena be fitiavana sy tsy mivadika ianao.+ 23  Fantatro koa tamin’izany fa nisy Jiosy nanambady* vehivavy asdodita+ sy amonita ary moabita.+ 24  Tsy nisy nahay fiteny jiosy ny zanak’izy ireo, fa niteny asdodita ny antsasany, ary niteny ny fitenin’ny firenen-kafa ny antsasany. 25  Noteneniko mafy àry izy ireo, dia nozoniko. Nokapohiko ny lehilahy sasany+ dia nongotako ny volony, ary nasaiko nianiana tamin’ny anaran’Andriamanitra ry zareo sady noteneniko hoe: “Aza manome ny zanakareo vavy ho vadin’ny zanany lahy, ary aza maka ny zanany vavy ho vadin’ny zanakareo lahy na ho vadinareo.+ 26  Tsy izany ve no nahatonga an’i Solomona mpanjakan’ny Israely hanota? Tsy nisy firenena nanana mpanjaka hoatr’azy mihitsy,+ na taiza na taiza. Tia azy mantsy ny Andriamaniny,+ ka nanao azy ho mpanjakan’ny Israely manontolo. Na izy aza anefa voataonan’ireo vadiny hafa firenena ka lasa nanota.+ 27  Tsy mampino mihitsy hoe nahavita an’izao zavatra ratsy be izao ianareo! Nivadika tamin’ilay Andriamanitsika ianareo rehefa nanambady vehivavy hafa firenena.”+ 28  Lasa vinantolahin’i Sanbala+ Horonita ny iray tamin’ny zanak’i Joiada,+ zanak’i Eliasiba+ mpisoronabe, ka noroahiko hiala teo amiko. 29  Tsarovy, ry Andriamanitro ô, fa nolotoin’izy ireo ny asa fisoronana, ary nolotoiny koa ny fifanekena momba ny fisoronana+ sy momba ny Levita.+ 30  Dia nodioviko izy ireo ka nampiako mba tsy ho voataonan’ny hafa firenena hanao ratsy intsony. Ary samy notendreko hanao ny andraikiny sy ny fanompoany ny mpisorona sy ny Levita.+ 31  Nalamiko koa ny famatsiana kitay+ amin’ny fotoana voatondro sy ny voaloham-bokatra. Mba tsarovy aho ka tahio,* ry Andriamanitro ô.+

Fanamarihana

Na: “taranaka metisy.”
Na: “trano fisakafoana.”
Na: “tao an-tempolin’ny.”
Na: “trano fisakafoana.”
Na: “trano fisakafoana.”
Na: “trano fisakafoana.”
Na: “mpanora-dalàna.”
Na: “fiambenana.”
Na mety hoe “Nampitandrina azy ireo àry aho tamin’io andro io mba tsy hivarotra.”
Na: “nampiditra tany an-tranony.”
Na: “Aza hadinoina mihitsy aho.”