Nehemia 2:1-20

  • Nalefa tany Jerosalema i Nehemia (1-10)

  • Nodinihin’i Nehemia tsara ny mandan’ilay tanàna (11-20)

2  Tamin’ny volana Nisana,* tamin’ny taona faha-20+ nanjakan’i Artaksersesy Mpanjaka,+ dia noraisiko ny divay teo anoloan’ny mpanjaka ka natolotro azy hoatran’ny mahazatra.+ Mbola tsy maloka endrika teo anatrehany mihitsy anefa aho, raha tsy tamin’izay.  Dia hoy ny mpanjaka tamiko: “Fa maninona ianao no maloka endrika, nefa ianao tsy marary? Misy zavatra mampalahelo ny fonao mihitsy!” Dia natahotra be aho.  Dia hoy aho tamin’ny mpanjaka: “Ho ela velona anie ny mpanjaka! Rava ilay tanàna misy ny fasan-drazako, ary kilan’ny afo ny vavahadiny. Koa nahoana moa aho no tsy ho maloka endrika?”+  Ary hoy ny mpanjaka: “Inona àry no tianao hatao?” Tonga aho dia nivavaka tamin’ilay Andriamanitry ny lanitra.+  Dia hoy aho tamin’ny mpanjaka: “Raha mba mety aminao, ry mpanjaka, ary raha mahazo sitraka aminao ny mpanomponao, dia mba alefaso ho any Joda aho, any amin’ny tanàna misy ny fasan-drazako, mba hanorina azy indray.”+  Nipetraka teo anilan’ny mpanjaka ny vadiny tamin’izay. Ary hoy ny mpanjaka tamiko: “Haharitra firy andro ny dianao, ary rahoviana ianao no hiverina?” Dia sitraky ny mpanjaka ny handefa ahy,+ ka nolazaiko taminy hoe rahoviana aho no hiverina.+  Niteny tamin’ny mpanjaka koa aho hoe: “Raha mba mety amin’ny mpanjaka, dia mba manaova taratasy homeko an’ireo governora any amin’ny faritra Ampitan’ny Renirano.*+ Amin’izay aho mba havelan’izy ireo handeha soa aman-tsara mandra-pahatongako any Joda.  Mba manaova koa taratasy homeko an’i Asafa, mpiambina ny alan’ny mpanjaka.* Amin’izay izy hanome ahy hazo hanaovako ny vavahadin’ny Lapan’ny+ Trano,* sy ny mandan’ny tanàna,+ ary ny trano hipetrahako.” Dia nomen’ny mpanjaka ahy izany,+ satria nanampy ahy ny tanan’ny Andriamanitro.+  Dia tonga tany amin’ireo governora tany amin’ny faritra Ampitan’ny Renirano aho, ka nomeko azy ny taratasin’ny mpanjaka. Nisy lehiben’ny tafika sy mpitaingin-tsoavaly koa nalefan’ny mpanjaka niaraka tamiko. 10  Rehefa naheno an’izany i Sanbala+ Horonita sy Tobia,+ ilay manam-pahefana* amonita,+ dia tonga dia tezitra be izy ireo hoe nisy olona tonga mba hanao soa amin’ny vahoakan’Israely. 11  Tonga tao Jerosalema aho tamin’ny farany, ary nijanona telo andro tao. 12  Dia nifoha tamin’ny alina aho, ary nitondra lehilahy vitsivitsy. Ary tsy nolazaiko tamin’iza na iza izay zavatra nataon’Andriamanitro tao am-poko mba hatao amin’i Jerosalema. Tsy nitondra biby afa-tsy ilay nitaingenako aho tamin’izay. 13  Ary nivoaka avy teo amin’ny Vavahadin’ny Lohasaha+ aho tamin’ny alina, dia nandalo teo amin’ny Loharanon’ny Bibilava Be, ary nankeny amin’ny Vavahadin’ny Lavenona Misavovona.+ Dia nodinihiko tsara ny mandan’i Jerosalema efa rava sy ny vavahadiny kilan’ny afo.+ 14  Dia avy eo aho nankeny amin’ny Vavahadin’ny Loharano+ sy ny Dobon’ny Mpanjaka. Ary tsy antonona an’ilay biby nitaingenako ny lalana. 15  Mbola nandeha ihany anefa aho tamin’iny alina iny, dia niakatra nanaraka ny lohasaha,*+ ka nandinika tsara an’ilay manda. Niverina aho avy eo ka niditra teo amin’ny Vavahadin’ny Lohasaha, dia nody. 16  Tsy nahalala izay nalehako sy nataoko ny solontenam-panjakana.+ Izaho mantsy mbola tsy niteny na inona na inona tamin’ny Jiosy, sy ny mpisorona, sy ny olona ambony, sy ny solontenam-panjakana, ary ny sisa tamin’ny mpiasa. 17  Farany, dia hoy aho tamin’izy ireo: “Hitanareo izao fa tena voa mafy isika. Rava i Jerosalema ary kilan’ny afo ny vavahadiny. Andao àry haorintsika indray ny mandan’i Jerosalema, mba tsy ho afa-baraka intsony isika.” 18  Dia notantaraiko tamin’izy ireo fa efa nanampy ahy ny tanan’Andriamanitro.+ Noresahiko taminy koa ny tenin’ny mpanjaka tamiko.+ Dia hoy izy ireo: “Andao àry isika hanorina ny manda.” Koa nifampahery* izy ireo mba hanao an’ilay asa.+ 19  Ary naheno an’izany i Sanbala Horonita sy Tobia,+ ilay manam-pahefana* amonita,+ ary Gasema Arabo.+ Dia nanesoeso+ sy nanambanimbany anay izy ireo hoe: “Fa inona ity ataonareo? Mikomy amin’ny mpanjaka angaha ianareo?”+ 20  Dia hoy aho: “Ilay Andriamanitry ny lanitra no hampahomby an’izay ataonay.+ Ary hanorina ny manda izahay mpanompony. Fa ianareo kosa tsy manana anjara na zo eto Jerosalema, sady tsy anisan’ny olona voasoratra ao amin’ny tantarany.”+

Fanamarihana

Na: “Ampitan’i Eofrata.”
Na: “Sahan’ny Mpanjaka.”
Na: “Tempoly.”
Abt: “mpanompo.”
Na: “lalan-driaka.”
Abt: “nanatanjaka ny tanany.”
Abt: “mpanompo.”