Nehemia 3:1-32

  • Naorina indray ny manda (1-32)

3  Nanao ny Vavahadin’ondry+ i Eliasiba+ mpisoronabe sy ny mpisorona rahalahiny, ka nanamasina*+ sy nametaka azy io. Nohamasinin’izy ireo koa ny avy eo amin’ilay vavahady ka hatreo amin’ny Tilikambon’i Mea,+ ary hatrany amin’ny Tilikambon’i Hananela.+  Teo akaikin’izy ireo ny olona avy ao Jeriko+ no nanamboatra ny simba tamin’ny manda, ary nanarakaraka an’ireo i Zakora zanak’i Imry.  Ny taranak’i Hasena indray no nanamboatra ny Vavahadin-trondro.+ Nataon’izy ireo ny tolàna,+ dia napetany ny vavahady sy ny karetsaka ary ny bara hidiny.  Teo akaikin’izy ireo i Meremota+ zanak’i Oria, zanak’i Hakoza no nanamboatra ny simba, dia avy eo i Mesolama+ zanak’i Berekia, zanak’i Mesezabela, ary nanarakaraka an’ireo i Zadoka zanak’i Bana.  Ary teo akaikin’izy ireo ny Tekoita+ no nanamboatra ny simba. Tsy nanetry tena anefa ny olona ambony teo aminy, ka tsy nanaiky hanao* ny asa nampanaovin’ny tompony.  Nanamboatra ny simba tamin’ny Vavahadin’ilay Tanàna Taloha+ i Joiada zanak’i Pasea sy Mesolama zanak’i Besodia. Nataon’izy ireo ny tolàna, dia napetany ny vavahady sy ny karetsaka ary ny bara hidiny.  Ary teo akaikin’izy ireo i Melatia Gibeonita+ sy Jadona Meronotita no nanamboatra ny simba. Avy any Gibeona sy Mizpa+ izy roa lahy ireo, ary teo ambany fahefan’ny* governora atỳ amin’ny faritra Ampitan’ny Renirano.*+  Ary teo akaikin’izy ireo i Oziela zanak’i Haraia, anisan’ny mpanefy volamena, no nanamboatra ny simba, dia avy eo i Hanania, anisan’ny mpanamboatra menaka fanosorana.* Nataon’izy ireo rarivato ny lalan’i Jerosalema hatreo amin’ny Manda Lehibe.+  Ary teo akaikin’izy ireo i Refaia zanak’i Hora, andrianan’ny antsasaky ny faritr’i Jerosalema, no nanamboatra ny simba. 10  Teo akaikin’izy ireo i Jedaia zanak’i Haromafa no nanamboatra ny simba tandrifin’ny tranony. Ary teo akaikiny i Hatosy zanak’i Hasabnia no nanamboatra ny simba. 11  Nanamboatra ampahany hafa* tamin’ilay manda sy ny Tilikambon’ny Lafaoro+ i Malkia zanak’i Harima+ sy Hasoba zanak’i Pahata-moaba.+ 12  Ary teo akaikin’izy ireo i Saloma zanak’i Halohesy, andrianan’ny antsasaky ny faritanin’i Jerosalema, sy ny zanany vavy, no nanamboatra ny simba. 13  Nanamboatra ny simba tamin’ny Vavahadin’ny Lohasaha+ i Hanona sy ny mponin’i Zanoa.+ Namboarin’izy ireo indray ilay izy, dia napetany ny vavahady sy ny karetsaka ary ny bara hidiny. Nisy 1 000 hakiho* koa no namboarin’izy ireo tamin’ilay manda, hatreo amin’ny Vavahadin’ny Lavenona Misavovona.+ 14  Ary nanamboatra ny simba tamin’ny Vavahadin’ny Lavenona Misavovona i Malkia zanak’i Rekaba, andrianan’ny faritanin’i Beti-hakerema.+ Namboariny indray ilay izy, dia napetany ny vavahady sy ny karetsaka ary ny bara hidiny. 15  Nanamboatra ny simba tamin’ny Vavahadin’ny Loharano+ i Saloma zanak’i Kola-hoze, andrianan’ny faritanin’i Mizpa.+ Namboariny indray ilay izy sy ny tafony, dia napetany ny vavahady sy ny karetsaka ary ny bara hidiny. Namboariny koa ny simba tamin’ny manda teo amin’ny Dobon’ny+ Lakandrano hatreo amin’ny Zaridainan’ny Mpanjaka,+ sy hatrany amin’ny Tohatoha-bato+ midina avy any amin’ny Tanànan’i Davida.+ 16  Nanarakaraka azy i Nehemia zanak’i Azboka, andrianan’ny antsasaky ny faritanin’i Beti-zora.+ Namboariny ny simba tandrifin’ny Fasan’i Davida+ ka hatrany amin’ilay dobo+ nataon’olona, ary hatreo amin’ny Tranon’ireo Mahery. 17  Ary teo akaikiny ny Levita no nanamboatra ny simba, ka i Rehoma zanak’i Bany no nitarika azy ireo. Nanarakaraka azy i Hasabia, andrianan’ny antsasaky ny faritanin’i Keila+ sady solontenan’ny faritaniny. 18  Ary teo akaikiny ny Levita hafa no nanamboatra ny simba, ka nitarika azy ireo i Bavay zanak’i Henadada, andrianan’ny antsasaky ny faritanin’i Keila. 19  Ary nanarakaraka azy i Ezera zanak’i Jesoa,+ andrianan’i Mizpa. Namboariny ny ampahany hafa tamin’ilay manda, tandrifin’ny fiakarana mankany amin’ilay Fitehirizam-piadiana eo amin’ny Andry Manohana ny Manda.+ 20  Nanarakaraka azy i Baroka zanak’i Zabay.+ Nazoto be izy nanamboatra ny ampahany hafa tamin’ilay manda, nanomboka teo amin’ny Andry Manohana ny Manda ka hatrany amin’ny fidirana amin’ny tranon’i Eliasiba+ mpisoronabe. 21  Nanarakaraka azy i Meremota+ zanak’i Oria, zanak’i Hakoza. Nanamboatra ampahany hafa tamin’ilay manda izy, nanomboka teo amin’ny fidirana amin’ny tranon’i Eliasiba ka hatrany amin’ny faran’io trano io. 22  Ary teo akaikiny ny mpisorona avy any amin’ny faritr’i Jordana*+ no nanamboatra ny simba. 23  Nanarakaraka an’ireo i Benjamina sy Hasoba, izay nanamboatra ny simba tandrifin’ny tranony avy, dia avy eo i Azaria zanak’i Mahaseia, zanak’i Anania, izay nanamboatra ny simba teo akaikin’ny tranony. 24  Nanarakaraka azy i Binoy zanak’i Henadada, izay nanamboatra ampahany hafa tamin’ilay manda, nanomboka teo amin’ny tranon’i Azaria ka hatrany amin’ny Andry Manohana ny Manda+ ary hatrany amin’ny zoron’ilay manda. 25  Nanarakaraka azy i Palala zanak’i Ozay, izay nanamboatra ny simba tandrifin’ny Andry Manohana ny Manda sy tandrifin’ilay tilikambo mikambana amin’ny Tranon’ny Mpanjaka,*+ dia ilay eo ambony ao amin’ny Tokotanin’ny Mpiambina.+ Ary nanarakaraka azy i Pedaia zanak’i Parosy.+ 26  Ny mpanompo tao amin’ny tempoly*+ izay nipetraka tao Ofela+ no nanamboatra ny simba hatreo amin’ny tandrifin’ny Vavahadin-drano+ any atsinanana, sy hatrany amin’ilay tilikambo mivohitra eo amin’ny manda. 27  Nanarakaraka an’ireo ny Tekoita,+ izay nanamboatra ampahany hafa tamin’ilay manda, nanomboka teo amin’ilay tilikambo lehibe mivohitra eo amin’ny manda ka hatrany amin’ny mandan’i Ofela. 28  Ny mpisorona kosa nanamboatra ny simba tandrifin’ny tranony avy, nanomboka teo amin’ny Vavahadin-tsoavaly.+ 29  Nanarakaraka an’ireo i Zadoka+ zanak’i Imera, izay nanamboatra ny simba tandrifin’ny tranony. Nanarakaraka azy indray i Semaia zanak’i Sekania, ilay mpiandry ny Vavahady Atsinanana.+ 30  Nanarakaraka azy i Hanania zanak’i Selemia sy Hanona, izay fahenina amin’ny zanak’i Zalafa. Nanamboatra ampahany hafa tamin’ilay manda izy ireo. Nanarakaraka an’ireo kosa i Mesolama+ zanak’i Berekia, izay nanamboatra ny simba tandrifin’ny efitranony. 31  Nanarakaraka azy i Malkia, izay anisan’ny mpanefy volamena. Namboariny ny simba hatrany amin’ny tranon’ny mpanompo tao amin’ny tempoly*+ sy ny mpivarotra, tandrifin’ny Vavahady Fanaraha-maso, ary hatrany amin’ilay efitra any an-tampon-trano eo amin’ny zorony. 32  Ary ny mpanefy volamena sy ny mpivarotra no nanamboatra ny simba teo anelanelan’ny efitra any an-tampon-trano eo amin’ny zorony sy ny Vavahadin’ondry.+

Fanamarihana

Na: “nitokana.”
Abt: “hampiditra ny vozony tao anatin’ny.”
Na: “Ampitan’i Eofrata.”
Abt: “ary an’ny seza fiandrianan’ny.”
Na: “mpanamboatra ranomanitra.”
Na: “ampahany voarefy.”
445 m teo ho eo. Jereo F.F. B14.
Na mety hoe “faritra teny akaiky teny.”
Na: “Lapa.”
Na: “Ny Netinima.” Abt: “Ireo nomena.”
Na: “ny Netinima.” Abt: “ireo nomena.”