Nehemia 4:1-23

  • Nandroso ny asa na teo aza ny mpanohitra (1-14)

  • Nitohy ny fanorenana; nitana fiadiana ny mpiasa (15-23)

4  Raha vao henon’i Sanbala+ fa nanorina ny manda indray izahay, dia tezitra izy sady sosotra be mihitsy,* ka nesoesoiny foana ny Jiosy.  Dia hoy izy teo anatrehan’ny rahalahiny sy ny tafik’i Samaria: “Inona koa no ataon’ireo Jiosy kely aina ireo? Ry zareo irery ve dia hahavita an’io? Hanao sorona angaha ry zareo? Angaha io ho vitany indray andro? Tadiaviny hampiasaina indray angaha ireo vato efa kilan’ny afo ao anaty potipoti-javatra feno vovoka ireo?”+  Ary hoy i Tobia+ Amonita,+ izay nitsangana teo akaikiny: “Na amboadia iray aza no mianika an’io manda vato aoriny io, dia hirodana io.”  “Mba mihainoa, ry Andriamanitray ô, fa atao tsinontsinona izahay.+ Ary avelao hivaly aminy* ny latsa ataony,+ ka avelao izy ho voaroba sy ho babo any an-tanin’olona.  Aza odiana tsy hita izao fahadisoany izao, ary aza kosehina ny fahotany.+ Fa nanompa an’ireo mpanao fanorenana izy.”  Dia mbola naorinay ihany ny manda, ka vitanay hatreo amin’ny antsasaky ny haavony izy manontolo. Ary niasa tamin’ny fony manontolo foana ny olona.  Dia tezitra be ry Sanbala sy Tobia,+ ny Arabo,+ ny Amonita, ary ny Asdodita,+ raha vao henony fa mandroso ny fanamboarana ny mandan’i Jerosalema, sady efa kely sisa dia ho voatampina ny banga rehetra.  Dia niray tetika izy ireo hoe ho avy hiady amin’i Jerosalema sy hanakorontana ny ao an-tanàna.  Nivavaka tamin’ny Andriamanitray anefa izahay, ary nametraka mpiambina andro aman’alina mba hiaro anay. 10  Hoy anefa ny mponin’i Joda: “Efa kely ny herin’ny mpiasa* nefa mbola be dia be ny potipoti-bato mila esorina. Ary tsy ho vitanay mihitsy ny hanorina ny manda.” 11  Hoy foana koa ny fahavalonay: “Tsy hataontsika hitan’ireo ny hahatongavantsika eny, dia hovonointsika ireo, dia hajanontsika ny asany.” 12  Isaky ny tonga tatỳ ny Jiosy mipetraka any akaikin’ny fahavalo, dia impolo kely izy ireo no niteny taminay hoe: “Ho tonga hanafika antsika avy any amin’ny faritra rehetra ny fahavalo.” 13  Dia nasiako mpiambina teny amin’ny faritra iva ivelan’ny manda, teny amin’ny toerana malalaka. Nasaiko niambina isam-pianakaviana izy ireo, ka samy nitondra ny sabany sy ny lefony ary ny tsipìkany. 14  Raha vao hitako hoe natahotra izy ireo, dia hoy aho tamin’ny olona ambony+ sy ny solontenam-panjakana ary ny vahoaka: “Aza matahotra an’ireny,+ fa i Jehovah, ilay tena miavaka sy mendrika hatahorana,+ no tadidio. Miadia ho an’ny rahalahinareo, sy ho an’ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy, ary ho an’ny vadinareo sy ny tranonareo.” 15  Henon’ny fahavalonay fa fantatray ny tetik’izy ireo sady nataon’Andriamanitra tsy nahomby. Dia niverina niasa teny amin’ny manda izahay rehetra. 16  Nanomboka tamin’izay andro izay, dia ny antsasaky ny lehilahy no niasa,+ fa ny antsasany kosa nitana lefona sy ampinga ary tsipìka sady nanao akanjo mifono vy. Ny andriana+ indray nanohana* ny taranak’i Joda manontolo 17  izay nanorina ny manda. Niasa tamin’ny tanany ilany ny mpiasa, fa ny tanany ilany kosa nitazona fitaovam-piadiana.* 18  Samy nanana sabatra teo amin’ny fehikibony ny mpanao fanorenana rehefa niasa. Ary nijoro teo akaikiko ilay mpitsoka anjombona.+ 19  Dia hoy aho tamin’ny olona ambony sy ny solontenam-panjakana ary ny vahoaka: “Mbola betsaka sady goavana ny asa, nefa isika miparitaka be eny amin’ny manda ka mifanalavitra. 20  Rehefa mandre feon’anjombona àry ianareo, dia tongava daholo any amin’izay misy anay. Fa hiady ho antsika ny Andriamanitsika.”+ 21  Dia niasa foana ny antsasany taminay, fa ny antsasany kosa nitana lefona, nanomboka vao mangiran-dratsy ka mandra-pipoitran’ny kintana. 22  Izao koa no noteneniko tamin’ny vahoaka, tamin’izay fotoana izay: “Aleo samy hatory eto Jerosalema ny lehilahy tsirairay sy ny mpanompony, ka hiambina antsika izy ireo amin’ny alina, fa hiasa kosa amin’ny antoandro.” 23  Samy tsy nisolo akanjo àry na izaho, na ny rahalahiko, na ny mpanompoko,+ na ny lehilahy mpiambina nanaraka ahy. Samy nitana fitaovam-piadiana teny an-tananay ankavanana koa izahay.

Fanamarihana

Na: “tafintohina.”
Abt: “atsingereno eo an-dohany.”
Na: “mpitondra entana.”
Abt: “tao ambadiky.”
Na: “lefom-pohy.”