Nehemia 5:1-19

  • Nasain’i Nehemia najanona ny fanararaotana (1-13)

  • Tsy tia tena i Nehemia (14-19)

5  Nitaraina mafy anefa ny lehilahy sy ny vadin’izy ireo, noho ny nataon’ny Jiosy rahalahiny.+  Ny sasany niteny hoe: “Be dia be izahay, miaraka amin’ny zanakay lahy sy ny zanakay vavy. Mila mahazo varimbazaha izahay mba hohaninay sy hahavelona anay.”  Tao koa ny nilaza hoe: “Ny sahanay sy ny tanimboalobokay ary ny tranonay no ataonay antoka, mba hahazoanay varimbazaha rehefa tsy misy ny sakafo.”  Dia nisy koa niteny hoe: “Nindram-bola izahay handoavana hetra ho an’ny mpanjaka, ka ny sahanay sy ny tanimboalobokay no nataonay antoka.+  Iray ra ihany izahay sy ny rahalahinay,* ary hoatran’ny zanak’izy ireo ihany ny zanakay. Izahay anefa voatery mivarotra ny zanakay lahy sy ny zanakay vavy ho andevo, ary ny zanakay vavy sasany aza efa lasa andevo mihitsy.+ Tsy afa-manoatra anefa izahay, satria efa lasan’olona ny sahanay sy ny tanimboalobokay.”  Tezitra be aho rehefa naheno azy ireo nitaraina sy niteny an’izany.  Nandinika tsara an’ilay raharaha aho, dia nomeko tsiny ny olona ambony sy ny solontenam-panjakana. Dia hoy aho tamin’izy ireo: “Samy mitaky zanabola* amin’ny rahalahinareo daholo ianareo.”+ Nandamina fivoriana lehibe koa aho noho ny nataon’izy ireo.  Dia hoy aho tamin’izy ireo: “Izahay aza efa nanao izay fara herinay mba hanavotana an’ireo Jiosy rahalahintsika namidy tamin’ny firenen-kafa, koa ianareo indray ve no hivarotra ny rahalahinareo?+ Dia tsy maintsy hividy an-dry zareo indray ve izahay mba hanavotana azy?” Tsy nahateny tsy nahavolana izy ireo tamin’izay.  Niteny koa aho hoe: “Tsy mety izao ataonareo izao. Tsy tokony hatahotra* an’Andriamanitsika+ foana ve ianareo, mba tsy ho afaka handatsa antsika ny firenena fahavalontsika? 10  Izaho sy ny rahalahiko ary ny mpanompoko koa mba mampindrana vola sy varimbazaha amin’ny Jiosy. Dia andao re isika mba tsy hitaky zanabola intsony e!+ 11  Mba avereno aminy androany dia androany ihany re ny sahany+ sy ny tanimboliny sy ny sahan’olivany ary ny tranony e! Avereno aminy koa ny zanabola nalainareo taminy, izany hoe ny ampahazaton’ny* vola sy ny varimbazaha sy ny divay vaovao ary ny menaka.” 12  Dia hoy izy ireo: “Haverinay ireny zavatra ireny, ka tsy hitaky na inona na inona amin-dry zareo izahay ho takalon’izany. Hotanterahinay an-tsakany sy an-davany ny teninao.” Dia nantsoiko ny mpisorona, ary nasaiko nianiana ireo lehilahy ireo hoe hitana ny teniny. 13  Ary nakopako ny akanjoko,* dia hoy aho: “Hakopak’ilay tena Andriamanitra hoatr’izany koa izay olona tsy manatanteraka an’izany teny izany. Hakopany hiala amin’ny tranony sy ny fananany izy, ka tsy hanana na inona na inona intsony.” Dia hoy ny fiangonana manontolo: “Amena!”* Koa nidera an’i Jehovah izy ireo, ary samy nitana ny teniny ny olona. 14  Samy tsy nisy nihinana ny anjara sakafo tokony ho an’ny governora+ koa izaho sy ny rahalahiko, nandritra ny 12 taona, izany hoe nanomboka tamin’ny andro nanendren’ny mpanjaka ahy ho governoran’izy ireo+ teto amin’ny tanin’i Joda, tamin’ny taona faha-20,+ ka hatramin’ny taona faha-32+ nanjakan’i Artaksersesy Mpanjaka.+ 15  Izay governora talohako anefa nampitondra enta-mavesatra ny vahoaka, ka nitaky volafotsy 40 sekely* taminy isan’andro, ho vidin’ny sakafo sy ny divay. Nampijaly ny vahoaka koa ny mpanompon’izy ireo. Tsy mba nanao an’izany anefa aho+ satria natahotra an’Andriamanitra.+ 16  Nandray anjara tamin’ny fanamboarana an’ilay manda koa aho. Niaraka nanao an’ilay asa daholo ny mpanompoko rehetra, nefa na tanimboly iray aza tsy nalainay.+ 17  Ary nisy Jiosy sy solontenam-panjakana nisakafo teo amin’ny latabatro. Nisy 150 izy ireo, ankoatra an’ireo tonga teo aminay avy any amin’ny firenena manodidina. 18  Omby iray sy ondry enina voafantina ary vorona no nokarakaraina ho ahy* isan’andro. Nisy divay be dia be isan-karazany koa isaky ny folo andro. Na izany aza, dia tsy nitaky ny anjara sakafo tokony ho an’ny governora aho, satria efa mafy be ny asa nampanaovina ny vahoaka. 19  “Mba tsarovy aho ka tahio,* ry Andriamanitro ô, noho izay rehetra nataoko ho an’ity vahoaka ity.”+

Fanamarihana

Abt: “Hoatran’ny nofon’ny rahalahinay ihany ny nofonay.”
Na: “zanabola be loatra.”
Abt: “handeha amin’ny fahatahorana.”
Na: “ny 1 isan-jaton’ny”, izany hoe isam-bolana.
Abt: “ny tratran’akanjoko.”
Na: “Ho tanteraka anie izany!”
1 sekely = 11,4 g. Jereo F.F. B14.
Na: “nialako vola.”
Na: “Aza hadinoina mihitsy aho.”