Nehemia 6:1-19

  • Mbola nanohitra foana ny fahavalo (1-14)

  • Vita tao anatin’ny 52 andro ny manda (15-19)

6  Henon’i Sanbala sy Tobia+ sy Gasema Arabo+ ary ny sisa tamin’ny fahavalonay fa voaoriko indray ny manda+ ka tsy misy gorobaka intsony, na dia mbola tsy voapetako aza ny vavahady.+  Tonga àry dia nandefa an’izao hafatra izao tatỳ amiko i Sanbala sy Gasema: “Andao isika hifanao fotoana any amin’ny tanàna kely eo amin’ny Lohasahan’i Ono.”+ Niray tetika hanisy ratsy ahy anefa izy ireo.  Dia naniraka olona tany aminy aho mba hiteny hoe: “Mbola manao asa goavana be aho, ka tsy afaka midina any. Nahoana ny asa no hajanona ka havela eo, dia izaho ho any aminareo?”  Inefatra izy ireo no nandefa izany hafatra izany tatỳ amiko, fa tsy niova mihitsy ny valin-teniko.  Dia nirahin’i Sanbala tatỳ amiko hilaza an’izany hafatra izany fanindiminy ny mpanompony, sady nampitondrainy taratasy tsy misy tombo-kase.  Izao no voasoratra tao: “Malaza any amin’ireo firenena fa miray tetika ny hikomy+ ianao sy ny Jiosy, ary izany koa no nolazain’i Gasema.+ Izany, hono, no antony anorenanao ny manda. Dia ho lasa mpanjakan’izy ireo, hono, ianao.  Dia nanendry mpaminany mihitsy aza, hono, ianao mba hiresaka momba anao eran’i Jerosalema hoe: ‘Misy mpanjaka eto Joda!’ Tsy maintsy hisy hitantara amin’ny mpanjaka anefa izany. Tongava àry atỳ, dia andao isika handinika an’izany.”  Nandefa hafatra tany aminy anefa aho hoe: “Tsy misy akory izany, fa mamoromporona fotsiny ianao.”*  Te hampitahotra anay mantsy izy rehetra, ka nilaza hoe: “Tsy hazoto hiasa intsony ireo, dia tsy ho vita ilay asa.”+ Dia nivavaka aho hoe: “Mba ampaherezo aho, Andriamanitra ô!”+ 10  Ary nankany an-tranon’i Semaia zanak’i Delaia, zanak’i Mehetebela, aho tamin’izy nihiboka tao an-tranony. Dia hoy izy: “Andao isika hifanao fotoana ao an-tranon’ilay tena Andriamanitra, ao amin’ny tempoly, ka hohidiantsika ny varavarana. Ho avy hamono anao mantsy ry zareo. Sady amin’ny alina mihitsy ry zareo no ho avy.” 11  Hoy anefa aho: “Lehilahy hoatran’ahy izao ve dia handositra? Olona hoatran’ahy izao ve no miditra ao amin’ny tempoly dia ho velona?+ Izaho tsy ho any!” 12  Dia fantatro hoe hay tsy Andriamanitra no naniraka an’io mpaminany io, fa nokaramain’i Tobia sy Sanbala+ izy mba hamitaka ahy. 13  Nokaramain-dry zareo izy hampitahotra ahy ka hahatonga ahy hanota. Ho afaka hanaratsy laza ahy izy ireo amin’izay, mba hanalana baraka ahy. 14  “Tsarovy izany nataon’i Tobia+ sy Sanbala izany, ry Andriamanitro ô! Tsarovy koa ny nataon’i Noadia mpaminanivavy sy ny mpaminany hafa izay nitady hampitahotra ahy foana.” 15  Dia vita ilay manda tamin’ny andro faha-25 amin’ny volana Elola,* izany hoe tao anatin’ny 52 andro. 16  Raha vao henon’ny fahavalonay rehetra izany sady hitan’ny firenena rehetra nanodidina anay, dia menatra be* izy ireo.+ Dia fantany fa nanampy anay ny Andriamanitray matoa vitanay ilay asa. 17  Nandefa taratasy maro be tany amin’i Tobia ny olona ambony+ tao Joda, tamin’izany andro izany. Dia namaly azy ireo koa i Tobia. 18  Betsaka ny olona tao Joda no efa nianiana fa hanohana azy, noho izy vinantolahin’i Sekania zanak’i Ara.+ I Johanana zanany lahy koa efa nanambady ny zanakavavin’i Mesolama+ zanak’i Berekia. 19  Nanatsaratsara an’i Tobia foana koa izy ireo rehefa niresaka tamiko, dia notantarainy tamin’i Tobia avy eo ny zavatra noteneniko. Nandefasan’i Tobia taratasy be dia be àry aho mba hampitahorana ahy.+

Fanamarihana

Abt: “noforoninao tao am-ponao fotsiny.”
Abt: “nietry tanteraka teo imasony.”