Nomery 13:1-33

  • Ireo 12 lahy nirahina hitsikilo an’i Kanana (1-24)

  • Tatitra ratsy nataon’ny mpitsikilo folo (25-33)

13  Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy:  “Maniraha olona hitsikilo* ny tany Kanana izay homeko ny Israelita. Lehilahy iray isam-poko no hirahinareo, izay samy mpiadidy+ eo amin’izy ireo.”+  Koa nirahin’i Mosesy avy tany an-tany efitr’i Parana+ izy ireo, araka ny baikon’i Jehovah. Samy lohany teo amin’ny Israelita izy rehetra.  Ireto avy ny anaran’izy ireo: I Samoa zanak’i Zakora no avy amin’ny fokon’i Robena;  Safata zanak’i Hory no avy amin’ny fokon’i Simeona;  Kaleba+ zanak’i Jefone no avy amin’ny fokon’i Joda;  Jigala zanak’i Josefa no avy amin’ny fokon’i Isakara;  Hosea+ zanak’i Nona no avy amin’ny fokon’i Efraima;  Palty zanak’i Rafo no avy amin’ny fokon’i Benjamina; 10  Gadiela zanak’i Sody no avy amin’ny fokon’i Zebolona; 11  Gady zanak’i Sosy no avy amin’ny fokon’i Josefa,+ izany hoe avy amin’ny fokon’i Manase;+ 12  Amiela zanak’i Gemaly no avy amin’ny fokon’i Dana; 13  Setora zanak’i Mikaela no avy amin’ny fokon’i Asera; 14  Naby zanak’i Vofsy no avy amin’ny fokon’i Naftaly; 15  ary Geoela zanak’i Maky no avy amin’ny fokon’i Gada. 16  Ireo no anaran’ny lehilahy nirahin’i Mosesy hitsikilo an’ilay tany. Ary nantsoin’i Mosesy hoe Josoa*+ i Hosea zanak’i Nona. 17  Rehefa nalefan’i Mosesy hitsikilo an’i Kanana izy ireo, dia noteneniny hoe: “Miakara mankany Negeba, dia avy eo miakara mankany amin’ny faritra be tendrombohitra.+ 18  Jereo hoe manao ahoana ilay tany.+ Dia jereo koa ny olona mipetraka ao raha matanjaka na tsia, ary raha vitsy na be dia be. 19  Jereo ilay tany raha tsara na ratsy, ary jereo ny tanànany raha anaty toby na anaty manda. 20  Jereo koa ilay tany raha lonaka* na tsy mamokatra,*+ ary raha misy hazo na tsia. Manàna herim-po,+ dia makà amin’ny vokatry ny tany any.” Fotoana fahamasahan’ny voaloboka+ tamin’izay, dia ny voaloboka vokatra voalohany. 21  Koa niakatra nitsikilo an’ilay tany izy ireo, hatrany amin’ny tany efitr’i Zina+ ka hatrany Rehoba,+ tany akaikin’i Lebo-hamata.*+ 22  Rehefa niakatra nankany Negeba izy ireo, dia tonga tao Hebrona.+ Tao ry Ahimana sy Sesay ary Talmay,+ izany hoe ny Anakita,*+ no nipetraka. Fito taona talohan’ny nanorenana an’i Zoana any Ejipta i Hebrona no efa voaorina. 23  Rehefa tonga teo amin’ny Lohasahan’i* Eskola+ ireo mpitsikilo, dia nanapaka sampam-boaloboka nisy tangozany iray ngezabe. Roa lahy vao nahazaka an’ilay voaloboka tamin’ny bao filanjana. Nitondra ampongabendanitra sy aviavy+ koa izy ireo. 24  Koa nantsoin’izy ireo hoe Lohasahan’i* Eskola*+ io toerana io, noho ilay voaloboka notapahin’ny Israelita teo. 25  Dia niverina izy ireo, 40 andro tatỳ aoriana,+ rehefa avy nitsikilo an’ilay tany. 26  Niverina tany amin’i Mosesy sy Arona ary ny vahoakan’Israely manontolo izy ireo, tany an-tany efitr’i Parana any Kadesy.+ Nanao tatitra tamin’ny vahoaka manontolo izy ireo, sady nampiseho azy ny vokatr’ilay tany. 27  Ary izao no tatitra nataony tamin’i Mosesy: “Nankao amin’ilay tany nanirahanao anay izahay, ary tena tondra-dronono sy tantely+ tokoa ilay izy. Ireto no vokatra avy tany.+ 28  Matanjaka anefa ny mponina ao, sady tena lehibe ireo tanàna voaro mafy. Hitanay tao koa ny Anakita.+ 29  Mipetraka any Negeba+ ny Amalekita,+ ary any amin’ny faritra be tendrombohitra ny Hetita sy ny Jebosita+ ary ny Amorita.+ Ny Kananita+ kosa mipetraka any amoron’ny ranomasina+ sy eny amoron’i Jordana.” 30  Ary niezaka nampitony ny vahoaka i Kaleba. Nijoro teo anatrehan’i Mosesy ny vahoaka tamin’izay. Dia hoy i Kaleba: “Andao isika tonga dia hiakatra any, fa tsy maintsy ho azontsika io tany io. Tena ho resintsika ny mponina ao.”+ 31  Hoy anefa ireo lehilahy niaraka taminy: “Tsy ho vitantsika ny hiakatra hiady amin’io firenena io, fa mahery noho isika ry zareo.”+ 32  Ary ratsy foana ny tatitra nataon’izy ireo+ tamin’ny Israelita rehefa niresaka momba an’ilay tany izy ireo. Hoy mantsy izy ireo: “Mampidi-doza ilay tany notetezinay sy notsikilovinay, ka ho faty daholo izay mipetraka ao. Lava ranjanana+ daholo ny olona hitanay tao. 33  Hitanay tao koa ny Nefilima, dia ny taranak’i Anàka+ avy amin’ny* Nefilima. Hoatran’ny valala izahay raha ampitahaina aminy, ary hoatr’izany koa ny fahitany anay.”

Fanamarihana

Na: “hijery sy hamantatra.”
Midika hoe “I Jehovah dia Famonjena.”
Abt: “na mahia.”
Abt: “matavy.”
Na: “tany amin’ny sisin’ny faritr’i Hamata.”
Olona lava ranjanana sady matanjaka be.
Na: “Lalan-driakan’i.”
Na: “Lalan-driakan’i.”
Midika hoe “Tangozam-boaloboka.”
Na: “taranaky ny.”