Nomery 16:1-50

  • Nikomy i Kora sy Datana ary Abirama (1-19)

  • Sazin’ireo mpikomy (20-50)

16  Ary i Kora,+ zanak’i Jizara,+ zanak’i Kehata,+ zanak’i Levy,+ dia niray tetika tamin’i Datana sy Abirama, zanak’i Eliaba,+ ary Ona zanak’i Peleta, izay samy taranak’i Robena.+  Nanohitra an’i Mosesy izy ireo, niaraka tamin’ny lehilahy israelita 250. Mpiadidy vahoaka daholo ireo lehilahy ireo, ary solontenan’ny fiangonana sady olona ambony.  Dia nitambatra hanohitra+ an’i Mosesy sy Arona izy ireo, ka niteny hoe: “Tena leo anareo izahay! Masina daholo ange ny vahoaka manontolo e,+ dia i Jehovah no eo aminy.+ Koa maninona ianareo no mieritreritra hoe ambony noho ny fiangonan’i Jehovah?”  Vao naheno an’izany i Mosesy dia niankohoka.  Ary hoy izy tamin’i Kora sy ny mpanohana azy rehetra: “Rahampitso maraina i Jehovah no hampahafantatra hoe iza no azy,+ dia iza no masina, ary iza no tokony hanatona azy,+ ka izay hofidiny+ no hanatona azy.  Izao àry atao: Makà fitondrana afo,+ ry Kora sy ianareo mpanohana azy rehetra.+  Asio afo ao anatiny, dia asio emboka manitra eo amboniny. Rahampitso izany no hataonareo eo anatrehan’i Jehovah. Dia izay olona hofidin’i Jehovah+ no masina. Efa tafahoatra loatra ny ataonareo, ry taranak’i Levy!”+  Dia hoy i Mosesy tamin’i Kora: “Mba henoy kely izao, ry taranak’i Levy:  Angaha tsy misy dikany aminareo ilay ianareo navahan’ilay Andriamanitry ny Israely tamin’ny vahoakan’Israely?+ Dia navelany hanatona azy ianareo mba hanompo ao amin’ny tranolain’i Jehovah, sy hijoro eo anatrehan’ny vahoaka mba hanompo azy ireo!+ 10  Dia nasainy nanatona azy koa ianareo sy ny rahalahinareo rehetra taranak’i Levy. Angaha tsy misy dikany izany aminareo? Dia mbola te ho mpisorona koa ve ianareo?+ 11  Izany no mahatonga anao sy ny mpanohana anao rehetra hiara-manohitra an’i Jehovah hoatr’izao. Fa i Arona moa no iza no imenomenonanareo?”+ 12  Nampanantsoin’i Mosesy i Datana sy Abirama+ zanak’i Eliaba taorian’izay, nefa hoy izy roa lahy: “Izahay tsy ho any! 13  Ianao aza efa nitondra anay niala tany amin’ny tany tondra-dronono sy tantely mba hahafaty anay atỳ an-tany efitra atỳ!+ Angaha tsy ampy anao izany no mbola mitady hanjakazaka aminay* koa ianao? 14  Tsy nampiditra anay tany amin’ny tany tondra-dronono sy tantely+ ianao, sady tsy nanome anay saha sy tanimboaloboka mba ho lovanay. Fa tadiavinao hopotsirina mihitsy ve ny mason’ireo olona ireo* e? Izahay tsy ho any!” 15  Dia tezitra be i Mosesy, ka hoy izy tamin’i Jehovah: “Aza jerena akory ny fanatitra varimbazaha atolotr’ireo. Na ampondra iray aza tsy nalaiko taminy, ary tsy nisy nasiako ratsy ry zareo.”+ 16  Ary hoy i Mosesy tamin’i Kora: “Mandehana miseho eo anatrehan’i Jehovah ianao sy ny mpanohana anao rehetra rahampitso, dia ianao sy ry zareo ary Arona. 17  Samia maka ny fitondrany afo, dia asio emboka manitra eo ambonin’ilay izy. Ary samia mitondra ny fitondrany afo eo anatrehan’i Jehovah. Hitondra fitondrana afo 250 ireo mpanohana anao ireo, dia hitondra koa ianao sy Arona.” 18  Dia samy naka ny fitondrany afo izy ireo, ka nanisy afo sy emboka manitra teo amboniny, dia nijoro teo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana, niaraka tamin’i Mosesy sy Arona. 19  Ary efa novorin’i Kora teo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana ny mpanohana azy,+ mba hanohitra azy roa lahy. Dia niseho tamin’ny vahoaka manontolo ny voninahitr’i Jehovah.+ 20  Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy sy Arona: 21  “Mialà eo amin’ireo olona ireo, fa haringako ao anatin’ny indray mipy maso ireo!”+ 22  Dia niankohoka tamin’ny tany izy roa lahy ka niteny hoe: “Andriamanitra ô! Ianao no Andriamanitra manome aina ny olona* rehetra.+ Olona iray ve no nanota dia tezitra amin’ny vahoaka manontolo ianao?”+ 23  Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: 24  “Teneno ny vahoaka hoe: ‘Mialà eny akaikin’ny tranolain’i Kora sy Datana ary Abirama!’”+ 25  Dia nankeny amin’i Datana sy Abirama i Mosesy, ary niaraka taminy ny anti-panahin’ny+ Israely. 26  Ary hoy izy tamin’ny vahoaka: “Miangavy anareo aho mba hiala eny akaikin’ny tranolain’ireo olona ratsy fanahy ireo. Aza mikasika an’izay ananany rehetra, sao ianareo ho ringana noho ny fahotany.” 27  Tonga dia niala teny amin’ny manodidina ny tranolain’i Kora sy Datana ary Abirama ny olona. Dia ireny i Datana sy Abirama fa nivoaka ka nijoro teo amin’ny fidirana amin’ny tranolainy, niaraka tamin’ny vadiny sy ny zanany ary ny zanany kely. 28  Hoy i Mosesy avy eo: “Izao no hahafantaranareo fa i Jehovah no naniraka ahy hanao an’ireny zavatra rehetra ireny, fa tsy hoe sitrapoko fotsiny: 29  Raha hoatran’ny fomba ahafatesan’ny olon-drehetra ihany ny fomba hahafatesan’ireo olona ireo, ary raha sazy mitovy amin’ny an’ny olon-drehetra ihany ny sazy homena azy, dia tsy i Jehovah no naniraka ahy.+ 30  Fa raha zavatra miavaka be kosa no ataon’i Jehovah amin’ireo, ka misokatra* ny tany sady mitelina an’ireo miaraka amin’izay ananany rehetra, ary midina velona any amin’ny Fasana* ireo, dia ho fantatrareo tokoa fa nanao tsinontsinona an’i Jehovah ireo lehilahy ireo.” 31  Vao avy niteny an’izany rehetra izany izy, dia nitresaka ny tany nitsanganan’izy ireo.+ 32  Dia nisokatra* ny tany ka nitelina azy ireo sy ny ankohonany ary ny olona rehetra niaraka tamin’i Kora.+ Natelin’ny tany daholo koa ny fananan’ireo olona ireo. 33  Dia nidina velona tany amin’ny Fasana* izy ireo, niaraka tamin’izay nananany rehetra. Voasaron’ny tany tao izy ireo ka ringana tsy ho anisan’ny fiangonana intsony.+ 34  Ary nitsoaka daholo ny Israelita nanodidina teo, rehefa naheno azy ireo nikiakiaka. Hoy mantsy izy ireo: “Sao koa izahay hatelin’ny tany eo!” 35  Avy eo dia nisy afo nalefan’i Jehovah+ ka nandevona an’ireo 250 lahy nanatitra emboka manitra.+ 36  Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: 37  “Teneno i Eleazara zanakalahin’i Arona mpisorona mba haka an’ireo fitondrana afo ireo+ avy ao anaty afo, satria masina ireo. Teneno koa izy hoe ataovy miparitaka lavidavitra ny vainafo. 38  Alaivo ny fitondrana afon’ireny lehilahy maty noho ny fahotany ireny dia anamboary takelaka manify. Dia hapetaka eo amin’ny alitara ireo,+ satria nentiny teo anatrehan’i Jehovah ka masina. Hatao hampitandremana ny Israelita ireo takelaka manify ireo.’”+ 39  Nalain’i Eleazara mpisorona àry ny fitondrana afo varahina nentin’ireny olona kilan’ny afo ireny. Dia nokapokapohiny izany ka nataony takelaka manify, dia napetany teo amin’ny alitara, 40  araka izay notenenin’i Jehovah taminy tamin’ny alalan’i Mosesy. Natao hampahatsiahivana ny Israelita izany hoe tsy misy mahazo mandoro emboka manitra eo anatrehan’i Jehovah ny olona tsy nahazo alalana*+ sady tsy anisan’ny taranak’i Arona. Natao hampahatsiahivana ny Israelita koa izany hoe tsy misy olona tokony hanao hoatran’ny nataon’i Kora sy ny mpanohana azy.+ 41  Ny ampitson’iny ihany, dia nimenomenona tamin’i Mosesy sy Arona ny vahoakan’Israely manontolo+ hoe: “Ianareo roa lahy ihany no nahafaty ny vahoakan’i Jehovah!” 42  Tamin’ilay nivondrona hanohitra an’i Mosesy sy Arona ny vahoaka, dia nitodika tany amin’ny tranolay fihaonana izy ireo, dia io fa nanarona ny tranolay ny rahona, ary niseho ny voninahitr’i Jehovah.+ 43  Ary nankeo alohan’ny tranolay fihaonana i Mosesy sy Arona.+ 44  Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: 45  “Mialà eo amin’io vahoaka io, fa haringako ao anatin’ny indray mipy maso ireo.”+ Dia niankohoka tamin’ny tany izy roa lahy.+ 46  Avy eo dia hoy i Mosesy tamin’i Arona: “Alaivo ny fitondrana afo dia asio afo avy eo amin’ny alitara+ ilay izy, ary asio emboka manitra eo amboniny. Dia mandehana haingana eny amin’ny vahoaka mba handrakotra ny fahotan’izy ireo,+ fa tezitra be i Jehovah. Efa nanomboka mantsy ny loza!” 47  Tonga dia nalain’i Arona àry ilay izy, araka ny tenin’i Mosesy, ka nihazakazaka nankeny amin’ny fiangonana izy. Dia io tokoa fa efa nanomboka namely ny vahoaka ny loza. Koa nasiany emboka manitra teo ambonin’ilay fitondrana afo, ka nandrakotra ny fahotan’ny vahoaka izy. 48  Nijoro teo anelanelan’ny maty sy ny velona foana izy, dia nitsahatra ihany ny loza tamin’ny farany. 49  Ary nahatratra 14 700 ny olona matin’ilay loza, ankoatra an’izay maty noho ny nataon’i Kora. 50  Efa nitsahatra ilay loza vao niverina tany amin’i Mosesy teo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana i Arona.

Fanamarihana

Na: “mbola miseho mitondra anay.”
Angamba te hilaza izy ireo hoe tadiavin’i Mosesy hanaraka azy an-jambany ireo olona ireo.
Abt: “karaza-nofo.”
Abt: “manokatra ny vavany.”
Jereo F.T.
Abt: “nanokatra ny vavany.”
Jereo F.T.
Abt: “ny vahiny.”