Nomery 18:1-32

  • Andraikitry ny mpisorona sy ny Levita (1-7)

  • Anjaran’ny mpisorona (8-19)

    • Fifanekena maharitra (19)

  • Nahazo ampahafolon-karena ny Levita dia nanome koa (20-32)

18  Ary hoy i Jehovah tamin’i Arona: “Ianao sy ny zanakao lahy ary ny fianakaviambenao no ho tompon’andraikitra raha misy manao fahadisoana ka mandoto ny toerana masina,+ ary ianao sy ny zanakao lahy no ho tompon’andraikitra raha misy manao fahadisoana mifandray amin’ny asan’ny mpisorona.+  Asaivo mankeo aminao ny rahalahinao avy amin’ny fokon’i Levy, dia ny fokon’ny razambenao, mba hiara-miasa aminao sy hanampy anao+ sy ny zanakao lahy, eo anoloan’ny tranolay misy ny Tenin’ny Vavolombelona.+  Ary hanao ny andraikiny aminao sy amin’ny tranolay manontolo ry zareo.+ Tsy mahazo manakaiky ny fitaovan’ny toerana masina sy ny alitara anefa izy ireo, sao ho faty na ry zareo na ianareo.+  Ary hiara-miasa aminao izy ireo, ka hanao ny andraikiny mifandray amin’ny tranolay fihaonana sy ny fanompoana rehetra ao amin’ny tranolay. Tsy misy mahazo manakaiky anareo ny olona tsy nahazo alalana.*+  Ataovy ny andraikitrareo amin’ny toerana masina+ sy ny alitara,+ mba tsy ho tezitra+ amin’ny vahoakan’Israely intsony aho.  Efa nalaiko avy teo amin’ny Israelita ny Levita rahalahinareo, mba ho fanomezana ho anareo.+ Ho an’i Jehovah izy ireo ary hanao ny fanompoana ao amin’ny tranolay fihaonana.+  Manana adidy amin’ny alitara sy izay ao ambadiky ny ridao ianareo mpisorona,+ ka ianao sy ny zanakao lahy no miandraikitra an’izany.+ Hataoko fanomezana ho anareo ny asan’ny mpisorona, ary hovonoina ho faty izay olona tsy nahazo alalana* nefa manatona eo.”+  Hoy koa i Jehovah tamin’i Arona: “Izaho mihitsy no manendry anao hiandraikitra an’ireo fanomezana omena ahy.+ Omeko amin’ny zava-masina rehetra omen’ny Israelita ianao sy ny zanakao lahy, ka ho anjaranareo foana izany.+  Ireto avy no ho anao amin’ny fanatitra masina indrindra atao anaty afo: Izay fanatitra rehetra hatolony ho ahy, anisan’izany ny fanatitra varimbazaha+ sy ny fanatitra noho ny ota+ ary ny fanatitra noho ny heloka.+ Zavatra masina indrindra ho anao sy ho an’ny zanakao lahy izany. 10  Ao amin’ny toerana tena masina ianao no hihinana an’izany,+ ka ny lehilahy rehetra aminareo no mahazo mihinana an’ilay izy. Ho zava-masina ho anao izany.+ 11  Anao koa ny fanomezana omen’ny Israelita+ sy ny fanatitra ahetsiketsika rehetra+ ataony. Efa nomeko anao sy ny zanakao lahy ary ny zanakao vavy izany, mba ho anjaranareo foana.+ Mahazo mihinana an’izany izay rehetra madio ao amin’ny ankohonanao.+ 12  “Omeko anao+ ny tsara indrindra amin’ny menaka sy ny divay vaovao ary ny varimbazaha, izany hoe ny voaloham-bokatra+ omeny an’i Jehovah. 13  Ho anao ny voaloham-bokatra rehetra avy amin’ny taniny+ hoentiny ho an’i Jehovah. Mahazo mihinana an’izany izay rehetra madio ao amin’ny ankohonanao. 14  “Ho anao izay zavatra voatokana* rehetra eo amin’ny Israely.+ 15  “Ho anao daholo koa ny voalohan-teraka amin’ny zavamananaina* rehetra+ hatolony ho an’i Jehovah, na olona izany na biby. Tsy maintsy havotanao anefa ny voalohan-teraky ny olona,+ ary havotanao koa ny voalohan-teraky ny biby maloto.+ 16  Izay iray volana no ho miakatra no havotanao, ka ny vola hanavotana azy dia ny vidiny anombanana azy, izany hoe volafotsy dimy sekely,*+ araka ny sekely fampiasa ao amin’ny toerana masina.* Ny iray sekely dia 20 gera.* 17  Ny lahy voalohan-teraky ny omby na ondry na osy ihany no tsy havotanao+ fa masina. Hafafinao eo ambony alitara ny rany,+ ary hodoranao ny taviny mba hidona-tsetroka, ho fanatitra atao anaty afo, mba ho hanitra mahafinaritra* an’i Jehovah.+ 18  Ho anao ny nofony, toy ny tratrany izay atao fanatitra ahetsiketsika sy ny feny ankavanana.+ 19  Ny fanomezana masina rehetra izay homen’ny Israelita an’i Jehovah,+ dia efa nomeko anao sy ny zanakao lahy ary ny zanakao vavy. Ho anjaranareo foana izany.+ Fifanekena maharitra* ataon’i Jehovah aminao sy ny taranakao izany.” 20  Hoy koa i Jehovah tamin’i Arona: “Tsy hanana lova ao amin’ny tanin’izy ireo ianao, ary tsy hisy anjara taninao eo aminy.+ Fa izaho no anjaranao sy lovanao eo amin’ny Israelita.+ 21  “Efa nomeko ho lovan’ny taranak’i Levy ny ampahafolon-karena rehetra+ eo amin’ny Israely, ho takalon’ny fanompoana ataony, dia ny fanompoana ao amin’ny tranolay fihaonana. 22  Tsy mahazo manakaiky ny tranolay fihaonana intsony ny vahoakan’Israely, sao hanota ka ho faty. 23  Fa ny Levita no hanao ny fanompoana ao amin’ny tranolay fihaonana, ary izy ireo no hizaka ny vokatry ny fahadisoan’ny vahoaka.+ Ary tokony hanaraka an’izao fitsipika izao foana ianareo sy ny taranakareo fara aman-dimby: Tsy hahazo lova eo amin’ny Israelita ny Levita.+ 24  Fa efa nomeko ho lovan’ny Levita ny ampahafolon-karena omen’ny vahoakan’Israely ho fanomezana ho an’i Jehovah. Izany no nilazako taminy hoe: ‘Tsy hahazo lova eo amin’ny Israelita izy ireo.’”+ 25  Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: 26  “Teneno ny Levita hoe: ‘Hahazo ny ampahafolon-karena avy amin’ny Israelita ianareo, ary efa nomeko anareo ho lovanareo izany.+ Dia tokony hataonareo fanomezana ho an’i Jehovah ny ampahafolony amin’ilay ampahafolon-karena.+ 27  Hoheverina ho fanomezanareo izany, ka hoatran’ny hoe voa avy eny amin’ny famoloananareo+ ihany, na hoe divay na menaka avy amin’ny famiazanareo ihany. 28  Amin’izay ianareo dia hanao fanomezana ho an’i Jehovah, avy amin’ny ampahafolon-karena rehetra azonareo avy amin’ny Israelita. Avy amin’ireny no hakanareo fanomezana ho an’i Jehovah, ka homenareo an’i Arona mpisorona. 29  Hanao fanomezana isan-karazany ho an’i Jehovah ianareo, ary ho zava-masina izany. Avy amin’izay tsara indrindra amin’ny fanomezana rehetra omena anareo+ no hanaovanareo an’izany.’ 30  “Ary teneno ny Levita hoe: ‘Rehefa manome ny tsara indrindra amin’ireny ianareo, dia hoheverina hoatran’ny hoe vokatra avy eny amin’ny famoloananareo ihany izany, sy hoe divay na menaka avy amin’ny famiazanareo ihany. 31  Mahazo mihinana an’ireny any amin’ny toerana rehetra ianareo sy ny ankohonanareo, satria ireny no karamanareo ho tambin’ny fanompoanareo ao amin’ny tranolay fihaonana.+ 32  Tsy fahotana ho anareo izany, rehefa ny tsara indrindra amin’ireny no omenareo. Ary aza manazimbazimba ny zava-masina omen’ny Israelita, sao ho faty ianareo.’”+

Fanamarihana

Abt: “ny vahiny”, izany hoe lehilahy tsy anisan’ny taranak’i Arona.
Abt: “izay vahiny”, izany hoe lehilahy tsy anisan’ny taranak’i Arona.
Izay zavatra rehetra nohamasinina ho an’Andriamanitra, izany hoe zavatra natokana ho azy ka tsy azo avotana intsony na soloana.
Abt: “nofo.”
Na: “araka ny sekely masina.”
1 gera = 0,57 g. Jereo F.F. B14.
1 sekely = 11,4 g. Jereo F.F. B14.
Na: “mampitony.” Abt: “mitondra fitsaharana ho.”
Abt: “Fifaneken-tsira.”