Nomery 19:1-22

  • Ombivavy mena sy rano fanadiovana (1-22)

19  Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy sy Arona:  “Izao no didy sy lalàna nomen’i Jehovah: ‘Asaivo itondran’ny Israelita ombivavy mena iray ianao, dia ombivavy tsy misy kilema sy tsy manan-takaitra+ ary mbola tsy nitondra zioga.  Omeo an’i Eleazara mpisorona ilay ombivavy, dia hoentiny any ivelan’ny toby, ka hovonoina eo imasony.  Ary hakan’i Eleazara mpisorona amin’ny rantsantanany iray ny ran’ilay ombivavy, dia hafafiny impito tandrifin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana.+  Dia hodorana eo imasony ilay ombivavy. Hodorana ny hodiny, ny nofony, ny rany, ary ny tainy.+  Ary haka rantsankazo sedera sy hysopa*+ ary kofehy mena midorehitra ilay mpisorona, dia hatsipiny ao amin’ilay afo andoroana an’ilay ombivavy izany.  Avy eo dia hanasa ny akanjony ilay mpisorona dia handro amin’ny rano, izay vao mahazo miditra ao an-toby. Haloto mandra-paharivan’ny andro anefa izy.  “‘Ary hanasa ny akanjony amin’ny rano ilay nandoro an’ilay ombivavy, dia handro amin’ny rano. Haloto mandra-paharivan’ny andro anefa izy.  “‘Ary hisy lehilahy anankiray madio hanangona ny lavenon’ilay ombivavy,+ dia hapetrany eo amin’ny toerana iray madio any ivelan’ny toby ilay lavenona. Tokony hotehirizin’ny vahoakan’Israely manontolo ilay izy, mba hafangaro amin’ny rano ampiasaina amin’ny fanadiovana.+ Fanatitra noho ny ota ilay ombivavy. 10  Ary hanasa ny akanjony ilay nanangona ny lavenon’ilay ombivavy. Haloto mandra-paharivan’ny andro anefa izy. “‘Fitsipika harahin’ny Israelita sy ny vahiny mipetraka eo aminy foana izany.+ 11  Haloto fito andro izay mikasika fatin’olona.+ 12  Hanadio ny vatany amin’ilay rano fanadiovana izy amin’ny andro fahatelo, ka hadio amin’ny andro fahafito. Raha tsy manadio ny vatany anefa izy amin’ny andro fahatelo, dia tsy hadio amin’ny andro fahafito. 13  Izay mikasika fatin’olona nefa tsy manadio ny vatany, dia mandoto ny tranolain’i Jehovah.+ Tsy maintsy haringana tsy ho anisan’ny firenen’Israely izy.+ Mbola maloto izy, satria tsy nofafazana rano fanadiovana.+ Mbola haloto foana izy. 14  “‘Izao no lalàna harahina raha misy olona maty ao an-tranolay: Haloto fito andro izay miditra ao amin’ilay tranolay sy izay olona efa tao. 15  Haloto+ koa izay fitoeran-javatra misokatra tsy misy sarony mifatotra aminy. 16  Haloto fito andro izay olona eny an-tsaha nikasika olona novonoina tamin’ny sabatra na nikasika faty na taolam-paty na fasana.+ 17  Tokony hakana mba hanadiovana an’ilay olona maloto ilay lavenon’ny fanatitra noho ny ota izay efa nodorana. Hatao ao anaty vilia baolina ilay izy, dia horarahana rano nalaina avy amin’ny rano mandeha. 18  Ary haka hysopa+ ny lehilahy anankiray madio,+ dia hatsobony ao amin’ilay rano, ary hofafazany an’ilay rano ny tranolay sy ny vilia baolina ary ny olona rehetra tao. Hofafazany an’ilay izy koa izay nikasika taolam-paty na nikasika olona nisy namono na faty na fasana. 19  Ary hafafin’ilay olona madio amin’ilay olona maloto ilay rano, amin’ny andro fahatelo sy amin’ny andro fahafito, dia hodioviny ho afaka amin’ny ota izy amin’ny andro fahafito.+ Tokony hanasa ny akanjony izy avy eo, dia handro amin’ny rano, ka hadio amin’ny hariva. 20  “‘Haringana tsy ho anisan’ny fiangonana anefa izay olona maloto ka tsy manadio ny vatany.+ Nandoto ny toerana masin’i Jehovah mantsy izy. Tsy nofafazana rano fanadiovana izy ka maloto. 21  “‘Izao foana no fitsipika harahin’izy ireo: Tokony hanasa ny akanjony ilay namafy ny rano fanadiovana.+ Ary haloto mandra-paharivan’ny andro izay nikasika ny rano fanadiovana. 22  Haloto izay zavatra kasihin’ilay olona maloto, ary haloto mandra-paharivan’ny andro koa ilay olona mikasika an’iny zavatra iny.’”+

Fanamarihana

Jereo F.T.