Nomery 2:1-34

  • Fandaminana ny toby: Foko telo isaky ny fizarana (1-34)

    • Atsinanana: Fizarana misy ny tobin’i Joda (3-9)

    • Atsimo: Fizarana misy ny tobin’i Robena (10-16)

    • Afovoany: Fizarana misy ny tobin’i Levy (17)

    • Andrefana: Fizarana misy ny tobin’i Efraima (18-24)

    • Avaratra: Fizarana misy ny tobin’i Dana (25-31)

    • Ny isan’ny lehilahy rehetra voasoratra anarana (32-34)

2  Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy sy Arona:  “Rehefa mitoby ny Israelita, dia tokony hitoby ao amin’ny fizarana*+ anendrena azy avy izy ireo, ary tokony ho eo akaikin’ny famantarana ny* fianakaviambeny ny tsirairay. Tokony hitoby manodidina ny tranolay fihaonana izy ireo, sady hanatrika azy io.  “Ny hitoby eo atsinanana, izany hoe tandrifin’ny fiposahan’ny masoandro, dia ny fizarana misy ny tobin’i Joda, arakaraka ny antokony* avy. I Nasona+ zanak’i Aminadaba no mpiadidy eo amin’ny taranak’i Joda,  ary 74 600+ ireo voasoratra anarana ao amin’ny tafik’i Nasona.  Ny fokon’i Isakara no hitoby eo akaikiny, ka i Netanela+ zanak’i Zoara no mpiadidy eo amin’ny taranak’i Isakara,  ary 54 400+ ireo voasoratra anarana ao amin’ny tafik’i Netanela.  Ho eo amin’ny ilany iray kosa ny fokon’i Zebolona, ka i Eliaba+ zanak’i Helona no mpiadidy eo amin’ny taranak’i Zebolona,  ary 57 400+ ireo voasoratra anarana ao amin’ny tafik’i Eliaba.  “Misy 186 400 àry ireo voasoratra anarana rehetra ao amin’ny tafiky ny tobin’i Joda. Izy ireo no tokony hifindra lasy voalohany.+ 10  “Ho eo atsimo kosa ny fizarana misy ny tobin’i Robena,+ arakaraka ny antokony* avy. I Elizora+ zanak’i Sedeora no mpiadidy eo amin’ny taranak’i Robena, 11  ary 46 500+ ireo voasoratra anarana ao amin’ny tafik’i Elizora. 12  Ny fokon’i Simeona no hitoby eo akaikiny, ka i Selomiela+ zanak’i Zorisaday no mpiadidy eo amin’ny taranak’i Simeona, 13  ary 59 300+ ireo voasoratra anarana ao amin’ny tafik’i Selomiela. 14  Ho eo amin’ny ilany iray kosa ny fokon’i Gada, ka i Eliasafa+ zanak’i Regoela no mpiadidy eo amin’ny taranak’i Gada, 15  ary 45 650+ ireo voasoratra anarana ao amin’ny tafik’i Eliasafa. 16  “Misy 151 450 àry ireo voasoratra anarana rehetra ao amin’ny tafiky ny tobin’i Robena. Izy ireo no tokony hifindra lasy faharoa.+ 17  “Rehefa afindra ny tranolay fihaonana,+ dia tokony ho eo afovoan’ireo toby hafa ny tobin’ny Levita. “Tokony ho arakaraka ny filaharan’izy ireo rehefa mitoby ihany no ho filaharany rehefa miainga,+ ka samy ho eo amin’ny filaharany avy ny tsirairay, arakaraka ny fizarana misy azy. 18  “Ho eo andrefana ny fizarana misy ny tobin’i Efraima, arakaraka ny antokony* avy. I Elisama+ zanak’i Amihoda no mpiadidy eo amin’ny taranak’i Efraima, 19  ary 40 500+ ireo voasoratra anarana ao amin’ny tafik’i Elisama. 20  Ny fokon’i Manase+ no ho eo akaikiny, ka i Gamaliela+ zanak’i Pedazora no mpiadidy eo amin’ny taranak’i Manase, 21  ary 32 200+ ireo voasoratra anarana ao amin’ny tafik’i Gamaliela. 22  Ho eo amin’ny ilany iray kosa ny fokon’i Benjamina, ka i Abidana+ zanak’i Gideony no mpiadidy eo amin’ny taranak’i Benjamina, 23  ary 35 400+ ireo voasoratra anarana ao amin’ny tafik’i Abidana. 24  “Misy 108 100 àry ireo voasoratra anarana rehetra ao amin’ny tafiky ny tobin’i Efraima. Izy ireo no tokony hifindra lasy fahatelo.+ 25  “Ho eo avaratra kosa ny fizarana misy ny tobin’i Dana, arakaraka ny antokony* avy. I Ahiezera+ zanak’i Amisaday no mpiadidy eo amin’ny taranak’i Dana, 26  ary 62 700+ ireo voasoratra anarana ao amin’ny tafik’i Ahiezera. 27  Ny fokon’i Asera no hitoby eo akaikiny, ka i Pagiela+ zanak’i Okrana no mpiadidy eo amin’ny taranak’i Asera, 28  ary 41 500+ ireo voasoratra anarana ao amin’ny tafik’i Pagiela. 29  Ho eo amin’ny ilany iray kosa ny fokon’i Naftaly, ka i Ahira+ zanak’i Enana no mpiadidy eo amin’ny taranak’i Naftaly, 30  ary 53 400+ ireo voasoratra anarana ao amin’ny tafik’i Ahira. 31  “Misy 157 600 àry ireo voasoratra anarana rehetra ao amin’ny tobin’i Dana. Izy ireo no tokony hifindra lasy farany,+ araka ny fizarana misy azy.” 32  Ireo no Israelita voasoratra anarana, arakaraka ny fianakaviambeny avy. Nisy 603 550+ ireo voasoratra anarana rehetra tao amin’ireo toby ka afaka nanompo tao amin’ny tafika. 33  Ny Levita kosa tsy nosoratana anarana+ niaraka tamin’ireo Israelita ireo,+ araka ny didy nomen’i Jehovah an’i Mosesy. 34  Dia nanao araka ny didy rehetra nomen’i Jehovah an’i Mosesy ny Israelita. Izany no nataon’izy ireo rehefa nitoby, araka ny fizarana+ nisy azy avy. Izany koa no nataony rehefa nifindra lasy,+ araka ny fianakaviany avy, sy arakaraka ny fianakaviambeny avy.

Fanamarihana

Na: “sainan’ny.”
Misy foko telo ny fizarana iray.
Abt: “tafiny.”
Abt: “tafiny.”
Abt: “tafiny.”
Abt: “tafiny.”