Nomery 22:1-41

  • Nokaramain’i Balaka i Balama (1-21)

  • Niteny ny ampondran’i Balama (22-41)

22  Dia niainga ny Israelita ka nitoby teny amin’ny lemaka karakaina any Moaba, teny ampitan’i Jordana sady tandrifin’i Jeriko.+  Ary henon’i Balaka+ zanak’i Zipora ny zava-drehetra nataon’ny Israely tamin’ny Amorita.  Dia natahotra be ny Moabita satria vahoaka be ny Israelita. Koa nitebiteby be ny Moabita noho ny amin’ny Israelita.+  Ary hoy ny Moabita tamin’ny anti-panahin’ny Midianina:+ “Hataon’io vahoaka io ripaka daholo izao ny manodidina antsika, hoatran’ny andripahan’ny omby ny ahitra rehetra eny an-tsaha.” I Balaka zanak’i Zipora no mpanjakan’i Moaba tamin’izany fotoana izany.  Ary nisy olona nirahiny ho any amin’i Balama zanak’i Beora, izay nipetraka tany amin’ny tanindrazany tany Petora,+ teo amoron’ilay Renirano.* Nampiantso azy i Balaka sady niteny hoe: “Misy vahoaka iray izay, nivoaka avy tany Ejipta ka mandrakotra ny tany,*+ ary mipetraka tandrifiko mihitsy izao ry zareo.  Koa mba tongava re atỳ e! Dia ozòny io vahoaka io,+ fa mahery noho izaho izy. Amin’izay aho mety handresy azy dia handroaka azy hiala eto amin’ny taniko. Fantatro tsara mantsy hoe izay tsofinao rano dia tena mahazo fitahiana, fa izay ozoninao kosa dia tena voaozona.”  Koa nandeha ny anti-panahin’i Moaba sy ny anti-panahin’ny Midianina, ka nitondra ny vola haloa amin’ny mpanao sikidy. Dia nankany amin’i Balama izy ireo+ ka nolazainy taminy ny tenin’i Balaka.  Dia hoy i Balama tamin’ireo: “Matoria eto anio alina, dia hoteneniko anareo izay holazain’i Jehovah amiko.” Koa nijanona tao amin’i Balama ireo andrianan’i Moaba ireo.  Avy eo dia nankeo amin’i Balama Andriamanitra, ka niteny hoe:+ “Iza ireo lehilahy ato aminao ireo?” 10  Dia hoy i Balama tamin’ilay tena Andriamanitra: “Olona nirahin’i Balaka zanak’i Zipora, mpanjakan’i Moaba, hankatỳ amiko ireo, hilaza hoe: 11  ‘Mandrakotra ny tany* ilay vahoaka nivoaka avy tany Ejipta. Koa tongava atỳ ka ozòny ireo.+ Amin’izay mba mety ho vitako ny hiady aminy sy handroaka azy.’” 12  Hoy anefa Andriamanitra tamin’i Balama: “Aza mandeha miaraka amin’ireo, ary aza manozona an’io vahoaka io, fa mitahy azy ireo aho.”+ 13  Ary nifoha maraina i Balama ka niteny tamin’ireo andrianan’i Balaka hoe: “Modia any amin’ny taninareo, fa tsy avelan’i Jehovah hiaraka aminareo aho.” 14  Koa lasa niverina tany amin’i Balaka ireo andrianan’i Moaba ireo, ka nilaza hoe: “Tsy nety niaraka taminay i Balama.” 15  Naniraka andriana hafa indray anefa i Balaka, dia andriana maro kokoa sy manan-kaja kokoa noho ny teo aloha. 16  Dia tonga tany amin’i Balama ireo ka nilaza hoe: “Niteny i Balaka zanak’i Zipora hoe: ‘Mba aza avela hisy zavatra hanakantsakana anao tsy ho tonga atỳ amiko re e! 17  Fa homeko voninahitra miavaka be ianao, dia hataoko daholo izay asainao ataoko. Koa mba tongava re atỳ dia ozòny io vahoaka io e!’” 18  Hoy anefa i Balama tamin’ny mpanompon’i Balaka: “Na omen’i Balaka ahy aza ny tranony feno volafotsy sy volamena, dia tsy misy na inona na inona azoko atao, na kely izany na lehibe, afa-tsy izay asain’i Jehovah Andriamanitro ataoko ihany.+ 19  Miangavy anareo koa anefa aho mba hijanona eto anio alina. Amin’izay ho fantatro hoe inona no mbola holazain’i Jehovah amiko.”+ 20  Ary nankeo amin’i Balama Andriamanitra ny alin’iny, ka niteny hoe: “Raha tonga hiantso anao ireo olona ireo, dia mandehana miaraka aminy, fa izay holazaiko aminao ihany no azonao lazaina.”+ 21  Dia nifoha maraina i Balama ka nasiany lasely ny ampondrany,* dia nandeha niaraka tamin’ireo andrianan’i Moaba ireo izy.+ 22  Tezitra be anefa Andriamanitra fa nandeha i Balama. Ary nisy anjelin’i Jehovah nijanona teo an-dalana mba hisakana azy. Nitaingina ny ampondrany i Balama tamin’izay, ary niaraka taminy ny mpanompony anankiroa. 23  Hitan’ilay ampondra ilay anjelin’i Jehovah nijanona teo an-dalana, sady nitana sabatra efa voatsoaka avy tao anaty tranony. Dia nitady hivily tany anaty saha ilay ampondra, nefa nokapohin’i Balama mba hiverina teo amin’ilay lalana. 24  Avy eo dia nijoro teo amin’ny lalana tery kely, teo anelanelan’ny tanimboaloboka roa, ilay anjelin’i Jehovah. Nisy fefy vato teo amin’ny andaniny roa tamin’ilay lalana. 25  Rehefa hitan’ilay ampondra ilay anjelin’i Jehovah, dia nisisika nitampify teo amin’ilay fefy ilay ampondra ka tery tao ny tongotr’i Balama. Dia nokapohin’i Balama indray izy. 26  Nandroso indray ilay anjelin’i Jehovah dia nijoro teo amin’ny toerana tery, ka tsy nisy nahafahana nivily niankavanana na niankavia mihitsy. 27  Rehefa hitan’ilay ampondra ilay anjelin’i Jehovah, dia nipetraka ilay ampondra nefa i Balama mbola nitaingina azy. Dia tezitra i Balama, ka vao mainka nokapohiny tamin’ny tehiny ilay ampondra. 28  Farany, dia nampitenenin’i Jehovah ilay ampondra,*+ ka niteny tamin’i Balama hoe: “Fa inona no nataoko taminao no dia nokapohinao intelo aho?”+ 29  Dia hoy i Balama: “K’ianao manadala ahy! Raha nisy sabatra tetỳ an-tanako, dia efa matiko ianao!” 30  Ary hoy ilay ampondra tamin’i Balama: “Angaha tsy efa izaho foana ny ampondra fitaingenanao hatrizay niainanao ka hatramin’izao? Dia efa nanao hoatr’izao taminao ve aho?” Hoy izy: “Mbola tsy nanao!” 31  Dia nosokafan’i Jehovah ny mason’i Balama,+ ka hitany ilay anjelin’i Jehovah nijoro teo an-dalana sady nitana sabatra efa voatsoaka avy tao anaty tranony. Dia niondrika avy hatrany izy ka niankohoka. 32  Ary hoy ilay anjelin’i Jehovah taminy: “Fa maninona no nokapohinao intelo ny ampondranao? Izaho mihitsy izao no nivoaka hisakana anao, satria mifanipaka tanteraka amin’ny sitrapoko ny zavatra ataonao.+ 33  Nahita ahy anefa io ampondra io dia nitady hiala ahy intelo.+ Fa raha tsy niala ahy izy, dia efa matiko ianao, fa izy kosa navelako ho velona ihany.” 34  Dia hoy i Balama tamin’ilay anjelin’i Jehovah: “Efa nanota aho, fa tsy fantatro hoe ianao no nijoro teo amin’ny lalana teo mba hisakana ahy. Koa raha tsy mahafaly anao izao ataoko izao, dia hiverina aho.” 35  Hoy anefa ilay anjelin’i Jehovah tamin’i Balama: “Mandehana miaraka amin’ireo olona ireo, fa izay teny holazaiko aminao ihany no azonao lazaina.” Koa nanohy ny diany niaraka tamin’ny andrianan’i Balaka i Balama. 36  Rehefa henon’i Balaka hoe tonga i Balama, dia tonga dia nivoaka hitsena azy tao amin’ny tanànan’i Moaba izy, teo amoron’i Arnona, teo amin’ny sisin-taniny. 37  Ary hoy i Balaka taminy: “Maninona ianao no tsy tonga tatỳ amiko tamin’izaho naniraka olona hiantso anao? Nieritreritra angaha ianao hoe tsy ho vitako ny manome voninahitra anao?”+ 38  Dia hoy i Balama: “Efa tonga eto aminao aho izao. Tsy mahazo miteny an’izay tiako anefa aho, fa izay asain’Andriamanitra teneniko ihany no azoko tenenina.”+ 39  Koa niaraka tamin’i Balaka i Balama, ka tonga tao Kiriata-hozota izy ireo. 40  Ary nanao sorona omby aman’ondry i Balaka, ka nisy hena nampanateriny tany amin’i Balama sy ireo andriana niaraka taminy. 41  Ny ampitso maraina, dia nalain’i Balaka i Balama ka nentiny niakatra nankeo Bamota-bala. Teo izy no nahatazana an’ilay vahoaka manontolo.+

Fanamarihana

Azo inoana hoe i Eofrata.
Abt: “ny mason’ny tany.”
Abt: “ny mason’ny tany.”
Abt: “ampondravaviny.”
Abt: “nosokafan’i Jehovah ny vavan’ilay ampondravavy.”