Nomery 23:1-30

  • Oha-pitenenana 1 nataon’i Balama (1-12)

  • Oha-pitenenana 2 nataon’i Balama (13-30)

23  Ary hoy i Balama tamin’i Balaka: “Manorena alitara fito eto amin’ity toerana ity,+ dia asio ombilahy fito sy ondrilahy fito efa vonona eto, fa ilaiko.” 2  Tonga dia nataon’i Balaka izay nolazain’i Balama. Dia nanolotra ombilahy iray sy ondrilahy iray teo ambonin’ny alitara tsirairay izy roa lahy.+ 3  Ary hoy i Balama tamin’i Balaka: “Mijanòna eto akaikin’ny fanatitra dorana natolotrao eto, fa handeha kely aho. Angamba hiresaka amiko i Jehovah, dia hoteneniko anao izay ampahafantariny ahy.” Dia nankeo amin’ny havoana iray mangadihady izy. 4  Dia nifandray tamin’i Balama Andriamanitra,+ ka hoy i Balama taminy: “Efa nalahatro ny alitara fito, dia efa nanolotra ombilahy iray sy ondrilahy iray teo ambonin’ny alitara tsirairay aho.” 5  Ary notenenin’i Jehovah an’i Balama izay tokony holazainy,+ ka hoy izy taminy: “Miverena any amin’i Balaka, dia lazao aminy izany.” 6  Dia niverina izy, ary hitany nijoro teo akaikin’ny fanatitra dorana natolony i Balaka sy ny andrianan’i Moaba rehetra. 7  Ary nanao an’izao oha-pitenenana izao i Balama:+ “Nalain’i Balaka mpanjakan’i Moaba avy any Arama aho,+Avy any amin’ny tendrombohitra any atsinanana, ka hoy izy: ‘Tongava atỳ hanozona an’i Jakoba. Tongava atỳ hanameloka an’i Israely.’+  8  Ataoko ahoana anefa ny hanozona an’izay tsy nozonin’Andriamanitra? Ary ataoko ahoana ny hanameloka an’izay tsy nomelohin’i Jehovah?+  9  Avy eto an-tampon’ny harambato aho no mahita azy ireo,Ary avy eto amin’ny havoana no mahatazana azy. Vahoaka mitoka-monina izy,+Sady tsy mihevitra ny tenany ho anisan’ireo firenena.+ 10  Iza no mahavita manisa ny vahoakan’i Jakoba, izay be dia be hoatran’ny vovoka,+Na mahavita manisa na dia ny ampahefatry ny Israely fotsiny aza? Aleo aho ho faty hoatran’ny ahafatesan’ny olo-marina,Ary enga anie hitovy amin’ny hiafarany no hiafarako!” 11  Dia hoy i Balaka tamin’i Balama: “Fa inona ity ataonao amiko? Nentiko atỳ ianao mba hanozona ny fahavaloko, nefa vao mainka indray ianao mitso-drano azy!”+ 12  Dia hoy i Balama: “Tsy izay asain’i Jehovah lazaiko ihany angaha no lazaiko?”+ 13  Ary hoy i Balaka taminy: “Andao re hifindra any an-toeran-kafa hahitanao an-dry zareo koa e! Ny sasany amin-dry zareo ihany no ho hitanao, fa tsy izy rehetra. Dia ozòny ry zareo rehefa any ianao.”+ 14  Koa nentiny nankeo amin’ny sahan’i Zofima teo an-tampon’i Pisga+ i Balama. Dia nanorina alitara fito i Balaka, ary nanolotra ombilahy iray sy ondrilahy iray teo ambonin’ny alitara tsirairay.+ 15  Ary hoy i Balama taminy: “Mijanòna eto akaikin’ny fanatitra dorana natolotrao eto, fa izaho handeha etsy mba hifandray amin’Andriamanitra.” 16  Ary nifandray tamin’i Balama i Jehovah ka noteneniny azy izay tokony holazainy.+ Dia hoy izy taminy: “Miverena eny amin’i Balaka, dia lazao aminy izany.” 17  Koa nankeo amin’i Balaka izy, ary hitany fa efa niandry teo akaikin’ny fanatitra dorana natolony i Balaka sy ireo andrianan’i Moaba. Ary hoy i Balaka tamin’i Balama: “Inona, hono, no nolazain’i Jehovah?” 18  Dia nanao an’izao oha-pitenenana izao i Balama:+ “Mitsangàna, ry Balaka, ka mihainoa. Henoy aho, ry zanak’i Zipora ô! 19  Tsy mba olona Andriamanitra ka handainga,+Na zanak’olombelona ka hiovaova hevitra.*+ Tsy hotanterahiny ve izay nolazainy?+ Tsy hataony ve izay noteneniny? 20  Nantsoina aho mba hitso-drano.Nitso-drano Izy,+ ka tsy azoko ovana izany.+ 21  Tsy misy olona avelany hampiasa herin’ny maizina hamelezana an’i Jakoba,Ary tsy avelany hisy loza hanjo ny Israely. Manampy azy i Jehovah Andriamaniny,+Ary ankalazain’izy ireo mafy Izy fa mpanjakany. 22  Entin’Andriamanitra mivoaka avy any Ejipta izy ireo,+ Ary toy ny tandrok’ombidia miaro azy ireo Izy.+ 23  Fa tsy mandaitra amin’i Jakoba ny fambara ratsy,+Ary tsy mandaitra amin’i Israely ny sikidy.+ Izao àry no azo lazaina momba an’i Jakoba sy Israely amin’izao: ‘Jereo ny zava-bitan’Andriamanitra!’ 24  Io misy firenena! Hitsangana hoatran’ny liona izy.Hijoro toy ny liona izy,+ Ka tsy hatory raha tsy efa avy mihinana remby,Sy avy misotro ny ran’izay novonoiny.” 25  Dia hoy i Balaka tamin’i Balama: “Raha tsy afaka manozona azy mihitsy àry ianao, dia aza mitso-drano azy!” 26  Fa hoy i Balama: “Angaha izaho tsy efa nilaza taminao hoe: ‘Izay rehetra tenenin’i Jehovah ihany no hataoko’?”+ 27  Ary hoy i Balaka: “Andao re hoentiko ho any an-toeran-kafa indray ianao e! Angamba any ianao no tian’ilay tena Andriamanitra hanozona an-dry zareo.”+ 28  Dia nentin’i Balaka teo an-tampon’i Peora izy, teo amin’ilay ahatazanana an’i Jesimona.*+ 29  Ary hoy i Balama tamin’i Balaka: “Manorena alitara fito eto amin’ity toerana ity, dia asio ombilahy fito sy ondrilahy fito efa vonona eto, fa ilaiko.”+ 30  Dia nataon’i Balaka izay nolazain’i Balama, ka nanolotra ombilahy iray sy ondrilahy iray teo ambonin’ny alitara tsirairay izy.

Fanamarihana

Na: “hanenina.”
Na mety hoe “an’ilay tany efitra.”