Nomery 27:1-23

  • Zanakavavin’i Zelofada (1-11)

  • Voatendry handimby an’i Mosesy i Josoa (12-23)

27  Ary nanatona an’i Mosesy ny zanakavavin’i Zelofada,+ zanakalahin’i Hefera, zanak’i Gileada, zanak’i Makira, zanak’i Manase, avy tamin’ny fianakaviamben’i Manase zanak’i Josefa. Ireto avy ny anaran’ireo zanany vavy ireo: Mahala, Noa, Hogla, Milka, ary Tirza.  Dia nijoro teo anatrehan’i Mosesy sy Eleazara mpisorona sy ny mpiadidy+ ary ny vahoaka manontolo izy ireo, teo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana, ka niteny hoe:  “Maty tany an-tany efitra ny rainay, nefa izy tsy anisan’ireo olona nanohitra an’i Jehovah niaraka tamin’ny mpanohana an’i Kora.+ Maty noho ny fahotany ihany izy, ary tsy mba nanan-janakalahy.  Dia ny anaran’ny rainay ve dia hofoanana tsy ho eo amin’ny fianakaviany, satria hoe tsy nanan-janakalahy izy? Mba omeo lova koa izahay, hoatran’ny rahalahin-drainay.”  Dia nentin’i Mosesy teo anatrehan’i Jehovah ilay raharaha.+  Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy:  “Marina ny tenin’ny zanakavavin’i Zelofada. Tena tokony homenao lova eo amin’ny rahalahin-drainy izy ireo. Afindrao aminy àry ny lovan’ny rainy.+  Ary teneno ny Israelita hoe: ‘Raha misy lehilahy maty nefa tsy manan-janakalahy, dia afindrao amin’ny zanany vavy ny lovany.  Fa raha tsy manan-janakavavy izy, dia omeo ny rahalahiny izany. 10  Ary raha tsy manan-drahalahy izy, dia omeo ny rahalahin-drainy ny lovany. 11  Raha tsy manan-drahalahy kosa ny rainy, dia omeo an’izay havany akaiky indrindra ao amin’ny fokony ny lovany, ka ho lasan’io ilay izy. Ho lalàna ho an’ny Israelita izany didim-pitsarana izany, araka ny didy nomen’i Jehovah an’i Mosesy.’” 12  Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: “Miakara eo amin’io tendrombohitr’i Abarima io,+ dia tazano ilay tany homeko ny Israelita.+ 13  Rehefa hitanao ilay izy, dia hangonina any amin’ny razambenao* ianao,+ hoatran’i Arona rahalahinao.+ 14  Tamin’ilay vahoaka nila ady tamiko tany an-tany efitr’i Zina mantsy, dia nikomy tsy nanaraka ny didiko ianareo, ka tsy nanamasina ahy teo anatrehan’ny vahoaka. Teo amin’ny rano+ tao Meriba,+ tao Kadesy,+ tany an-tany efitr’i Zina,+ izany no nitranga.” 15  Ary hoy i Mosesy tamin’i Jehovah: 16  “Ry Jehovah Andriamanitra mpanome aina ny olona* rehetra ô! Manendre lehilahy iray hitondra ny vahoaka, 17  mba ho mpitarika azy amin’ny zava-drehetra, izany hoe hitarika azy amin’izay rehetra ataony,* amin’izay tsy ho hoatran’ny ondry tsy misy mpiandry ny vahoakan’i Jehovah.” 18  Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Alaivo i Josoa zanak’i Nona, fa manana ny toetra ilaina mba ho mpitarika izy. Dia ametraho tanana izy.+ 19  Ary asaivo mijoro eo anatrehan’i Eleazara mpisorona sy ny vahoaka manontolo izy, dia tendreo ho mpitarika eo imason’izy ireo.+ 20  Ary zarao aminy ny fahefanao,*+ mba hihaino azy ny vahoakan’Israely manontolo.+ 21  Hijoro eo anatrehan’i Eleazara mpisorona izy, ary rehefa manam-panontaniana izy, dia i Eleazara no hanontany eo anatrehan’i Jehovah, amin’ny alalan’ny fitsaran’ny Orima.+ Dia izay baiko azo eo no harahin’izy rehetra,* dia izy sy ny Israelita rehetra, izany hoe ny vahoaka manontolo.” 22  Koa nanao an’izay nasain’i Jehovah nataony i Mosesy. Nalainy i Josoa ka nasainy nijoro teo anatrehan’i Eleazara mpisorona sy ny vahoaka manontolo. 23  Dia nametra-tanana tamin’i Josoa izy ka nanendry azy,+ araka izay nolazain’i Jehovah tamin’ny alalan’i Mosesy.+

Fanamarihana

Oha-teny ilazana ny hoe ho faty.
Abt: “Andriamanitry ny fanahin’ny nofo.”
Abt: “mba hivoaka sy hiditra eo alohany, ary hitarika azy ireo hivoaka sy hiditra.”
Abt: “voninahitrao.”
Abt: “Araka ny baikony no hivoahan’izy ireo, ary araka ny baikony no hidiran’izy ireo.”