Nomery 28:1-31

  • Toromarika momba ny fanatitra isan-karazany (1-31)

    • Isan’andro (1-8)

    • Rehefa Sabata (9, 10)

    • Isam-bolana (11-15)

    • Rehefa Paska (16-25)

    • Rehefa Fetin’ireo Herinandro (26-31)

28  Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy:  “Lazao amin’ny Israelita izao didy izao: ‘Tandremo sao hadinonareo ny manolotra ny fanatitra, izany hoe ny sakafo tokony homena ahy. Tsy maintsy atolotra amin’ny fotoana voatondro ny fanatitra atao anaty afo, mba ho hanitra mahafinaritra* ahy.’+  “Lazao aminy hoe: ‘Izao no fanatitra atao anaty afo hatolotrareo ho an’i Jehovah: Ondrilahy kely roa tsy misy kilema herintaona avy, ho fanatitra dorana atolotra tsy tapaka.+  Hatolotrao amin’ny maraina ny ondrilahy kely iray, fa ny iray kosa amin’ny takariva.*+  Ny ondrilahy tsirairay dia hampiarahina amin’ny fanatitra varimbazaha, izany hoe lafarinina tsara toto ampahafolon’ny efaha,* afangaro menaka ampahefatry ny hina* avy amin’ny oliva voatoto.+  Fanatitra dorana atolotra tsy tapaka izany,+ araka ny didy nomena teo amin’ny Tendrombohitra Sinay, mba ho hanitra mahafinaritra,* ho fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah.  Hampiarahina amin’ny fanatitra zava-pisotro ampahefatry ny hina koa ny ondrilahy tsirairay.+ Dia araraho ho an’i Jehovah eo amin’ny toerana masina ilay fanatitra zava-pisotro misy alkaola.  Ary atolory amin’ny takariva* ny ondrilahy kely iray, dia ampiaraho amin’ny fanatitra varimbazaha mitovy amin’ilay atao amin’ny maraina, sy ny fanatitra zava-pisotro mitovy amin’ilay teo aloha, mba ho fanatitra atao anaty afo ka ho hanitra mahafinaritra* an’i Jehovah.+  “‘Izao kosa no hatolotra amin’ny andro sabata:+ Ondrilahy kely roa tsy misy kilema herintaona avy, sy lafarinina tsara toto roa ampahafolon’ny efaha ho fanatitra varimbazaha afangaro menaka, ary ny fanatitra zava-pisotro ampiarahina aminy. 10  Izany no fanatitra dorana atolotra isaky ny Sabata, miaraka amin’ny fanatitra dorana atolotra tsy tapaka sy ny fanatitra zava-pisotro ampiarahina aminy.+ 11  “‘Ireto no hatolotrareo ho fanatitra dorana ho an’i Jehovah, isaky ny voalohan’ny volana: Vantotr’ombilahy roa, sy ondrilahy iray, ary ondrilahy kely fito tsy misy kilema herintaona avy.+ 12  Ny vantotr’ombilahy tsirairay dia hampiarahina amin’ny lafarinina tsara toto telo ampahafolon’ny efaha nafangaro menaka, izay atao fanatitra varimbazaha.+ Ilay ondrilahy kosa hampiarahina amin’ny lafarinina tsara toto roa ampahafolon’ny efaha, nafangaro menaka, izay atao fanatitra varimbazaha.+ 13  Ary ny ondrilahy kely tsirairay dia hampiarahina amin’ny lafarinina tsara toto ampahafolon’ny efaha, nafangaro menaka, izay atao fanatitra varimbazaha. Hatao fanatitra dorana izany mba ho hanitra mahafinaritra,*+ ho fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah. 14  Ny fanatitra zava-pisotro hampiarahina amin’ireo, dia divay antsasaky ny hina isaky ny ombilahy,+ ary ampahatelon’ny hina no hampiarahina amin’ilay ondrilahy,+ ary ampahefatry ny hina kosa isaky ny ondrilahy kely.+ Izany no fanatitra dorana atolotra isam-bolana, mandritra ny taona. 15  Zanak’osy iray koa no tokony hatolotra ho an’i Jehovah mba ho fanatitra noho ny ota, ankoatra ny fanatitra dorana atolotra tsy tapaka sy ny fanatitra zava-pisotro ampiarahina aminy. 16  “‘Ny andro faha-14 amin’ny volana voalohany no hankalazana ny Paskan’i Jehovah.+ 17  Hisy fety kosa amin’ny andro faha-15 amin’io volana io. Mofo tsy misy lalivay no hohanina mandritra ny fito andro.+ 18  Hisy fivoriambe masina amin’ny andro voalohany. Aza manao asa mafy, na inona izany na inona. 19  Ireto no hatolotrareo ho fanatitra atao anaty afo, ho fanatitra dorana ho an’i Jehovah: Vantotr’ombilahy roa, sy ondrilahy iray, ary ondrilahy kely fito izay herintaona avy. Biby tsy misy kilema no tokony hatolotrareo.+ 20  Ny fanatitra varimbazaha tokony hatolotrareo miaraka amin’ireo dia lafarinina tsara toto afangaro menaka,+ ka lafarinina telo ampahafolon’ny efaha no hampiarahina amin’ny ombilahy tsirairay, ary roa ampahafolon’ny efaha no hampiarahina amin’ilay ondrilahy. 21  Lafarinina ampahafolon’ny efaha kosa no hatolotrao isaky ny ondrilahy kely amin’ny ondrilahy kely fito. 22  Manolora koa osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, mba handrakofana ny fahotanareo. 23  Ireo no hatolotrareo ankoatra ny fanatitra dorana isa-maraina, izay atolotra tsy tapaka. 24  Tokony hitovy foana ny ataonareo rehefa manolotra fanatitra isan’andro mandritra ny fito andro ianareo, dia ny sakafo* omena ahy, ho fanatitra atao anaty afo, mba ho hanitra mahafinaritra* an’i Jehovah. Tokony hampiarahina amin’ny fanatitra dorana atolotra tsy tapaka sy ny fanatitra zava-pisotro miaraka aminy izany fanatitra izany. 25  Ary manaova fivoriambe masina amin’ny andro fahafito.+ Aza manao asa mafy, na inona izany na inona.+ 26  “‘Amin’ny andron’ny voaloham-bokatra,+ izany hoe amin’ny fetin’ireo herinandro,+ rehefa manolotra fanatitra varimbazaha vaovao ho an’i Jehovah ianareo,+ dia tokony hanao fivoriambe masina. Aza manao asa mafy, na inona izany na inona.+ 27  Ireto no hatolotrareo ho fanatitra dorana, mba ho hanitra mahafinaritra* an’i Jehovah: Vantotr’ombilahy roa, sy ondrilahy iray, ary ondrilahy kely fito izay herintaona avy.+ 28  Ny fanatitra varimbazaha izay hampiarahina amin’ireo dia lafarinina tsara toto afangaro menaka, ka lafarinina telo ampahafolon’ny efaha no hampiarahina amin’ny ombilahy tsirairay, ary roa ampahafolon’ny efaha no hampiarahina amin’ilay ondrilahy. 29  Lafarinina ampahafolon’ny efaha kosa no hatolotrareo isaky ny ondrilahy kely amin’ny ondrilahy kely fito. 30  Manolora koa zanak’osy iray handrakofana ny fahotanareo.+ 31  Ireo no hatolotrareo miaraka amin’ny fanatitra zava-pisotro, ankoatra ny fanatitra dorana atolotra tsy tapaka sy ny fanatitra varimbazaha ampiarahina aminy. Tsy tokony hisy kilema ireo biby ireo.+

Fanamarihana

Na: “mampitony.” Abt: “mitondra fitsaharana ho.”
Abt: “eo anelanelan’ny takariva roa.” Azo inoana hoe efa nilentika ny masoandro, saingy mbola tsy maizina ny andro.
Ampahafolon’ny efaha = 2,2 litatra. Jereo F.F. B14.
1 hina = 3,67 litatra. Jereo F.F. B14.
Na: “mampitony.” Abt: “mitondra fitsaharana.”
Abt: “eo anelanelan’ny takariva roa.” Azo inoana hoe efa nilentika ny masoandro, saingy mbola tsy maizina ny andro.
Na: “mampitony.” Abt: “mitondra fitsaharana ho.”
Na: “mampitony.” Abt: “mitondra fitsaharana.”
Abt: “mofo.”
Na: “mampitony.” Abt: “mitondra fitsaharana ho.”
Na: “mampitony.” Abt: “mitondra fitsaharana ho.”