Nomery 3:1-51

  • Ny zanakalahin’i Arona (1-4)

  • Nofidina hanao fanompoana ny Levita (5-39)

  • Navotana ny lahimatoa (40-51)

3  Ireto avy ny taranak’i Arona sy Mosesy, tamin’ilay andro niresahan’i Jehovah tamin’i Mosesy teo amin’ny Tendrombohitra Sinay.+  Ireto avy ny anaran’ny zanakalahin’i Arona: I Nadaba no lahimatoa, dia nanarakaraka azy i Abiho+ sy Eleazara+ ary Itamara.+  Ireo no anaran’ny zanak’i Arona, dia ny mpisorona voahosotra sy notendrena* ho mpisorona.+  Maty teo anatrehan’i Jehovah anefa i Nadaba sy Abiho. Nanolotra afo teo anatrehan’i Jehovah+ mantsy izy ireo tany an-tany efitr’i Sinay, nefa afo tsy nahazoana alalana ilay izy. Ary tsy nanan-janaka izy roa lahy. I Eleazara+ sy Itamara+ kosa mbola nanao ny asan’ny mpisorona niaraka tamin’i Arona rainy.  Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy:  “Asaivo manatona ny fokon’i Levy,+ dia asaivo mijoro eo anatrehan’i Arona mpisorona mba hanampy azy.+  Hanao ny andraikiny aminy sy amin’ny vahoaka manontolo, eo anoloan’ny tranolay fihaonana, izy ireo ka hanao ny fanompoany mifandray amin’ny tranolay masina.  Ary hikarakara ny fitaovana rehetra+ ao amin’ny tranolay fihaonana izy ireo, sady hanao ny andraikiny amin’ny Israelita, ka hanao fanompoana mifandray amin’ny tranolay masina.+  Omeo an’i Arona sy ny zanany lahy ny Levita. Fanomezana* izy ireo ary omen’ny Israelita+ an’i Arona. 10  Ary tendreo hanao ny asan’ny mpisorona+ i Arona sy ny zanany lahy. Hovonoina ho faty izay olona tsy nahazo alalana* nefa manakaiky ny toerana masina.”+ 11  Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: 12  “Alaiko avy amin’ny Israelita ny Levita, mba ho solon’ny lahimatoa rehetra eo amin’ny Israelita.+ Dia ho ahy ny Levita, 13  fa ahy ny lahimatoa rehetra.+ Tamin’ilay andro namonoako ny lahimatoa rehetra tany Ejipta,+ dia nohamasiniko ho ahy izay lahy teraka voalohany rehetra teo amin’ny Israely, na olona na biby.+ Dia ho ahy ireny. Izaho no Jehovah.” 14  Hoy ihany i Jehovah tamin’i Mosesy tany an-tany efitr’i Sinay:+ 15  “Soraty ny anaran’ireo zanakalahin’i Levy, araka ny fianakaviambeny sy araka ny fianakaviany. Soraty ny anaran’izay lahy rehetra iray volana no ho miakatra.”+ 16  Dia nosoratan’i Mosesy ny anaran’izy ireo, araka izay nandidian’i Jehovah azy. 17  Ireto avy ny anaran’ny zanakalahin’i Levy: Gersona sy Kehata ary Merary.+ 18  Ireto kosa no anaran’ny zanakalahin’i Gersona, araka ny fianakaviany avy: Libny sy Simey.+ 19  Ny zanakalahin’i Kehata, araka ny fianakaviany avy, dia i Amrama, Jizara, Hebrona, ary Oziela.+ 20  Ny zanakalahin’i Merary, araka ny fianakaviany avy, dia i Maly+ sy Mosy.+ Ireo no fianakavian’ny Levita, araka ny fianakaviambeny. 21  Avy tamin’i Gersona ny fianakavian’ny Libnita+ sy ny fianakavian’ny Simeita. Ireo no fianakavian’ny Gersonita. 22  Ny lahy rehetra iray volana no ho miakatra no nosoratana anarana, ka 7 500+ ny isan’izy ireo. 23  Tao ambadiky ny tranolay masina,+ teo andrefana, ny fianakavian’ny Gersonita no nitoby. 24  I Eliasafa zanak’i Laela no mpiadidy teo amin’ny fianakaviamben’ny Gersonita. 25  Ary ny andraikitry ny taranak’i Gersona+ tao amin’ny tranolay fihaonana dia ny nikarakara ny tranolay,+ ny rakotra,+ ny lamba fanakonana+ an’ilay fidirana* mankao amin’ny tranolay fihaonana, 26  ny fefy lamban’ny+ tokotany, ny lamba fanakonana+ an’ilay fidirana* mankao amin’ny tokotany manodidina ny tranolay sy ny alitara, ny tady fanenjanan-day, ary izay rehetra ampiasaina amin’ny fanompoana mifandray amin’ireny. 27  Avy tamin’i Kehata ny fianakavian’ny Amramita, ny fianakavian’ny Jizarita, ny fianakavian’ny Hebronita, ary ny fianakavian’ny Ozielita. Ireo no fianakavian’ny Kehatita.+ 28  Nisy 8 600 ny lahy rehetra iray volana no ho miakatra. Andraikitr’izy ireo ny mikarakara ny toerana masina.+ 29  Nitoby teo atsimon’ny tranolay+ ireo fianakavian’ny taranak’i Kehata. 30  I Elizafana zanak’i Oziela+ no mpiadidy teo amin’ny fianakaviamben’ny* Kehatita. 31  Andraikitr’izy ireo ny nikarakara ny Vata,+ ny latabatra,+ ny fitoeran-jiro,+ ireo alitara,+ ny fitaovana+ ampiasaina rehefa manompo ao amin’ny toerana masina, ny lamba fanakonana,*+ ary izay rehetra ampiasaina amin’ny fanompoana mifandray amin’ireny.+ 32  I Eleazara+ zanak’i Arona mpisorona no lehiben’ny mpiadidy teo amin’ny Levita. Izy no mpiandraikitra an’izay nanana andraikitra tao amin’ny toerana masina. 33  Ary avy tamin’i Merary ny fianakavian’ny Malita sy ny fianakavian’ny Mosita. Ireo no fianakavian’i Merary.+ 34  Nisy 6 200+ ny lahy rehetra iray volana no ho miakatra voasoratra anarana. 35  I Zoriela zanak’i Abihaila no mpiadidy teo amin’ny fianakaviamben’i Merary. Nitoby teo avaratry ny tranolay+ izy ireo. 36  Ny taranak’i Merary no niandraikitra sy nanara-maso ny rafitry+ ny tranolay, ny barany,+ ny andry,+ ny faladia itsatohany, ny fitaovany rehetra,+ ary izay rehetra ampiasaina amin’ny fanompoana mifandray amin’ireny.+ 37  Andraikiny koa ny andry manodidina ny tokotany, ny faladia itsatohany,+ ny fantsika be fanenjanan-day, ary ny tady fanenjanan-day. 38  I Mosesy, miaraka amin’i Arona sy ny zanany lahy, no nitoby teo alohan’ny tranolay, teo atsinanana, izany hoe teo anoloan’ny tranolay fihaonana, tandrifin’ny fiposahan’ny masoandro. Andraikitr’izy ireo ny nikarakara ny toerana masina, ary nanao an’izany izy ireo ho solon’ny Israelita. Hovonoina ho faty izay olona tsy nahazo alalana* nefa manakaiky ny toerana masina.+ 39  Nisy 22 000 ny Levita rehetra voasoratra anarana, dia ny lahy rehetra iray volana no ho miakatra. I Mosesy sy Arona no nanoratra ny anaran’izy ireo, araka ny fianakaviany avy, araka ny baikon’i Jehovah. 40  Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Soraty ny anaran’ny lahimatoa rehetra iray volana no ho miakatra, amin’ny Israelita.+ Isao izy ireo, dia ataovy lisitra ny anarany. 41  Ary alaivo ho ahy ny Levita, ho solon’ny lahimatoa rehetra amin’ny Israelita.+ Alaivo ho ahy koa ny biby fiompin’ny Levita, ho solon’ny voalohan-teraka rehetra amin’ny biby fiompin’ny Israelita.+ Izaho no Jehovah.” 42  Dia nosoratan’i Mosesy ny anaran’ny lahimatoa rehetra tamin’ny Israelita, araka ny didy nomen’i Jehovah azy. 43  Nisy 22 273 ny lahimatoa rehetra iray volana no ho miakatra voasoratra anarana. 44  Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: 45  “Alaivo ny Levita mba ho solon’ny lahimatoa rehetra amin’ny Israelita, ary ny biby fiompin’ny Levita ho solon’ny biby fiompin’izy ireo. Dia ho ahy ny Levita. Izaho no Jehovah. 46  Mihoatra 273 amin’ny Levita anefa ny isan’ny lahimatoan’ny Israelita.+ Mba hanavotana+ an’ireo mihoatra ireo, 47  dia makà dimy sekely* ho takalon’ny lahimatoa tsirairay,+ araka ny sekely fampiasa ao amin’ny toerana masina.* Ary 20 gera* ny iray sekely.+ 48  Dia omeo an’i Arona sy ny zanany lahy ilay vola hatao vidim-panavotana an’ireo olona mihoatra ireo.” 49  Koa nalain’i Mosesy ny vola hanavotana an’ireo Israelita nihoatra tamin’ny isan’ny Levita. 50  Avy tamin’ny lahimatoan’ny Israelita no nakany an’ilay vola, dia 1 365 sekely, araka ny sekely fampiasa ao amin’ny toerana masina. 51  Dia nomen’i Mosesy an’i Arona sy ny zanany lahy ny vola vidim-panavotana, araka ny tenin’i* Jehovah, dia araka ny didy nomen’i Jehovah an’i Mosesy.

Fanamarihana

Abt: “nofenoina ny tanany.”
Abt: “Nomena.”
Abt: “izay vahiny”, izany hoe lehilahy tsy anisan’ny taranak’i Arona.
Na: “ny ridaon’ilay fidirana.”
Na: “ny ridaon’ilay fidirana.”
Abt: “fianakaviamben’ireo fianakavian’ny.”
Na: “ridao.”
Abt: “izay vahiny”, izany hoe tsy Levita.
1 sekely = 11,4 g. Jereo F.F. B14.
Na: “araka ny sekely masina.”
1 gera = 0,57 g. Jereo F.F. B14.
Abt: “vavan’i.”