Nomery 30:1-16
30 Dia niresaka tamin’ireo lehibem-pokon’ny+ Israely i Mosesy, hoe: “Izao no didin’i Jehovah:
2 Raha mivoady+ amin’i Jehovah ny lehilahy iray, na mianiana+ ka mivoady* hoe hifady zavatra, dia tsy mahazo mivadika amin’ny teniny izy.+ Tokony hotanterahiny daholo izay rehetra nolazainy tao amin’ilay voady.+
3 “Ary raha misy tovovavy mbola mipetraka ao amin’ny rainy ka mivoady amin’i Jehovah, na mivoady hoe hifady zavatra,
4 ary henon’ny rainy ilay voady nataony, na ilay voadiny hoe hifady zavatra, nefa tsy manakana azy ny rainy, dia hanan-kery ny voadiny rehetra, ary hanan-kery koa izay voadiny hoe hifady zavatra.
5 Raha mandrara azy anefa ny rainy rehefa henony hoe nanao voady ilay zanany, na nivoady hoe hifady zavatra, dia tsy hanan-kery ilay voady. Hamela ny helok’ilay tovovavy i Jehovah, satria nandrara azy ny rainy.+
6 “Raha manambady kosa ilay vehivavy, ka mivoady na manao fampanantenana maimaika,
7 ary henon’ny vadiny ilay izy nefa tsy manakana azy ilay vadiny amin’ilay andro ahenoany an’ilay izy, dia hanan-kery ny voady ataon’ilay vehivavy, na ny voadiny hoe hifady zavatra.
8 Raha mandrara azy anefa ny vadiny amin’ilay andro ahenoany an’ilay izy, dia azon’ilay vadiny foanana ilay voady, na ilay fampanantenana maimaika nataon’ilay vehivavy.+ Ary hamela ny helok’ilay vehivavy i Jehovah.
9 “Raha vehivavy maty vady na nisara-bady indray no mivoady, dia ho voafatotry ny teniny rehetra izy.
10 “Fa raha ao an-tranon’ny vadiny kosa ny vehivavy no manao voady, na mivoady hoe hifady zavatra,
11 ary henon’ny vadiny ilay izy nefa tsy manakana azy ilay vadiny sady tsy miteny hoe tsy ekeny ilay izy, dia hanan-kery daholo ny voady rehetra nataon’ilay vehivavy, na izay voadiny hoe hifady zavatra.
12 Tsy hanan-kery anefa izay voady nataon’ilay vehivavy, na izay voadiny hoe hifady zavatra, na dia nianiana aza izy, raha nanafoana tanteraka an’ilay izy ny vadiny, tamin’ny andro nahenoany an’izany.+ Efa nofoanan’ny vadiny mantsy ilay izy. Ary hamela ny helok’ilay vehivavy i Jehovah.
13 Na inona na inona voady ataon’ilay vehivavy, na fianianana sy voady ataony hoe hifady zavatra na hampihafy* tena, dia ny vadiny no hampanan-kery na hanafoana an’ilay izy.
14 Raha tsy manakana azy mihitsy anefa ny vadiny rehefa mandeha ny fotoana, dia mampanan-kery ny voady rehetra nataon’ilay vehivavy izy, na ny voadiny rehetra hoe hifady zavatra. Mampanan-kery an’izany ilay lehilahy, satria tsy nanakana azy tamin’ilay andro nahenoany an’ilay vehivavy nanao an’ilay voady.
15 Fa raha manafoana an’izany kosa ilay lehilahy taorian’ilay andro nahenoany an’izany, dia izy no hizaka ny fahadisoan’ilay vehivavy.+
16 “Ireo no fitsipika nandidian’i Jehovah an’i Mosesy momba ny lehilahy sy ny vadiny, sy momba ny ray sy ny zanany vavy tanora mbola ao an-tranony.”