Nomery 34:1-29

  • Ny sisin-tanin’i Kanana (1-15)

  • Ireo lehilahy nasaina nizara an’ilay tany (16-29)

34  Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy:  “Omeo an’izao toromarika izao ny Israelita: ‘Hiditra ao Kanana ianareo,+ ka ireto avy ny sisin’ny tany Kanana, ilay tany homena ho lovanareo.+  “‘Ny sisiny atsimo amin’ny taninareo dia hanomboka any amin’ny tany efitr’i Zina eo akaikin’i Edoma. Ary hanomboka any amin’ny faran’ny Ranomasin-tsira* ilay izy,+ any atsinanana.  Hivily eo atsimon’ilay fiakarana Akrabima+ ny sisin-taninareo, dia hitohy hatrany Zina, ary any atsimon’i Kadesi-barnea+ ny farany. Hitatra hatrany Hazara-adara+ ilay izy ka hitohy hatrany Azmona.  Dia eo Azmona ilay izy no hivily mankany amin’ny Reniranon’i* Ejipta, ary any amin’ny Ranomasina* ny farany.+  “‘Ny Ranomasina Lehibe* sy ny morontsiraka indray no ho sisiny andrefana amin’ny taninareo. Io no ho sisiny andrefana amin’ny taninareo.+  “‘Izao kosa no ho sisiny avaratra amin’ny taninareo: Manomboka eo amin’ny Ranomasina Lehibe ilay izy, ka hatrany amin’ny Tendrombohitra Hora,+  ary avy eo amin’ny Tendrombohitra Hora ka hatrany Lebo-hamata,*+ ary any Zedada ny farany.+  Dia hitohy hatrany Zifrona ilay izy ka any Hazara-enana ny farany.+ Io no ho sisiny avaratra amin’ny taninareo. 10  “‘Farito ny sisin-taninareo any atsinanana, manomboka eo Hazara-enana ka hatrany Sefama. 11  Hanomboka eo Sefama ilay izy ka hitohy hatrany Ribla, hatrany atsinanan’i Aina, ary hidina ihany ka hanapaka ny tehezan-kavoana eny atsinanan’ny Ranomasin’i Kinereta,*+ 12  dia hitohy hatrany amin’ny Reniranon’i Jordana, ka any amin’ny Ranomasin-tsira ny farany.+ Izany no ho taninareo+ miaraka amin’ny sisin-tany manodidina azy.’” 13  Nomen’i Mosesy toromarika àry ny Israelita hoe: “Io ilay tany hozarainareo ho fanananareo, ka hatao antsapaka ny fizarana azy,+ araka ilay didy nomen’i Jehovah hoe homena ny foko sivy sy sasany io tany io. 14  Efa naka ny lovany mantsy ny fokon’ny taranaky ny Robenita isaky ny fianakaviambeny, sy ny fokon’ny taranaky ny Gadita isaky ny fianakaviambeny, ary ny antsasaky ny fokon’i Manase.+ 15  Ireo foko roa sy sasany ireo dia efa naka ny lovany etỳ atsinanan’ny faritr’i Jordana, tandrifin’i Jeriko, manandrify ny fiposahan’ny masoandro.”+ 16  Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: 17  “Ireto no anaran’ny lehilahy hizara an’ilay tany ho fanananareo: Eleazara+ mpisorona sy Josoa+ zanak’i Nona. 18  Ary haka mpiadidy iray isam-poko ianareo mba hizara an’ilay tany ho lovanareo.+ 19  Dia ireto no anaran’ireo lehilahy ireo: Kaleba+ zanak’i Jefone no avy amin’ny fokon’i Joda;+ 20  Semoela zanak’i Amihoda no avy amin’ny fokon’ny taranak’i Simeona;+ 21  Elidada zanak’i Kislona no avy amin’ny fokon’i Benjamina;+ 22  Boky mpiadidy zanak’i Jogly no avy amin’ny fokon’ny taranak’i Dana;+ 23  ny avy amin’ny taranak’i Josefa:+ Haniela mpiadidy zanak’i Efoda no avy amin’ny fokon’ny taranak’i Manase,+ 24  ary Kemoela mpiadidy zanak’i Siftana no avy amin’ny fokon’ny taranak’i Efraima;+ 25  Elizafana mpiadidy zanak’i Parnaka no avy amin’ny fokon’ny taranak’i Zebolona;+ 26  Paltiela mpiadidy zanak’i Azana no avy amin’ny fokon’ny taranak’i Isakara;+ 27  Ahihoda mpiadidy zanak’i Selomy no avy amin’ny fokon’ny taranak’i Asera;+ 28  ary Pedahela mpiadidy zanak’i Amihoda no avy amin’ny fokon’ny taranak’i Naftaly.”+ 29  Ireo no nasain’i Jehovah nizara an’ilay tany ho an’ny Israelita tao Kanana.+

Fanamarihana

Izany hoe ny Ranomasina Maty.
Na: “Lalan-driakan’i.” Jereo F.T.
Izany hoe ny Ranomasina Lehibe, na ny Ranomasina Mediterane.
Izany hoe ny Ranomasina Mediterane.
Na: “amin’ny sisin’ny faritr’i Hamata.”
Izany hoe ny farihin’i Genesareta, na ny Ranomasin’i Galilia.