Nomery 35:1-34

  • Tanàna ho an’ny Levita (1-8)

  • Tanàna fialokalofana (9-34)

35  Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy, teo amin’ny lemaka karakaina any Moaba, teo akaikin’ny Reniranon’i Jordana,+ tandrifin’i Jeriko:  “Teneno ny Israelita hoe omeo tanàna avy amin’ny lovany ny Levita mba hipetrahany.+ Homen’izy ireo ho an’ny Levita koa ny kijana manodidina an’ireo tanàna ireo.+  Hipetraka ao amin’ireny tanàna ireny ny Levita, fa ny kijana kosa ho an’ny biby fiompiny sy ny fananany ary ny bibiny hafa rehetra.  Ataovy 1 000 hakiho* miala avy eo amin’ny manda manodidina ny tanàna ny kijana homenareo ny Levita.  Any ivelan’ny tanàna, dia handrefy 2 000 hakiho amin’ny lafiny atsinanana ianareo, 2 000 hakiho amin’ny lafiny atsimo, 2 000 hakiho amin’ny lafiny andrefana, ary 2 000 hakiho amin’ny lafiny avaratra, ka ny tanàna no eo afovoany. Ireo no ho kijanan’ny tanànan’izy ireo.  “Ny tanàna homenareo ny Levita dia tanàna fialokalofana 6 handosiran’izay nahafaty olona,+ miampy tanàna 42 ankoatra an’ireo.+  Tanàna 48 miaraka amin’ny kijanany àry no homenareo ny Levita.+  Avy amin’ny tanin’ny Israelita ireo tanàna homenareo ny Levita ireo.+ Izay foko lehibe kokoa no hakanareo betsaka, ary izay foko kely kokoa hakanareo kely.+ Samy hanome amin’ny tanànany ho an’ny Levita ny foko tsirairay, arakaraka ny lova azony.”  Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: 10  “Teneno ny Israelita hoe: ‘Hiampita an’i Jordana izao ianareo, dia ho any Kanana.+ 11  Fidio izay tanàna mety aminareo, mba hatao tanàna fialokalofana handosiran’izay nahafaty olona tsy nahy.+ 12  Ho fialokalofana ho anareo ireny tanàna ireny, mba tsy ho tratran’ny mpamaly ra ianareo.+ Amin’izay dia tsy ho faty izay nahafaty olona, alohan’ny hitsarana azy eo anatrehan’ny vahoaka.+ 13  Izany no hampiasana ny tanàna fialokalofana enina homenareo. 14  Tanàna telo no homenareo etỳ ampitan’i Jordana,+ ary telo kosa any Kanana,+ mba hatao tanàna fialokalofana. 15  Ho fialokalofana ho an’ny Israelita sy ny vahiny+ ary ny mpiavy ireo tanàna enina ireo, mba handosiran’izay nahafaty olona tsy nahy.+ 16  “‘Raha fitaovana vy no namelezany an’ilay olona ka maty ilay olona, dia mpamono olona izy. Tsy maintsy vonoina ho faty ilay mpamono olona.+ 17  Raha vato mety hahafaty no namelezany azy ka maty ilay olona, dia mpamono olona izy. Tsy maintsy vonoina ho faty ilay mpamono olona. 18  Ary raha fitaovana vita amin’ny hazo mety hahafaty no namelezany azy ka maty ilay olona, dia mpamono olona izy. Tsy maintsy vonoina ho faty ilay mpamono olona. 19  “‘Ny mpamaly ra no hamono ho faty an’ilay mpamono olona. Izy no hamono azy ho faty rehefa mahita azy. 20  Ary raha maty ilay olona fa natosiny satria halany, na notorahany satria tiany hovonoina,*+ 21  na raha nasiany ilay olona satria halany ka maty, dia tsy maintsy vonoina ho faty ilay namely. Mpamono olona izy. Hamono azy ho faty ny mpamaly ra rehefa mahita azy. 22  “‘Raha tsy nampoiziny kosa fa voatosiny ilay olona na voatorany zavatra, nefa tsy halany na tsy tiany hovonoina,*+ 23  na raha tsy hitany ilay olona ka voazerany vato, nefa izy tsy fahavalon’ilay olona na te hanisy ratsy azy, ka maty ilay olona, 24  dia hotsarain’ny fiangonana araka ireo didy ireo ilay namely sy ny mpamaly ra.+ 25  Avy eo dia hovonjen’ny fiangonana mba tsy ho tratran’ny mpamaly ra ilay nahafaty olona, ka haverina any amin’ilay tanàna fialokalofana efa nalehany tamin’izy nandositra. Hipetraka any izy mandra-pahafatin’ny mpisoronabe izay nohosorana menaka masina.+ 26  “‘Raha mivoaka an’ilay faritry ny tanàna fialokalofana nalehany anefa ilay nahafaty olona, 27  ary hitan’ny mpamaly ra any ivelan’ny faritr’ilay tanàna izy ka vonoiny, dia tsy ho meloka ho nandatsa-dra ilay mpamaly ra. 28  Tsy maintsy mipetraka ao amin’ny tanàna fialokalofana mantsy ilay nahafaty olona, mandra-pahafatin’ny mpisoronabe. Fa rehefa maty ilay mpisoronabe, dia mahazo miverina any amin’ny taniny izy.+ 29  Izany no lalàna harahinareo hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby, rehefa mitsara an’ireo raharaha ireo ianareo, any amin’izay tany ipetrahanareo. 30  “‘Izay mahafaty olona dia tokony hovonoina ho faty, satria mpamono olona.+ Tokony hisy vavolombelona manamarina an’izany anefa.+ Tsy misy azo vonoina ho faty kosa raha iray monja ny vavolombelona. 31  Aza mandray vidim-panavotana hamonjena ny ain’ny mpamono olona izay mendrika ny ho faty. Tsy maintsy vonoina ho faty mantsy izy.+ 32  Ary aza mandray vidim-panavotana homen’izay nandositra tany amin’ny tanàna fialokalofana mba hamelana azy hody any amin’ny taniny alohan’ny hahafatesan’ny mpisoronabe. 33  “‘Aza mandoto ny tany misy anareo. Mandoto ny tany mantsy ny ra.+ Tsy misy fandrakofam-pahotana ho an’ilay tany raha misy ra nalatsaka teo amin’ilay izy, afa-tsy ny ran’izay nandatsaka an’izany ihany.+ 34  Aza mandoto an’ilay tany ipetrahanareo, izay sady onenako koa. Fa izaho Jehovah dia monina eo afovoan’ny vahoakan’Israely.’”+

Fanamarihana

1 hakiho = 44,5 sm. Jereo F.F. B14.
Abt: “tamin’izy niafina niandriandry azy.”
Abt: “tsy niafina niandriandry azy izy.”