Nomery 36:1-13

  • Lalàna momba ny vehivavy mpandova (1-13)

36  Dia nanatona an’i Mosesy sy ireo mpiadidy teo amin’ny Israelita ny lohan’ny fianakaviamben’ny* taranak’i Gileada, zanak’i Makira,+ zanak’i Manase, avy tamin’ny fianakaviamben’ny taranak’i Josefa.  Dia hoy izy ireo: “Nomen’i Jehovah didy ny tompoko mba hizara ny tany ho lovan’ny Israelita amin’ny alalan’ny antsapaka.+ Nodidian’i Jehovah koa ny tompoko mba hanome ny lovan’i Zelofada rahalahinay ho an’ny zanany vavy.+  Raha manambady lehilahy avy amin’ny foko hafa amin’ny Israelita anefa izy ireo, dia hesorina amin’ny lovan’ny razambenay ny lovan-dry zareo, ka hitambatra amin’ny lovan’ny fokon’izay olona ho vadiny. Dia hesorina amin’ny lova nomena anay tamin’ny antsapaka izany.  Ary rehefa tonga ny Jobily+ ho an’ny vahoakan’Israely, dia hatambatra amin’ny lovan’ny fokon’izay olona ho vadiny ny lovan-dry zareo, ka hesorina amin’ny lovan’ny fokon’ny razambenay.”  Dia notenenin’i Mosesy ny Israelita, araka ny baikon’i Jehovah, hoe: “Marina izany tenin’ny fokon’ny taranak’i Josefa izany.  Izao àry no didin’i Jehovah ho an’ny zanakavavin’i Zelofada: ‘Afaka manambady an’izay tiany izy ireo, nefa tokony ho ao amin’ny fianakavian’ny fokon’ny rainy ihany.  Tsy misy lova tokony hafindrafindra foko eo amin’ny Israelita, fa samy tokony hitazona ny lovan’ny fokon’ny razambeny izy ireo.  Izay anisan’ny taranaky ny fokon’ny rainy ihany no tokony ho vadin’ny zanakavavy rehetra manana lova eo amin’ny fokon’ny Israely.+ Amin’izay dia samy hitazona ny lovan’ny razambeny ny Israelita.  Tsy misy lova tokony hafindrafindra foko eo amin’ny Israelita, fa samy tokony hitazona ny lovany avy ny fokon’ny Israely.’” 10  Dia nanao an’izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy ny zanakavavin’i Zelofada.+ 11  Nanambady an’ireo zanaky ny rahalahin-drainy àry i Mahala sy Tirza sy Hogla sy Milka ary Noa, zanakavavin’i Zelofada.+ 12  Lasa vadin’ny lehilahy tao amin’ny fianakavian’ny taranak’i Manase, zanak’i Josefa, izy ireo. Amin’izay dia hijanona ao amin’ny fokon’ny fianakavian’ny rainy ihany ny lovan’izy ireo. 13  Ireo no didy sy didim-pitsarana nomen’i Jehovah ny Israelita tamin’ny alalan’i Mosesy, teo amin’ny lemaka karakaina any Moaba, teo akaikin’ny Reniranon’i Jordana, tandrifin’i Jeriko.+

Fanamarihana

Abt: “fianakaviamben’ireo fianakavian’ny.”