Nomery 7:1-89

  • Fanatitra tamin’ny fitokanana ny tranolay masina (1-89)

7  Rehefa voatsangan’i Mosesy ny tranolay masina,+ dia nohosorany+ sy nohamasininy tamin’iny andro iny ihany ilay tranolay sy ny kojakojany rehetra, ary ny alitara sy ny fitaovany rehetra.+ Rehefa avy nohosorany sy nohamasininy ireny,+  dia nanao fanatitra ny mpiadidy teo amin’ny Israely,+ izany hoe ireo lohan’ny fianakaviambe. Ireo mpiadidy teo amin’ny foko ireo no nanara-maso ny fanisam-bahoaka,  ary nitondra ny fanatiny teo anatrehan’i Jehovah, dia sarety enina mitafo sy omby 12, ka sarety iray no nomen’ny mpiadidy roa, ary ombilahy iray no nomen’ny mpiadidy tsirairay. Dia nentin’izy ireo teo anoloan’ny tranolay masina ireny.  Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy:  “Raiso ireo fanatitra nomeny ireo, satria ireo no hampiasaina amin’ny fanompoana ao amin’ny tranolay fihaonana. Tokony homenao ny Levita ireo, araka izay ilain’ny tsirairay amin’ny andraikiny.”  Noraisin’i Mosesy àry ireo sarety sy omby ireo dia nomeny ny Levita.  Nomeny sarety roa sy omby efatra ny taranak’i Gersona, fa izany no nilainy mba hamitany ny andraikiny.+  Ny taranak’i Merary indray nomeny sarety efatra sy omby valo, fa izany no nilainy mba hamitany ny andraikiny. Ary i Itamara zanak’i Arona mpisorona no niandraikitra azy ireo.+  Tsy nomeny na inona na inona kosa ny taranak’i Kehata, satria nifandray tamin’ny toerana masina+ ny fanompoana nataon’izy ireo, ary nolanjainy teny an-tsorony ny zava-masina.+ 10  Dia nanao fanatitra indray ny mpiadidy rehefa notokanana+ ny alitara, tamin’ny andro nanosorana an’ilay izy. Rehefa nanolotra ny fanatiny teo anoloan’ny alitara izy ireo, 11  dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Mpiadidy iray isan’andro no hanolotra fanatitra hitokanana ny alitara.” 12  I Nasona+ zanak’i Aminadaba avy amin’ny fokon’i Joda no nanolotra ny fanatiny tamin’ny andro voalohany. 13  Ny fanatitra nataony dia vilia volafotsy iray milanja 130 sekely,* sy vilia baolina volafotsy iray milanja 70 sekely, araka ny sekely fampiasa ao amin’ny toerana masina,*+ ary samy feno lafarinina tsara toto nafangaro menaka ireo vilia ireo, mba hatao fanatitra varimbazaha;+ 14  kaopy* volamena iray milanja 10 sekely feno emboka manitra; 15  vantotr’ombilahy iray sy ondrilahy iray ary ondrilahy kely iray tsy mihoatra ny herintaona, hatao fanatitra dorana;+ 16  zanak’osy iray hatao fanatitra noho ny ota;+ 17  ary omby roa sy ondrilahy dimy sy osilahy dimy ary ondrilahy kely dimy izay herintaona avy, hatao sorona iombonana.+ Ireo no fanatitr’i Nasona zanak’i Aminadaba.+ 18  Tamin’ny andro faharoa, dia i Netanela+ zanak’i Zoara, mpiadidy teo amin’ny fokon’i Isakara, no nanao fanatitra. 19  Ny nentiny hatao fanatitra dia vilia volafotsy iray milanja 130 sekely, sy vilia baolina volafotsy iray milanja 70 sekely, araka ny sekely fampiasa ao amin’ny toerana masina,+ ary samy feno lafarinina tsara toto nafangaro menaka ireo vilia ireo, mba hatao fanatitra varimbazaha;+ 20  kaopy volamena iray milanja 10 sekely feno emboka manitra; 21  vantotr’ombilahy iray sy ondrilahy iray ary ondrilahy kely iray tsy mihoatra ny herintaona, hatao fanatitra dorana;+ 22  zanak’osy iray hatao fanatitra noho ny ota;+ 23  ary omby roa sy ondrilahy dimy sy osilahy dimy ary ondrilahy kely dimy izay herintaona avy, hatao sorona iombonana.+ Ireo no fanatitr’i Netanela zanak’i Zoara. 24  Tamin’ny andro fahatelo, dia i Eliaba+ zanak’i Helona, mpiadidy teo amin’ny taranak’i Zebolona, 25  no nanao fanatitra, dia vilia volafotsy iray milanja 130 sekely, sy vilia baolina volafotsy iray milanja 70 sekely, araka ny sekely fampiasa ao amin’ny toerana masina,+ ary samy feno lafarinina tsara toto nafangaro menaka ireo vilia ireo, mba hatao fanatitra varimbazaha;+ 26  kaopy volamena iray milanja 10 sekely feno emboka manitra; 27  vantotr’ombilahy iray sy ondrilahy iray ary ondrilahy kely iray tsy mihoatra ny herintaona, hatao fanatitra dorana;+ 28  zanak’osy iray hatao fanatitra noho ny ota;+ 29  ary omby roa sy ondrilahy dimy sy osilahy dimy ary ondrilahy kely dimy izay herintaona avy, hatao sorona iombonana.+ Ireo no fanatitr’i Eliaba+ zanak’i Helona. 30  Tamin’ny andro fahefatra, dia i Elizora+ zanak’i Sedeora, mpiadidy teo amin’ny taranak’i Robena, 31  no nanao fanatitra, dia vilia volafotsy iray milanja 130 sekely, sy vilia baolina volafotsy iray milanja 70 sekely, araka ny sekely fampiasa ao amin’ny toerana masina,+ ary samy feno lafarinina tsara toto nafangaro menaka ireo vilia ireo, mba hatao fanatitra varimbazaha;+ 32  kaopy volamena iray milanja 10 sekely feno emboka manitra; 33  vantotr’ombilahy iray sy ondrilahy iray ary ondrilahy kely iray tsy mihoatra ny herintaona, hatao fanatitra dorana;+ 34  zanak’osy iray hatao fanatitra noho ny ota;+ 35  ary omby roa sy ondrilahy dimy sy osilahy dimy ary ondrilahy kely dimy izay herintaona avy, hatao sorona iombonana.+ Ireo no fanatitr’i Elizora+ zanak’i Sedeora. 36  Tamin’ny andro fahadimy, dia i Selomiela+ zanak’i Zorisaday, mpiadidy teo amin’ny taranak’i Simeona, 37  no nanao fanatitra, dia vilia volafotsy iray milanja 130 sekely, sy vilia baolina volafotsy iray milanja 70 sekely, araka ny sekely fampiasa ao amin’ny toerana masina,+ ary samy feno lafarinina tsara toto nafangaro menaka ireo vilia ireo, mba hatao fanatitra varimbazaha;+ 38  kaopy volamena iray milanja 10 sekely feno emboka manitra; 39  vantotr’ombilahy iray sy ondrilahy iray ary ondrilahy kely iray tsy mihoatra ny herintaona, hatao fanatitra dorana;+ 40  zanak’osy iray hatao fanatitra noho ny ota;+ 41  ary omby roa sy ondrilahy dimy sy osilahy dimy ary ondrilahy kely dimy izay herintaona avy, hatao sorona iombonana.+ Ireo no fanatitr’i Selomiela+ zanak’i Zorisaday. 42  Tamin’ny andro fahenina, dia i Eliasafa+ zanak’i Doela, mpiadidy teo amin’ny taranak’i Gada, 43  no nanao fanatitra, dia vilia volafotsy iray milanja 130 sekely, sy vilia baolina volafotsy iray milanja 70 sekely, araka ny sekely fampiasa ao amin’ny toerana masina,+ ary samy feno lafarinina tsara toto nafangaro menaka ireo vilia ireo, mba hatao fanatitra varimbazaha;+ 44  kaopy volamena iray milanja 10 sekely feno emboka manitra; 45  vantotr’ombilahy iray sy ondrilahy iray ary ondrilahy kely iray tsy mihoatra ny herintaona, hatao fanatitra dorana;+ 46  zanak’osy iray hatao fanatitra noho ny ota;+ 47  ary omby roa sy ondrilahy dimy sy osilahy dimy ary ondrilahy kely dimy izay herintaona avy, hatao sorona iombonana.+ Ireo no fanatitr’i Eliasafa+ zanak’i Doela. 48  Tamin’ny andro fahafito, dia i Elisama+ zanak’i Amihoda, mpiadidy teo amin’ny taranak’i Efraima, 49  no nanao fanatitra, dia vilia volafotsy iray milanja 130 sekely, sy vilia baolina volafotsy iray milanja 70 sekely, araka ny sekely fampiasa ao amin’ny toerana masina,+ ary samy feno lafarinina tsara toto nafangaro menaka ireo vilia ireo, mba hatao fanatitra varimbazaha;+ 50  kaopy volamena iray milanja 10 sekely feno emboka manitra; 51  vantotr’ombilahy iray sy ondrilahy iray ary ondrilahy kely iray tsy mihoatra ny herintaona, hatao fanatitra dorana;+ 52  zanak’osy iray hatao fanatitra noho ny ota;+ 53  ary omby roa sy ondrilahy dimy sy osilahy dimy ary ondrilahy kely dimy izay herintaona avy, hatao sorona iombonana.+ Ireo no fanatitr’i Elisama+ zanak’i Amihoda. 54  Tamin’ny andro fahavalo, dia i Gamaliela+ zanak’i Pedazora, mpiadidy teo amin’ny taranak’i Manase, 55  no nanao fanatitra, dia vilia volafotsy iray milanja 130 sekely, sy vilia baolina volafotsy iray milanja 70 sekely, araka ny sekely fampiasa ao amin’ny toerana masina,+ ary samy feno lafarinina tsara toto nafangaro menaka ireo vilia ireo, mba hatao fanatitra varimbazaha;+ 56  kaopy volamena iray milanja 10 sekely feno emboka manitra; 57  vantotr’ombilahy iray sy ondrilahy iray ary ondrilahy kely iray tsy mihoatra ny herintaona, hatao fanatitra dorana;+ 58  zanak’osy iray hatao fanatitra noho ny ota;+ 59  ary omby roa sy ondrilahy dimy sy osilahy dimy ary ondrilahy kely dimy izay herintaona avy, hatao sorona iombonana.+ Ireo no fanatitr’i Gamaliela+ zanak’i Pedazora. 60  Tamin’ny andro fahasivy, dia i Abidana+ zanak’i Gideony, mpiadidy+ teo amin’ny taranak’i Benjamina, 61  no nanao fanatitra, dia vilia volafotsy iray milanja 130 sekely, sy vilia baolina volafotsy iray milanja 70 sekely, araka ny sekely fampiasa ao amin’ny toerana masina,+ ary samy feno lafarinina tsara toto nafangaro menaka ireo vilia ireo, mba hatao fanatitra varimbazaha;+ 62  kaopy volamena iray milanja 10 sekely feno emboka manitra; 63  vantotr’ombilahy iray sy ondrilahy iray ary ondrilahy kely iray tsy mihoatra ny herintaona, hatao fanatitra dorana;+ 64  zanak’osy iray hatao fanatitra noho ny ota;+ 65  ary omby roa sy ondrilahy dimy sy osilahy dimy ary ondrilahy kely dimy izay herintaona avy, hatao sorona iombonana.+ Ireo no fanatitr’i Abidana+ zanak’i Gideony. 66  Tamin’ny andro fahafolo, dia i Ahiezera+ zanak’i Amisaday, mpiadidy teo amin’ny taranak’i Dana, 67  no nanao fanatitra, dia vilia volafotsy iray milanja 130 sekely, sy vilia baolina volafotsy iray milanja 70 sekely, araka ny sekely fampiasa ao amin’ny toerana masina,+ ary samy feno lafarinina tsara toto nafangaro menaka ireo vilia ireo, mba hatao fanatitra varimbazaha;+ 68  kaopy volamena iray milanja 10 sekely feno emboka manitra; 69  vantotr’ombilahy iray sy ondrilahy iray ary ondrilahy kely iray tsy mihoatra ny herintaona, hatao fanatitra dorana;+ 70  zanak’osy iray hatao fanatitra noho ny ota;+ 71  ary omby roa sy ondrilahy dimy sy osilahy dimy ary ondrilahy kely dimy izay herintaona avy, hatao sorona iombonana.+ Ireo no fanatitr’i Ahiezera+ zanak’i Amisaday. 72  Tamin’ny andro faha-11, dia i Pagiela+ zanak’i Okrana, mpiadidy teo amin’ny taranak’i Asera, 73  no nanao fanatitra, dia vilia volafotsy iray milanja 130 sekely, sy vilia baolina volafotsy iray milanja 70 sekely, araka ny sekely fampiasa ao amin’ny toerana masina,+ ary samy feno lafarinina tsara toto nafangaro menaka ireo vilia ireo, mba hatao fanatitra varimbazaha;+ 74  kaopy volamena iray milanja 10 sekely feno emboka manitra; 75  vantotr’ombilahy iray sy ondrilahy iray ary ondrilahy kely iray tsy mihoatra ny herintaona, hatao fanatitra dorana;+ 76  zanak’osy iray hatao fanatitra noho ny ota;+ 77  ary omby roa sy ondrilahy dimy sy osilahy dimy ary ondrilahy kely dimy izay herintaona avy, hatao sorona iombonana.+ Ireo no fanatitr’i Pagiela+ zanak’i Okrana. 78  Tamin’ny andro faha-12, dia i Ahira+ zanak’i Enana, mpiadidy teo amin’ny taranak’i Naftaly, 79  no nanao fanatitra, dia vilia volafotsy iray milanja 130 sekely, sy vilia baolina volafotsy iray milanja 70 sekely, araka ny sekely fampiasa ao amin’ny toerana masina,+ ary samy feno lafarinina tsara toto nafangaro menaka ireo vilia ireo, mba hatao fanatitra varimbazaha;+ 80  kaopy volamena iray milanja 10 sekely feno emboka manitra; 81  vantotr’ombilahy iray sy ondrilahy iray ary ondrilahy kely iray tsy mihoatra ny herintaona, hatao fanatitra dorana;+ 82  zanak’osy iray hatao fanatitra noho ny ota;+ 83  ary omby roa sy ondrilahy dimy sy osilahy dimy ary ondrilahy kely dimy izay herintaona avy, hatao sorona iombonana.+ Ireo no fanatitr’i Ahira+ zanak’i Enana. 84  Ireto no fanatitra avy tamin’ny mpiadidy teo amin’ny Israely rehefa notokanana sy nohosorana+ ny alitara: Vilia volafotsy 12, sy vilia baolina volafotsy 12, ary kaopy volamena 12.+ 85  Milanja 130 sekely avy ny vilia volafotsy tsirairay, ary 70 sekely avy ny vilia baolina tsirairay, ka 2 400 sekely, araka ny sekely fampiasa ao amin’ny toerana masina,+ ny lanjan’ny volafotsy rehetra nanaovana an’ireo vilia. 86  Ary milanja 10 sekely avy, araka ny sekely fampiasa ao amin’ny toerana masina, ireo kaopy volamena 12 feno emboka manitra, ka milanja 120 sekely ny volamena rehetra nanaovana an’ireo kaopy. 87  Ny biby rehetra natao fanatitra dorana dia ombilahy 12, ondrilahy 12, ondrilahy kely 12 izay herintaona avy, nampiarahina tamin’ny fanatitra varimbazaha, ary zanak’osy 12 natao fanatitra noho ny ota. 88  Ny biby rehetra natao sorona iombonana kosa dia ombilahy 24, ondrilahy 60, osilahy 60, ary ondrilahy kely 60 izay herintaona avy. Ireo no fanatitra natao tamin’ny fitokanana+ ny alitara, rehefa avy nohosorana+ izy io. 89  Isaky ny niditra tao amin’ny tranolay fihaonana mba hiresaka tamin’Andriamanitra* i Mosesy,+ dia naheno an’ilay feo niresaka taminy avy teo ambonin’ny saron’ilay+ Vata Misy ny Tenin’ny Vavolombelona, avy teo anelanelan’ny kerobima roa.+ Ary niresaka taminy Andriamanitra.

Fanamarihana

1 sekely = 11,4 g. Jereo F.F. B14.
Na: “araka ny sekely masina.”
Na: “vilia baolina kely.”
Abt: “taminy.”