Ohabolana 18:1-24

  • Tia tena sady tsy hendry izay mitokantokana (1)

  • Ny anaran’i Jehovah dia tilikambo mafy (10)

  • Heverin’ny mpanankarena hoe miaro azy ny harenany (11)

  • Hendry izay tsy mihaino feon-dakolosy tokana (17)

  • Misy namana mifikitra noho ny rahalahy (24)

18  Izay mitokantokana dia tsy mitady afa-tsy izay tiany fotsiny,Ka laviny* daholo rehefa mety ho fahendrena.  2  Tsy tian’ny tsisy saina ny ho lasa mahira-tsaina,Fa aleony mamoaka ny ao am-pony.+  3  Rehefa tonga ny ratsy fanahy, dia misy koa ny fanaovana tsinontsinona,Ary miaraka amin’ny fahafaham-baraka ny henatra.+  4  Rano lalina ny teny lazain’ny vavan’ny olona,+ Ary rano miboiboika ny loharanom-pahendrena.  5  Tsy tsara raha ny ratsy fanahy indray no iangarana,+Na hoe ny olo-marina indray no tsy omena rariny.+  6  Mahatonga fifamaliana ny tenin’ny tsisy saina,+Ary ny vavany no mahatonga azy ho voakapoka.+  7  Ny tenin’ny tsisy saina no mampidi-kizo azy.+Fandrika ho an’ny ainy koa ny zavatra lazainy.  8  Ny tenin’ny mpanendrikendrika dia hoatran’ny sakafo matsiro,*+Ka tonga dia midina any an-kibo.+  9  Izay kamo miasa,Dia rahalahin’ny mpandrava.+ 10  Ny anaran’i Jehovah dia tilikambo mafy.+ Mihazakazaka mankao ny olo-marina ka voaro.*+ 11  Amin’ny mpanankarena dia toy ny tanàna voaro mafy ny harenany.Heveriny hoe manda fiarovana izany.+ 12  Ho lavo izay manambony tena,+Ary hahazo voninahitra izay manetry tena.+ 13  Izay mamaly nefa mbola tsy nihaino akory,Dia tsisy saina sady ho afa-baraka.+ 14  Zakan’ny olona matanja-tsaina ny aretiny,+Fa iza kosa no mahazaka ny hakiviana?*+ 15  Miezaka hahazo fahalalana ny fon’ny mahira-tsaina,+Ary te hihaino fahalalana ny sofin’ny hendry. 16  Ny fanomezana ataon’ny olona dia manokatra lalana ho azy,+Ka mahatonga azy ho afaka hankeo anatrehan’ny olona ambony. 17  Hoatran’ny hoe izay miteny voalohany no marina,+Mandra-pahatongan’ny ankilany, izay manadihady tsara azy.*+ 18  Mampitsahatra fifandirana ny antsapaka,+Sady mamaha olana eo amin’ny* mpifahavalo samy matanjaka. 19  Sarotra kokoa noho ny mandresy tanàna voaro mafy ny mampitony rahalahy tezitra,+Ary mampisaraka olona ny fifandirana, toy ny bara vy hidim-bavahadin’ny tanàna misy manda.+ 20  Ho vokin’ny teniny* ny kibon’ny olona,+Ary ho vokin’ny teny avoakan’ny molony izy. 21  Samy vitan’ny lela na ny mamono na ny mamelona.+Izay tia mampiasa azy dia hijinja ny vokany.+ 22  Izay mahita vady tsara dia mahazo zava-tsoa,+Sady ankasitrahan’i Jehovah.+ 23  Mitalaho ny mahantra rehefa miteny,Fa mitrerona azy kosa ny mpanankarena. 24  Misy mpinamana vonona hifamotika,+Fa misy kosa namana mifikitra noho ny rahalahy aza.+

Fanamarihana

Na: “ataony tsinontsinona.”
Na: “zavatra atao teli-moka.”
Abt: “asandratra”, izany hoe tsy tratran’ny loza.
Na: “famoizam-po?”
Na: “izay mamotopototra azy.”
Abt: “Sady mampisaraka ny.”
Abt: “vavany.”