Ohabolana 24:1-34
24 Aza mitsiriritra ny olon-dratsy,Ary aza maniry mafy hiaraka aminy.+
2 Fa herisetra no saintsaininy ao am-pony ao,Ary ny ratsy nataony no resahin’ny molony.
3 Fahendrena no ilain’izay hanorina trano,*+Ary fahaiza-mandinika no ilaina mba hahamafy orina azy.
4 Fahalalana no mahatonga an’ireo efitranonyHo feno harena sarobidy sy mahafinaritra isan-karazany.+
5 Mahery ny lehilahy hendry,+Ary vao mainka mahery ny olona manam-pahalalana.
6 Tari-dalana tsara* no ilainao rehefa handeha hiady,+Ary handresy* izay manana mpanolo-tsaina* maro.+
7 Tsy ho takatry ny tsisy saina ny tena fahendrena,+Ary tsy hahita hotenenina izy eo am-bavahadin’ny tanàna.
8 Izay mitetika ny hanao ratsyDia hantsoina hoe mpamorona teti-dratsy raindahiny.+
9 Fahotana ny teti-dratsin’ny adala,*Ary tsy tian’ny olona ny mpanesoeso.+
10 Raha kivy ianao rehefa ao anatin’ny sarotra,*Dia ho kely ny herinao.
11 Vonjeo izay entina hovonoina,Ary avoty izay mangozohozo efa haringana.+
12 Raha hoy anefa ianao: “Tsy fantatray izany”,
Dia tsy ho fantatr’Ilay mandinika ny fo* ve ny eritreritrao?+
Ho fantatr’Ilay mandinika tsara anao izany,Ka hovaliany araka ny nataony avy ny olona tsirairay.+
13 Mihinàna tantely, anaka, fa tsara izany.Mamy ny tantely avy amin’ny toho-tantely.
14 Fantaro koa fa mahasoa anao* ny fahendrena.+
Raha mahazo an’izany ianao, dia ho tsara ny hoavinao,Ary tsy ho foana ny fanantenanao.+
15 Aza miafina eny akaikin’ny tranon’ny olo-marina ka mitetika ny hanafika azy,Ary aza ravana ny toerana onenany.
16 Mety ho lavo impito ny olo-marina, nefa ho tafarina ihany,+Fa ny ratsy fanahy kosa ho tafintohina noho ny loza.+
17 Aza mifaly raha lavo ny fahavalonao,Ary aza avela ho falifaly ny fonao raha tafintohina izy,+
18 Sao ho hitan’i Jehovah izany ka tsy ho faly Izy,Ary tsy ho tezitra amin’ilay fahavalonao intsony.+
19 Aza tezitra* noho ny ataon’ny olon-dratsy,Ary aza mitsiriritra ny ratsy fanahy.
20 Fa tsy ho tsara ny hoavin’ny olon-dratsy,+Ary ho faty ny jiron’ny ratsy fanahy.+
21 Matahora an’i Jehovah sy ny mpanjaka, anaka.+
Aza miarakaraka amin’ny mpikomy,*+
22 Fa ho tonga tampoka ny loza hanjo azy.+
Ka iza no mahalala an’izay loza hamelezan’izy ireo* an’ireny?+
23 Miteny koa ny hendry hoe:
Tsy tsara ny miangatra rehefa mitsara.+
24 Izay milaza amin’ny ratsy fanahy hoe: “Olo-marina ianao”,+
Dia hozonin’ny vahoaka sady homelohin’ny firenena.
25 Fa handeha tsara kosa ny fiainan’ireo mananatra ny ratsy fanahy,+Ary hotahina izy ireo ka hahazo zava-tsoa.+
26 Hohajain’ny olona izay* mitsotra ny marina.*+
27 Karakarao ny asanao eny ivelany, ary ataovy vonona daholo ny eny an-tsaha.Avy eo dia aoreno ny tranonao.*
28 Aza mijoro ho vavolombelona hiampanga olona tsy amin’antony.+
Aza mamitaka olona amin’izay lazain’ny vavanao.+
29 Aza miteny hoe: “Izay nataony tamiko ihany no hataoko aminy.Hovaliako izy* noho izay nataony.”+
30 Nandalo teo amin’ny tanimbolin’ny kamo aho,+Teo amin’ny tanimboaloboky ny tsy ampy saina.*
31 Hitako fa feno ahidratsy ilay izy,Sady rakotra tsilo,Ary nirodana ny tamboho vato nanodidina azy.+
32 Nodinihiko tsara izany ka nosaintsainiko,Hitako izany dia izao no lesona nianarako:*
33 Raha mbola hatory kely ihany ianao, mbola ho rendremana kely ihany,Ary mbola haka aina* kely ihany,
34 Dia ho avy tampoka hoatran’ny mpangalatra ny fahantranao,Ary ho tonga tampoka hoatran’ny lehilahy mitondra fiadiana ny fahasahirananao.+
Fanamarihana
^ Na: “tokantrano.”
^ Na: “Tari-dalana feno fahendrena.”
^ Na: “hahomby; ho voavonjy.”
^ Na: “mpanoro hevitra.”
^ Na: “ny tetika adaladala.”
^ Na: “rehefa misy olana.”
^ Na: “antony anaovana zavatra.”
^ Na: “mamy aminao.”
^ Na: “misafoaka.”
^ Na: “amin’izay te hitondra fanovana.”
^ Izany hoe Jehovah sy ny mpanjaka.
^ Abt: “Horohan’ny olona ny molotr’izay.”
^ Na mety hoe “Hoatran’ny hoe manoroka olona izay tsy miolakolaka rehefa mamaly.”
^ Na: “tokantranonao.”
^ Na: “Hamaly faty azy aho.”
^ Abt: “tsy misy fo.”
^ Abt: “Dia noraisiko izao anatra izao:”
^ Abt: “mbola hamoritra tanana ka haka aina.”