Ohabolana 27:1-27
27 Aza mirehareha ny amin’ny ampitso,Fa tsy fantatrao izay havoaky* ny andro tsirairay.+
2 Aleo ny olon-kafa* no hidera anao fa tsy ny vavanao,Ary aleo ny hafa* fa tsy ny molotrao.+
3 Samy mavesatra na ny vato na ny fasika,Fa ny hatezerana vokatry ny ataon’ny adala mbola mavesatra kokoa.+
4 Tsy misy antra izay misafoaka, ary mandravarava hoatran’ny tondra-drano izay tezitra,Fa iza kosa no mahatanty an’izay saro-piaro?*+
5 Aleo anatra tsy an-kifonofono, toy izay fitiavana afenina.+
6 Ny ratra ataon’ny namana no ahitana hoe tsy mivadika izy,+Fa be dia be* kosa ny oroky ny fahavalo.
7 Tsy raharahian’ny* voky ny tantely avy amin’ny toho-tantely,Fa mamy amin’ny noana kosa na dia ny zavatra mangidy aza.
8 Hoatran’ny vorona mandao* ny akaninyNy olona mandao ny tranony.
9 Mahatonga ny fo ho falifaly ny menaka sy ny emboka manitra,Dia hoatr’izany koa ny namana mahafinaritra, izay manoro hevitra amim-pahatsorana.+
10 Aza ilaozana ny namanao na ny naman’ny rainao,Ary aza miditra ao an-tranon’ny rahalahinao rehefa ao anatin’ny sarotra ianao.Aleo namana eo akaiky eo, toy izay rahalahy any lavitra any.+
11 Hendre, anaka, ary ampifalio ny foko,+Mba hamaliako an’ilay manaratsy ahy.+
12 Mahatsinjo ny loza ny malina ka miafina,+Fa izay tsy dia nahita fiainana* kosa mbola miroso ihany ka voa.*
13 Raha niantoka olona tsy fantany ny olona iray, dia alaivo ny akanjony.Raha niantoka vehivavy hafa firenena* izy, dia alaivo ny antoka nomeny.+
14 Izay mirary soa* ny namany vao maraina nefa miteny mafy be,Dia hoatran’ny hoe manozona azy ihany.
15 Toy ny tafo mitete tsy an-kijanona amin’ny andro manorana ny vehivavy tia ady.*+
16 Izay mahasakana azy dia mahasakana rivotra,Sady mahatazona menaka amin’ny tanany ankavanana.
17 Ny vy no mandranitra ny vy,Ary toy ny mandranitra ny namany* koa ny olona rehefa manampy azy.+
18 Izay mikarakara ny aviaviny no hihinana ny voany,+Ary izay mikarakara ny tompony no homena voninahitra.+
19 Azo itarafana ny tarehy ny rano,Dia hoatr’izany koa fa azo itarafana ny fo ny fon’olon-kafa.
20 Samy tsy mety afa-po mihitsy na ny Fasana* na ny toerana mahalò ny nofo,*+Ary tsy mety afa-po mihitsy koa ny mason’olombelona.
21 Natao ho an’ny volafotsy ny vilany fanadiovana metaly, ary ho an’ny volamena ny fatana fandrendrehana,+Dia hoatr’izany koa fa natao hitsapana ny olona* ny teny fiderana azy.
22 Na dia totoinao amin’ny fanoto aza ny adala,Hoatran’ny mitoto vary ao anaty laona,Dia mbola tsy hiala aminy ihany ny hadalany.
23 Fantaro tsara hoe manao ahoana ny andian’ondrinao.
Dia karakarao tsara ny ondrinao.*+
24 Fa tsy haharitra mandrakizay ny harena,+Ary tsy haharitra ho an’ny taranaka rehetra hifandimby koa ny satroboninahitra.*
25 Malazo ny ahi-maitso, dia misy ahitra vaovao mitsimoka,Ary angonina hohanin’ny biby fiompy ny zavamaniry eny an-tendrombohitra.
26 Ahazoanao akanjo ny vantotr’ondrilahy,Ary ahafahanao mividy tany ny osilahy.
27 Hanana rononon’osy ampy hataonao sakafo ianao,Sady ho ampy ho an’ny ankohonanao no ampy hiveloman’ny mpanompovavinao.
Fanamarihana
^ Abt: “hateraky.”
^ Abt: “vahiny.”
^ Abt: “vahiny.”
^ Na: “mialona.”
^ Na mety hoe “tsy avy amin’ny fo; terena.”
^ Abt: “Hitsakitsahin’ny.”
^ Na: “mandositra lavitra.”
^ Na: “voasazy.”
^ Na: “izay tanora fanahy.”
^ Na: “niantoka vahiny.”
^ Abt: “mitso-drano.”
^ Na: “vady mimenomenona lava.”
^ Abt: “ny tarehin’ny namany.”
^ Na: “na i Abadona.”
^ Na: “Dia hoatr’izany koa ny olona arakaraka.”
^ Na: “ataovy mifantoka amin’ny ondrinao ny fonao; tandremo tsara ny ondrinao.”
^ Na: “diadema.”