Ohabolana 3:1-35
-
Hendre dia matokia an’i Jehovah (1-12)
-
Manomeza voninahitra an’i Jehovah amin’ireo zava-tsarobidy anananao (9)
-
-
Sambatra ny olona mahita fahendrena (13-18)
-
Tsy ho tratran’ny loza izay manam-pahendrena (19-26)
-
Ny tokony hatao sy ny tsy tokony hatao amin’ny olona (27-35)
-
Manaova soa raha mbola azo atao (27)
-
3 Aza manadino ny fampianarako,* anaka,Ary enga anie ny fonao hankatò ny didiko!
2 Fa hahatonga anao ho lava andro iainana ireny,Ary hahatonga anao ho ela velona sy hiadana.+
3 Aza avela hiala aminao ny fitiavana sy ny tsy fivadihana.*+
Afatory eo amin’ny vozonao ireo toetra ireo,Ary soraty eo amin’ny fonao,+
4 Dia hahazo sitraka amin’Andriamanitra sy ny olona ianao,+Ka ho hitan’izy ireo hoe misaina tsara.
5 Matokia an’i Jehovah+ amin’ny fonao manontolo,Fa aza miantehitra* amin’ny fahaizanao.+
6 Eritrereto izy amin’izay rehetra ataonao,+Dia hataony mandeha tsara ny fiainanao.+
7 Aza mihevi-tena ho hendry,+
Fa matahora an’i Jehovah ka aza manao ratsy intsony.
8 Hanasitrana ny vatanao* izany,Sady hamelombelona ny taolanao.
9 Manomeza voninahitra an’i Jehovah amin’ireo zava-tsarobidy anananao,+Sy amin’ny voaloham-bokatrao* rehetra.+
10 Dia ho feno mitafotafo ny trano fitehirizam-bokatrao,+Ary ny divay vaovao hihoatra an’ireo fanantazanao divay.*
11 Aza lavina ny famaizan’i Jehovah, anaka,+Ary aza ankahalaina ny anatra omeny.+
12 Fa izay tian’i Jehovah no anariny,+Toy ny ataon’ny ray amin’ny zanaka tiany.+
13 Sambatra ny olona mahita fahendrena,+Sy ny olona lasa mahay mandinika.
14 Aleo mahazo fahendrena toy izay mahazo volafotsy,Ary mahazo tombony kokoa izay manana azy noho izay manana volamena.+
15 Sarobidy noho ny haran-dranomasina* izy io,Ary tsy misy azo ampitahaina aminy izay rehetra tianao.
16 Androm-piainana lava be no eny an-tanany ankavanana,Ary harena sy voninahitra no eny an-tanany ankavia.
17 Mahafinaritra ny lalany,Ary hahita fiadanana izay mandeha amin’ny lalany rehetra.+
18 Hazon’aina ho an’izay mitazona azy izy io,Ary izay mifikitra mafy aminy no hatao hoe sambatra.+
19 Nampiasa ny fahendreny i Jehovah tamin’izy nanorina ny tany,+
Ary nasehony hoe mahira-tsaina* izy tamin’izy nanao ny lanitra ho mafy orina.+
20 Ny fahalalany no nampisaraka ny rano lalina,Sy nahatonga ny lanitra hitete ando.+
21 Afantohy amin’izany* foana ny masonao, anaka.
Arovy ny fahendrena sy ny fahaiza-misaina,
22 Fa hahazoanao fiainana izany,Ary ho firavaka eo amin’ny tendanao.
23 Amin’izay dia handeha tsy manana ahiahy ianao eo amin’ny lalanao,Ary tsy ho tafintohina* mihitsy ny tongotrao.+
24 Tsy mba hatahotra ianao rehefa matory.+Hatory tokoa ianao ka ho mamy ny torimasonao.+
25 Tsy hatahoranao ny zavatra mampihorohoro tampoka,+Na ny oram-baratra mamely ny ratsy fanahy.+
26 Fa i Jehovah no ho tokinao,+Ary harovany mba tsy ho voafandrika ny tongotrao.+
27 Aza misalasala manao soa amin’izay tokony hanaovan-tsoa,*+Raha mbola azonao atao* ihany ny manampy.+
28 Aza miteny amin’ny namanao hoe: “Mandehana dia miverena amin’ny manaraka! Rahampitso ianao homeko”,
Nefa afaka manome eo no ho eo ihany ianao.
29 Aza mitetika ny hanisy ratsy ny namanao,+Nefa izy miara-monina aminao sady matoky anao.
30 Aza mifamaly tsy amin’antony amin’olona,+Raha tsy nanao ratsy anao izy.+
31 Aza mitsiriritra olona mahery setra,+Na mifidy ny lalany.
32 Halan’i Jehovah ny olona fetsifetsy,+Fa ataony namana akaiky kosa ny olona manao izay mahitsy.+
33 Ny ozon’i Jehovah dia ao an-tranon’ny ratsy fanahy,+Fa ny fitahiany kosa ao an-tranon’ny olo-marina.+
34 Esoesoiny mantsy izay maneso,+Fa ankasitrahany kosa ny mpandefitra.+
35 Hahazo voninahitra ny hendry,Fa zavatra manala baraka kosa no sarobidy amin’ny adala.+
Fanamarihana
^ Na: “lalàko.”
^ Na: “ny fahamarinana.”
^ Abt: “miankina.”
^ Abt: “foitranao.”
^ Na: “amin’izay tsara indrindra amin’ny tombony azonao.”
^ Na: “famiazam-boalobokao.”
^ Na: “mahay mandinika.”
^ Azo inoana hoe ireo toetran’Andriamanitra voaresak’ireo andininy eo aloha.
^ Na: “tsy hidona amin-javatra.”
^ Na: “amin’izay mila fanampiana.”
^ Na: “mbola vitan’ny tananao.”