Ohabolana 6:1-35
6 Raha nanaiky hiantoka olona nindram-bola ianao,+ anaka,Ary raha efa nifanaiky sy nifandray tanana* tamin’olon-kafa,+
2 Raha voafandrik’izay efa nampanantenainao ianao,Ka voafatotry ny teninao ihany,+
3 Dia efa eo am-pelatanan’ilay olona ianao, anaka,Ka izao atao raha te ho afaka ianao:
Mandehana manetry tena eo anatrehany, dia iangavio mafy izy.+
4 Aza avela hatory ny masonao,Ary aza avela ho rendremana raha tsy efa vitanao izany.
5 Afaho ny tenanao, hoatran’ny gazela mandositra avy eny an-tanan’ny mpihaza,Sy toy ny vorona mandositra avy eny an-tanan’ny mpamandri-borona.
6 Mandehana any amin’ny vitsika, ry ilay kamo,+Ary diniho ny fanaony ka mba hendre.
7 Na dia tsy manana mpitondra na mpiadidy na mpitarika aza izy,
8 Dia manangona sakafo rehefa fahavaratra,+Ary manangona hanina rehefa fotoam-pijinjana.
9 Mandra-pahoviana ianao, ry ilay kamo, no mbola hatory?
Rahoviana ianao vao hifoha amin’ny torimasonao?
10 Raha mbola hatory kely ihany ianao, mbola ho rendremana kely ihany,Ary mbola haka aina* kely ihany,+
11 Dia ho avy tampoka hoatran’ny mpangalatra ny fahantranao,Ary ho tonga tampoka hoatran’ny lehilahy mitondra fiadiana ny fahasahirananao.+
12 Mandehandeha mandaingalainga eny ny olona tsisy ilana azy sy ratsy fanahy.+
13 Mipy maso izy,+ sady manao fihetsika amin’ny tongony sy amin’ny rantsantanany mba hilazana zavatra.
14 Zava-dratsy ihany no ao am-pony,Dia mitetika ny hanao ratsy foana izy,+ sady tsy manao afa-tsy ny mampiady olona.+
15 Koa hamely azy tampoka ny loza.Ho torotoro ao anatin’ny indray mipy maso izy ka tsy ho sitrana intsony.+
16 Misy zavatra enina halan’i Jehovah,Eny, fito ny zavatra tena tsy tiany:
17 Ny maso mianjonanjona,*+ ny lela zatra mandainga,+ ny tanana mandatsaka ran’olona tsy manan-tsiny,+
18 Ny fo mamorona teti-dratsy,+ ny tongotra mihazakazaka hanao ratsy,
19 Ny vavolombelona mandainga izay efa tranon-dainga mihitsy,+Ary ny olona mampiady ny mpirahalahy.+
20 Araho, anaka, ny didin’ny rainao,Ary aza lavina ny tenin’ny* reninao.+
21 Ataovy ao am-ponao foana izany,Ary afatory eo amin’ny vozonao.
22 Hitari-dalana anao izany rehefa mandeha ianao.Hiambina anao koa izany rehefa matory ianao,Ary hiresaka aminao* rehefa mifoha ianao.
23 Fa jiro ny didy,+Hazavana ny lalàna,+Ary lalana mankany amin’ny fiainana ny anatra sy ny fanitsiana.+
24 Hiaro anao amin’ny vehivavy maditra izany,+Mba tsy ho babon’ny teny malefaka* ataon’ny vehivavy ratsy fitondran-tena* ianao.+
25 Aza mitsiriritra azy ao am-ponao satria hoe tsara tarehy izy,+Ary aza manaiky ho babon’ny masony manintona,
26 Fa ny vehivavy mpivaro-tena no mahatonga ny lehilahy tsy hanana afa-tsy sombi-mofo,+Ary ny vehivavy efa vadin’olona, mamelatra fandrika hamandrihana aina sarobidy.
27 Misy olona afaka manangona vainafo eo an-tratrany ve, nefa tsy ho may ny akanjony?+
28 Ary misy olona afaka mandeha eo ambony vainafo ve, nefa tsy ho may ny tongony?
29 Hoatr’izany izay lehilahy manao firaisana amin’ny vadin’olona.Tsy hisy ho afa-maina izay mikasika an’ilay vehivavy.+
30 Tsy ankahalain’ny olona ny mpangalatra,Raha mangalatra zavatra hahavoky azy satria noana.
31 Raha tratra anefa izy, dia hanonitra avo fito heny,Ka hanome ny zava-tsarobidy rehetra ao an-tranony.+
32 Tsy ampy saina* izay manitsakitsa-bady ka mijangajanga amin’ny vehivavy.Manimba tena izay manao an’izany.+
33 Haradratra sy ho afa-baraka izy,+Ary ho ratsy laza eny foana.+
34 Fa ny fahasarotam-piaro no mahatonga ny lehilahy ho tezitra mafy,Ary tsy hamindra fo mihitsy izy rehefa mamaly faty.+
35 Tsy hanaiky handray onitra* izy,Sady tsy hilefitra mihitsy, na dia omenao fanomezana lafo vidy aza.
Fanamarihana
^ Izany hoe nifandray tanana hoe hanome antoka.
^ Abt: “mbola hamoritra tanana ka haka aina.”
^ Na: “miavonavona.”
^ Na: “lalàn’ny.”
^ Na: “hampianatra anao.”
^ Na: “manangoly.”
^ Abt: “Tsy misy fo.”
^ Na: “vidim-panavotana.”