Ohabolana 8:1-36
8 Tsy ny fahendrena ve izany miantsoantso izany?
Ary tsy ny fahaiza-mandinika ve izany manao antso avo izany?+
2 Eny amin’ny toerana avoavo+ amoron-dalana izy no mijanona,Dia eny amin’ny sampanan-dalana.
3 Eny akaikin’ny vavahady mankao an-tanàna,Eo amin’ny vavahady fidirana,Izy no miantsoantso mafy be hoe:+
4 “Ianareo no antsoiko, rey olona e!Miantso ny olona rehetra* aho.
5 Ianareo mbola tsy dia nahita fiainana,* mba ianaro ny atao hoe malina.+Ary ianareo tsisy saina, miezaha hahira-tsaina.*
6 Henoy aho fa zava-dehibe no resahiko,Ary zavatra marina no lazain’ny molotro.
7 Fa mibitsibitsika fahamarinana ny vavako,Ary tena tsy tian’ny molotro ny zavatra ratsy.
8 Marina daholo izay lazain’ny vavako,
Fa tsy misy lainga na fitaka mihitsy.
9 Amin’ny olona mahay mandinika, dia mivantana daholo ny teniko,Ary amin’ny olona nahazo fahalalana, dia mety tsara izay lazaiko.
10 Ny anatra omeko no raiso, fa tsy ny volafotsy,Ary ny fahalalana, fa tsy ny volamena faran’izay tsara.+
11 Fa tsara noho ny haran-dranomasina* ny fahendrena,Ary tsy misy azo ampitahaina aminy ny zavatra hafa rehetra irin’ny olona.
12 Fahendrena no anarako, ary miara-mipetraka amin’ny fahamalinana aho.Nahazo fahalalana aho sady lasa mahay misaina tsara.+
13 Mankahala ny ratsy izay matahotra an’i Jehovah.+
Halako ny manambony tena, ny mirehareha,+ ny manao ratsy, ary ny mandaingalainga.+
14 Manana torohevitra tsara sy fahendrena aho,+Ary mahira-tsaina+ sy mahery.+
15 Raha tsy eo aho, dia tsy haharitra eo amin’ny fitondrana ny mpanjaka,Ary tsy hahavita hamoaka didy ara-drariny ny manam-pahefana ambony.+
16 Raha tsy eo aho, dia tsy haharitra eo amin’ny fitondrana ny andriana,Ary tsy hahavita hitsara araka ny rariny ny lehibe.
17 Izay tia ahy dia tiako,Ary izay mitady ahy no hahita ahy.+
18 Eto amiko ny harena, ny voninahitra,Ny lova sarobidy,* ary ny fahamarinana.
19 Tsara noho ny volamena ny zavatra omeko, mihoatra noho ny volamena voadio aza.Tsara noho ny volafotsy faran’izay tsara ny vokatra avy amiko.+
20 Mandeha eo amin’ny lalan’ny fahamarinana aho,Eo afovoan’ny lalan’ny rariny.
21 Omeko lova sarobidy izay tia ahy,Ary fenoiko ny trano fitehirizany vokatra.
22 Izaho no noforonin’i Jehovah voalohany.*+Izaho no voalohany indrindra amin’ny zava-bitany fahiny.+
23 Efa hatramin’ny taloha ela be* aho no nomeny toerana ambony,+Hatrany am-piandohana, tamin’ny mbola tsy nisy ny tany.+
24 Efa teraka* aho, na dia mbola tsy nisy aza ny rano lalina,+Ary mbola tsy nisy ny loharano miboiboika.
25 Mbola tsy nisy ny tendrombohitra,Ary mbola tsy noforonina ny havoana, dia efa teraka aho.
26 Mbola tsy nanao ny tany sy ny saha izy tamin’izany,Sady mbola tsy nanao ny baingan-tany voalohany.
27 Efa teo aho rehefa nanao ny lanitra+ izy.Tamin’izy namaritra ny faravodilanitra* eny ambony rano,+
28 Tamin’izy nametraka* ny rahona eny ambony,Tamin’izy nanao ny loharano lalina,
29 Tamin’izy nanome baiko ny ranomasina hoeTsy tokony hihoatra ny fetra nolazainy ny onjany,+Tamin’izy nametraka* ny fototry ny tany,
30 Dia mpiasa tena mahay teo akaikiny aho.+
Izaho ilay tena nahafinaritra azy+ isan’andro isan’andro,Ary falifaly foana aho teo anatrehany.+
31 Nahafaly ahy ilay tany nataony honenana,Ary tena tiako ny zanak’olombelona.*
32 Henoy àry aho, anaka.Sambatra izay manaraka ny lalana atoroko.
33 Mihainoa anatra,*+ ka hendre,Ary aza atao tsinontsinona mihitsy izany.
34 Sambatra ny olona mihaino ahy,Ka tonga vao maraina be* isan’andro eo am-baravarako,Ary miandry eo akaikin’ny tolàm-baravarako.
35 Fa hahazo fiainana izay olona mahita ahy,+Sady ankasitrahan’i Jehovah.
36 Manimba tena kosa izay tsy miraharaha ahy,Ary te ho faty izay mankahala ahy.”+
Fanamarihana
^ Abt: “ny zanak’olombelona.”
^ Na: “mbola tanora fanahy.”
^ Na: “hanana fo hendry.”
^ Na: “harena maharitra.”
^ Abt: “ho fiandohan’ny lalany.”
^ Na: “hatramin’ny fahagola.”
^ Na: “teraka tao anatin’ny fanaintainana.”
^ Abt: “faribolana.”
^ Abt: “nanamafy.”
^ Na: “namoaka didy momba.”
^ Na: “ny olombelona.”
^ Na: “fifehezana; famaizana.”
^ Na: “Ka miari-tory.”