Ho An’ny Romanina 16:1-27

  • Nampahafantatra an’i Foiby i Paoly (1, 2)

  • Nanao mampamangy an’ireo Kristianina tany Roma (3-16)

  • Nampitandrina momba an’izay mampisy fisaratsarahana (17-20)

  • Nanao mampamangy ny mpiara-miasa tamin’i Paoly (21-24)

  • Efa naseho ilay zava-miafina masina (25-27)

16  Ampahafantariko anareo* i Foiby anabavintsika, mpanompo ao amin’ny fiangonana any Kenkrea.+ 2  Mba raiso tsara izy araka izay mendrika handraisana ny olona masina, satria mpiray finoana aminareo ao amin’ny Tompo izy. Mba ampio koa izy amin’izay zavatra ilainy.+ Mpiaro olona maro mantsy izy, sady mpiaro ahy koa. 3  Mampamangy any amin’i Priska sy Akoila,+ mpiara-miasa amiko amin’ny asan’i Kristy Jesosy. 4  Nanao vivery ny ainy hamonjena ahy mantsy izy mivady ireo.+ Tsy izaho ihany no misaotra azy, fa ny fiangonana rehetra any amin’ny hafa firenena koa. 5  Mampamangy any amin’ilay fiangonana mivory ao an-tranon’izy mivady.+ Mampamangy any amin’i Epaineto malalako, ilay voaloham-bokatra tany Azia ho an’i Kristy. 6  Mampamangy any amin’i Maria, ilay niasa mafy ho anareo. 7  Mampamangy any amin’i Androniko sy Jonia, havako+ sy niara-nigadra tamiko. Fantatry ny apostoly tsara izy ireo sady efa tafaray amin’i Kristy talohako. 8  Mampamangy any amin’i Ampliato, malalako ao amin’ny Tompo. 9  Mampamangy any amin’i Orbano, mpiara-miasa amintsika amin’ny asan’i Kristy, sy Staky malalako. 10  Mampamangy any amin’i Apela, ilay ankasitrahan’i Kristy. Mampamangy any amin’ny ankohonan’i Aristobolo. 11  Mampamangy any amin’i Herodiona havako. Mampamangy any amin’ny ankohonan’i Narsisy izay ao amin’ny Tompo. 12  Mampamangy any amin’i Tryfena sy Tryfosa, vehivavy miasa mafy ao amin’ny Tompo. Mampamangy any amin’i Persy anabavy malalantsika, fa niasa mafy tao amin’ny Tompo izy. 13  Mampamangy any amin’i Rofosy, ilay voafidin’ny Tompo, sy any amin’ny reniny sady reniko. 14  Mampamangy any amin’i Asynkrito, Flegona, Hermesy, Patroba, sy Herma, ary ny rahalahy miaraka amin’izy ireo. 15  Mampamangy any amin’i Filologo sy Jolia, Nerea sy ny anabaviny, sy Olympa, ary ny olona masina rehetra miaraka amin’izy ireo. 16  Mifampiarahabà amin’ny oroka masina. Manao mampamangy anareo daholo ny fiangonan’i Kristy. 17  Mampirisika anareo aho, ry rahalahy, mba hanara-maso an’izay mampisy fisaratsarahana sy mahatonga ny hafa hiala amin’ny finoana. Mifanohitra amin’ny fampianarana efa henonareo mantsy izany ataony izany, ka halaviro izy ireny.+ 18  Fa tsy mpanompon’i Kristy Tompontsika ny olona hoatr’ireny, fa mpanompon’ny kibony* ihany. Manao teny malefaka sy mandokadoka olona izy ireny mba hamitahana an’izay olona tsotra be.* 19  Efa tsikaritry ny rehetra fa mankatò ianareo, ka mahafaly ahy ianareo. Tiako anefa ianareo raha kinga saina amin’ny zavatra tsara, fa bado kosa amin’ny zavatra ratsy.+ 20  Ary tsy ho ela ilay Andriamanitra manome fiadanana dia hanorotoro an’i Satana+ eo ambany tongotrareo. Enga anie ianareo hanehoan’i Jesosy Tompontsika hatsaram-panahy miavaka! 21  Mampamangy, hono, ianareo, hoy i Timoty, mpiara-miasa amiko, sy Losio sy Jasona ary Sosipatro, izay samy havako.+ 22  Izaho, Tertio, izay nanao an-tsoratra an’ity taratasy ity, dia manao mampamangy anareo ao amin’ny Tompo. 23  Mampamangy, hono, ianareo, hoy i Gaio,+ mpampiantrano ahy sy mpampiantrano ny fiangonana manontolo. Mampamangy, hono, ianareo, hoy i Erasto, mpitahiry ny volan’ny* tanàna, sy Koarto rahalahiny. 24  *—— 25  Hita amin’ny vaovao tsara toriko sy ny hafatra momba an’i Jesosy Kristy fa afaka manampy anareo ho mafy orina Andriamanitra. Izany vaovao tsara izany dia mifanaraka amin’ilay zava-miafina masina+ izay nafenina hatry ny ela be, fa efa naharihary izao. 26  Efa naseho* io zava-miafina io izao, sady efa nampahafantarina tany amin’ny firenena rehetra, tamin’ny alalan’ny faminaniana ao amin’ny Soratra Masina. Mifanaraka amin’ny didin’ilay Andriamanitra mandrakizay izany, satria tiany hino sy hankatò azy ny olona. 27  Homena an’Andriamanitra, ilay hany manam-pahendrena,+ anie ny voninahitra mandrakizay amin’ny alalan’i Jesosy Kristy! Amena.

Fanamarihana

Na: “Raiso tsara.”
Na: “olona tsy miahiahy.”
Na: “fanirian-dratsiny.”
Na: “mpitantam-bolan’ny.”
Jereo F.F. A3.
Na: “naharihary.”