Ho An’ny Romanina 6:1-23

  • Hanana fiainam-baovao izay natao batisa tao amin’i Kristy (1-11)

  • Aza avela hanjaka amin’ny vatanareo ny ota (12-14)

  • Mpanompon’ny ota lasa mpanompon’Andriamanitra (15-23)

    • Tambin’ny ota: Fahafatesana; fanomezan’Andriamanitra: Fiainana (23)

6  Inona àry no holazaintsika? Hanota foana ve isika dia amin’izay hanehoana hatsaram-panahy betsaka kokoa? 2  Sanatria izany! Isika aza efa maty raha ny ota no resahina,+ dia ahoana no mbola ahafahantsika ho velona ao anatin’ny ota ihany?+ 3  Sa tsy fantatrareo fa isika rehetra izay natao batisa tao amin’i Kristy Jesosy,+ dia natao batisa tao amin’ny fahafatesany?+ 4  Niara-nalevina taminy àry isika rehefa natao batisa tao amin’ny fahafatesany.+ Amin’izay isika hanana fiainam-baovao,+ hoatran’i Kristy natsangan’ny Ray tamin’ny maty, tamin’ny alalan’ny heriny. 5  Raha lasa tafaray amin’i Kristy isika rehefa maty hoatr’azy,+ dia tena ho tafaray aminy koa isika rehefa atsangana amin’ny maty hoatr’azy.+ 6  Fantatsika mantsy fa niara-nofantsihana taminy teo amin’ny tsato-kazo ny toetrantsika taloha.+ Amin’izay isika tsy hofehezin’ny fanirian-dratsy ao amin’ny vatantsika,+ ka tsy ho mpanompon’ny* ota intsony.+ 7  Fa izay maty dia afaka madiodio* amin’ny fahotany. 8  Ankoatra izany, raha miara-maty amin’i Kristy isika, dia mino fa hiaraka ho velona aminy koa. 9  Fantatsika mantsy fa tsy ho faty intsony+ i Kristy amin’izao izy efa natsangana tamin’ny maty izao.+ Tsy manjaka aminy intsony ny fahafatesana. 10  Fa rehefa maty izy, dia maty indray mandeha fotsiny mba hanesorana ny ota.+ Rehefa velona kosa izy, dia velona mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra. 11  Hoatr’izany koa ianareo: Hevero hoe efa maty ianareo raha ny ota no resahina, fa velona kosa mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra, satria mpanara-dia an’i Kristy Jesosy.+ 12  Aza avela hanjaka foana amin’ny vatanareo mety maty àry ny ota,+ mba tsy hanatanterahanareo ny fanirian’ny vatanareo. 13  Ary aza atolotra hofehezin’ny ota intsony ny vatanareo* mba tsy ho fitaovam-piadian’ny tsy fahamarinana. Fa atolory ho an’Andriamanitra kosa ny tenanareo, izay toy ny efa maty nefa efa velona izao. Atolory azy ny vatanareo* mba ho fitaovam-piadian’ny fahamarinana.+ 14  Fa aza avela hanjaka aminareo ny ota, satria tsy ambanin’ny lalàna ianareo+ fa nanehoana hatsaram-panahy miavaka.+ 15  Dia ahoana àry? Hanota ve isika satria tsy ambanin’ny lalàna fa nanehoana hatsaram-panahy miavaka?+ Sanatria izany! 16  Angaha tsy fantatrareo fa raha manaiky ho mpanompon’ny olona iray ianareo ka mankatò azy, dia lasa mpanompon’ilay olona ankatoavinareo?+ Raha mpanompon’ny* ota+ àry ianareo, dia ho faty,+ fa raha mpanompo mankatò an’Andriamanitra kosa, dia ho lasa olo-marina. 17  Isaorana anefa Andriamanitra fa na mpanompon’ny ota aza ianareo taloha, dia lasa mpankatò amin’ny fo an’ilay fampianarana nomena anareo. 18  Koa lasa mpanompon’ny fahamarinana ianareo,+ satria nafahana tamin’ny ota.+ 19  Mampiasa teny azon’ny olona aho noho ny fahalemen’ny nofonareo. Natolotrareo ho mpanompon’ny fahalotoana sy ny fandikan-dalàna mantsy ny vatanareo* mba handika lalàna, fa izao kosa atolory ho mpanompon’ny fahamarinana ny vatanareo* mba ho masina.+ 20  Fa tamin’ianareo mpanompon’ny ota, dia tsy nifehy anareo ny fahamarinana. 21  Inona àry ny vokatra azonareo tamin’izay nataonareo* tamin’izany fotoana izany? Zavatra mahamenatra anareo amin’izao, satria fahafatesana no hiafarany.+ 22  Efa nafahana tamin’ny ota anefa ianareo izao ka lasa mpanompon’Andriamanitra. Fahamasinana àry no vokatry ny ataonareo,+ ary fiainana mandrakizay no hiafarany.+ 23  Fa fahafatesana no tambin’ny ota,*+ fa fiainana mandrakizay+ amin’ny alalan’i Kristy Jesosy Tompontsika+ kosa no fanomezana omen’Andriamanitra.

Fanamarihana

Na: “tsy handevozin’ny.”
Na: “afahana; avela.”
Abt: “rantsambatanareo.”
Abt: “rantsambatanareo.”
Na: “andevozin’ny.”
Abt: “rantsambatanareo.”
Abt: “rantsambatanareo.”
Na: “ny voa novokarinareo.”
Na: “karama omen’ny ota.”