Rota 3:1-18

  • Nanoro hevitra an’i Rota i Naomy (1-4)

  • Rota sy Boaza teny am-pamoloana (5-15)

  • Niverina tany amin’i Naomy i Rota (16-18)

3  Ary hoy i Naomy rafozambaviny taminy: “Sao dia tokony hitady vady* ho anao aho,+ anaka, amin’izay mba mety tsara ny fiainanao?  Havantsika ange i Boaza e!+ Izy ilay namela anao hiara-miasa amin’ny ankizivavy mpanompony. Hikororoka vary orza eny am-pamoloana izy androany alina.  Mandehana mandro ary hosory menaka manitra ny vatanao. Dia anaovy izay akanjonao tsara indrindra* ary midìna eny am-pamoloana. Aza atao hitany ianao raha tsy efa avy mihinana sy misotro izy.  Rehefa hatory izy, dia jereo hoe aiza izy no hatory, ary mankanesa eny. Ingao ny lamba mandrakotra ny tongony, dia matoria eo. Izy no hiteny aminao izay tokony hataonao.”  Dia hoy i Rota: “Ao fa hataoko daholo izany zavatra lazainao izany.”  Nidina teny am-pamoloana àry izy, ka nataony daholo izay nasain’ny rafozambaviny nataony.  Nihinana sy nisotro i Boaza tamin’izay ka falifaly. Dia nandeha natory teny akaikin’ny antontam-bary izy. Ary nitsaitsaika i Rota, ka ningainy ny lamba nandrakotra ny tongotr’i Boaza, dia natory teo izy.  Nangovitra anefa i Boaza rehefa nisasaka ny alina. Niarina àry izy ka nipetraka, ary nahita vehivavy natory teo an-tongony.  Dia hoy izy: “Fa iza ianao?” Hoy i Rota: “I Rota mpanomponao ihany ity! Mba rakofy amin’ny akanjonao* ny mpanomponao, satria mpanavotra+ ianao.” 10  Dia hoy i Boaza: “Hotahin’i Jehovah anie ianao, anaka! Efa nasehonao hoe be fitiavana sy tsy mivadika ianao,+ fa vao mainka hita izany izao. Tsy niaraka tamin’ny ankizilahy mantsy ianao, na mahantra izy na manankarena. 11  Aza matahotra, anaka, fa hataoko aminao daholo izay lazainao.+ Fantatry ny iray tanàna* mantsy fa vehivavy tena miavaka ianao. 12  Marina aloha fa mpanavotra+ aho, nefa mbola misy havana akaiky kokoa noho izaho afaka manavotra anao.+ 13  Mijanòna eto androany alina. Raha hanavotra anao izy rehefa maraina ny andro, dia tsara izany! Aleo izy no hanavotra anao.+ Raha tsy te hanavotra anao kosa izy, dia izaho no hanavotra anao, raha mbola velona koa i Jehovah. Fa matoria eto ihany aloha mandra-paharainan’ny andro.” 14  Dia natory teo an-tongony i Rota mandra-paharainan’ny andro. Ary nifoha izy raha mbola maizimaizina, amin’ilay mbola tsy ahafantarana olona iny. Dia hoy i Boaza: “Aza atao fantatr’olona hoe nisy vehivavy tonga teto am-pamoloana.” 15  Hoy koa izy: “Ento atỳ iny akanjonao ivelany iny ary velaro.” Dia novelarin’i Rota ilay izy. Koa namatra vary orza inenin’ny famarana* i Boaza, dia nataony tao anatin’ilay akanjo ary nampitondrainy azy. Lasa nankany an-tanàna i Boaza taorian’izay. 16  I Rota kosa lasa nody. Rehefa tonga tany an-trano izy, dia hoy ny rafozambaviny: “Nanao ahoana ny tany,* anaka?” Dia nolazain’i Rota azy daholo izay nataon’i Boaza taminy. 17  Hoy koa izy: “Nomeny an’ireto vary orza inenin’ny famarana ireto aho sady niteny izy hoe: ‘Aza mitondra tanam-polo any amin’ny rafozambavinao.’” 18  Dia hoy i Naomy: “Mipetraha amin’izay, anaka, mandra-pahafantatrao an’izay hitranga. Tsy hipetrapetraka mihitsy mantsy izy androany raha tsy efa milamina ny zava-drehetra.”

Fanamarihana

Na: “trano.”
Na: “ny akanjonao ivelany.”
Na: “morontongotr’akanjonao.”
Abt: “ny rehetra eo am-bavahadin’ny fireneko.”
Mety ho inenin’ny sehà na 44 litatra eo ho eo. Jereo F.F. B14.
Abt: “Iza ianao?”