Salamo 103:1-22

  • “Hidera an’i Jehovah aho”

    • Esorin’i Jehovah lavitra be antsika ny fahotantsika (12)

    • Toy ny ray mamindra fo i Jehovah (13)

    • Tsy hadinon’i Jehovah hoe vovoka isika (14)

    • Ny seza fiandrianan’i Jehovah sy ny fanjakany (19)

    • Manatanteraka ny baikon’i Jehovah ny anjely (20)

Nataon’i Davida. 103  Hidera an’i Jehovah aho!Aoka hidera ny anarany masina ny tenako manontolo.  2  Hidera an’i Jehovah aho!Tsy hohadinoiko mihitsy anie izay rehetra nataony!+  3  Mamela ny fahadisoanao rehetra izy,+Ary manasitrana ny aretinao rehetra;+  4  Manavotra ny ainao tsy ho lasa any an-davaka* izy,+Ary ataony toy ny satroboninahitra eny aminao ny fitiavany sy ny tsy fivadihany ary ny famindram-pony.+  5  Ataony afa-po amin’ny zava-tsoa+ ianao mandritra ny androm-piainanao,Mba hihavao toy ny an’ny voromahery ny fahatanoranao.+  6  Manao ny rariny sy ny hitsiny+ i JehovahAmin’izay rehetra ampijalina.+  7  Nampahafantariny an’i Mosesy ny lalany,+Ary nolazainy tamin’ny zanak’Israely ny zavatra nataony.+  8  Mamindra fo sy mangoraka*+ i Jehovah,Sady tsy mora tezitra ary tena be fitiavana sy tsy mivadika.*+  9  Tsy hanameloka antsika foana noho ny fahadisoana nataontsika izy,+Na hitana lolompo mandrakizay.+ 10  Tsy mamaly antsika araka ny fahotantsika izy,+Na manasazy antsika noho ny fahadisoantsika, araka izay tokony ho sahaza antsika.+ 11  Fa toy ny haavon’ny lanitra raha oharina amin’ny tanyNy haben’ny fitiavana sy ny tsy fivadihana asehony amin’izay matahotra azy.+ 12  Toy ny halavitry ny atsinanana amin’ny andrefana,No anesorany ny fahotantsika ho lavitra antsika.+ 13  Mamindra fo amin’ny zanany ny ray,Dia toy izany koa fa mamindra fo amin’izay matahotra azy i Jehovah.+ 14  Fa fantany tsara ny nanaovana antsika,+Ary tsy hadinony hoe vovoka+ ihany isika. 15  Mihelina toy ny ahitra ny androm-piainan’ny olombelona mety maty;+Mamony toy ny voninkazo eny an-tsaha izy.+ 16  Vao tsofin’ny rivotra anefa izy dia tsy eo intsony,Hoatran’ny hoe tsy teo mihitsy.* 17  Ho mandrakizay kosa ny fitiavan’i Jehovah sy ny tsy fivadihanyAmin’izay matahotra azy,+Ary ny fahamarinany dia asehony hatramin’ny taranak’izy ireo fara aman-dimby,+ 18  Dia amin’ireo manaja ny fifanekena+ nataonySy ireo mankatò an-tsakany sy an-davany ny fitsipiny. 19  Nataon’i Jehovah mafy orina any an-danitra ny seza fiandrianany;+Ary ny fanjakany no mifehy ny zava-drehetra.+ 20  Derao i Jehovah, ry anjeliny rehetra+ tena mahery,Izay manatanteraka ny baikony+ sy mankatò ny teniny.* 21  Derao i Jehovah, ry tafiny rehetra,+Dia ianareo mpanompony izay manao ny sitrapony.+ 22  Derao i Jehovah, ry zavaboariny rehetra,Any amin’ny toerana rehetra anjakany. Hidera an’i Jehovah amin’ny foko manontolo anie aho!

Fanamarihana

Na: “am-pasana.”
Na: “miantra.”
Na: “tena be fitiavana sy tsara fanahy.”
Abt: “Ary tsy mahalala azy intsony izay toerana nisy azy.”
Abt: “mihaino ny feon’ny teniny.”