Salamo 106:1-48
106 Derao i Jah!*
Misaora an’i Jehovah fa tsara izy;+Be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.+
2 Iza no mahavita milaza ny asa rehetra nataon’i Jehovah tamin’ny heriny,Na manambara ny asa mendri-piderana rehetra nataony?+
3 Sambatra izay manao ny rariny,Ka manao ny marina foana.+
4 Tsarovy aho, Jehovah ô, rehefa miantra* ny vahoakanao+ ianao.
Karakarao sy vonjeo aho,
5 Amin’izay aho dia hankafy ny zava-tsoa omenao an’ireo olom-boafidinao,+Sy hiara-mifaly amin’ny firenenao,Ary hirehareha hidera anao miaraka amin’ny lovanao.
6 Efa nanota hoatran’ny razambenay izahay;+Efa diso izahay ary nanao ratsy.+
7 Tsy nankasitrahan’ny* razambenay tany Ejipta ireo zavatra mahatalanjona nataonao.
Tsy tadidin’izy ireo fa be fitiavana sy tsy mivadika ianao.Nikomy kosa izy ireo teo amin’ny ranomasina, dia ny Ranomasina Mena.+
8 Novonjen’Andriamanitra ihany anefa izy ireo noho ny anarany,+Mba hampahafantarana ny heriny.+
9 Noteneniny mafy ny Ranomasina Mena, dia ritra.Nentiny namakivaky rano lalina toy ny mamakivaky tany efitra*+ izy ireo;
10 Namonjy azy ireo teo an-tanan’izay mankahala azy izy,+Sady nanavotra azy teo an-tanan’ny fahavalo.+
11 Saron’ny rano ny fahavalony,Ka tsy nisy tafavoaka velona* na iray aza.+
12 Dia nino ny fampanantenany izy ireo,+Ka nihira fiderana ho azy.+
13 Vetivety anefa izy ireo dia nanadino an’izay nataon’Andriamanitra;+Tsy niandry an’izay torohevitra avy taminy izy ireo.
14 Resin’ny faniriany feno fitiavan-tena izy ireo tany amin’ny tany karakaina;+Nitsapa an’Andriamanitra izy ireo tany an-tany efitra.+
15 Nomeny azy ireo izay nangatahiny,Nefa avy eo nasiany tamin’ny aretina mampahia izy ireo.+
16 Nialona an’i Mosesy izy ireo tao an-toby,Sady nialona an’i Arona,+ ilay masin’i Jehovah.+
17 Dia nisokatra ny tany ka nitelina an’i Datana,Sy nanarona an’ireo niaraka tamin’i Abirama.+
18 Nisy afo nandoro an’ireo mpomba azy ireo;Nisy lelafo nandevona an’ireo ratsy fanahy.+
19 Nanamboatra zanak’omby izy ireo tao Horeba,Ary niankohoka teo anoloan’ny sarivongana metaly;*+
20 Ny voninahitro dia natakalonySarin’omby mpihinana ahitra.+
21 Nohadinoin’izy ireo Andriamanitra,+ ilay Mpamonjy azy,Izay nanao zavatra miavaka tany Ejipta,+
22 Sy zavatra mahatalanjona tany amin’ny tanin’i Hama,+Ary zavatra mampahatahotra teo amin’ny Ranomasina Mena.+
23 Efa saika nanome baiko izy hoe haripaka izy ireo,Nefa nitalaho taminy* i Mosesy olom-boafidiny,Mba hampitony ny fahatezerany Izy ka tsy handringana an’ireo.+
24 Ary nataon’izy ireo tsinontsinona ilay tany mahafinaritra;+Tsy nino ny fampanantenany izy ireo.+
25 Nimenomenona foana izy ireo tao an-tranolainy,+Ka tsy nihaino ny feon’i Jehovah.+
26 Koa nanangan-tanana izy ka nianiana momba azy ireoHoe hataony miampatrampatra any an-tany efitra ny fatin’izy ireo;+
27 Hataony miampatrampatra any amin’ireo firenena ny fatin’ny taranany,Ary haparitany any amin’ny tany samy hafa izy ireo.+
28 Dia lasa nanompo an’i* Balan’i Peora+ izy ireo,Ary nihinana an’ireo sorona natolotra ho an’ny maty.*
29 Nampahatezitra an’Andriamanitra ny zavatra nataony,+Ka tratran’ny loza izy ireo.+
30 Rehefa nijoro anefa i Finehasa ka niditra an-tsehatra,Dia nitsahatra ilay loza.+
31 Izany no nahatonga azy hekena hoe olo-marina,Hatramin’ny taranaka fara aman-dimby, mandrakizay.+
32 Nanao izay nampahatezitra an’Andriamanitra izy ireo, teo amin’ny rano tao Meriba,*Ka nidiran-doza i Mosesy noho ny nataon’izy ireo.+
33 Nampahasosotra azy izy ireo,Ka nanao teny tsy voahevitra izy.+
34 Tsy noringanin’izy ireo ny firenena+Nasain’i Jehovah naringany.+
35 Nifangaroharo tamin’ireo firenena kosa izy ireo,+Ka nanaraka* ny fanaony.+
36 Notompoin’izy ireo ny sampin’ireny,+Ka lasa fandrika ho azy.+
37 Nataony sorona ho an’ny demoniaNy zanany lahy sy ny zanany vavy.+
38 Nandatsaka ran’olona tsy manan-tsiny izy ireo,+Dia ny ran’ny zanany lahy sy ny zanany vavy,Izay nataony sorona ho an’ireo sampin’i Kanana;+Dia naloto ilay tany noho ny fandatsahan-dra.
39 Nanjary nandoto tena izy ireo noho ny fanaony;Nivaro-tena* tamin’ny andriamani-kafa izy ireo noho ny nataony.+
40 Koa tezitra be tamin’ny vahoakany i Jehovah,Ka lasa halany ny lovany.
41 Imbetsaka izy ireo no nataony resin’ireo firenena,+Mba hanjakazaka amin’izy ireo izay nankahala azy.+
42 Nampahorin’ny fahavalony izy ireo,Ary lasa teo ambany fahefany.*
43 Imbetsaka izy no namonjy azy ireo,+Nefa nikomy sy tsy nankatò izy ireo,+Ka naetry noho ny fahadisoany.+
44 Nahita ny fahorian’izy ireo anefa izy+Ary nandre ny antso vonjy nataony.+
45 Nahatsiaro ny fifanekena nataony tamin’izy ireo izy,Ary niantra azy,* satria tena be fitiavana sy tsy mivadika.+
46 Nataony lasa niantra azyIzay rehetra naka azy ho babo.+
47 Vonjeo izahay, ry Jehovah Andriamanitray ô!+Angony avy any amin’ireo firenena izahay+Mba ho afaka hisaotra ny anaranao masina,Sy ho faly hidera anao.+
48 Enga anie i Jehovah Andriamanitry ny Israely hoderainaMandrakizay doria!*+
Ary aoka ny olona rehetra hilaza hoe: “Amena!”*
Derao i Jah!*
Fanamarihana
^ Na: “Haleloia!” “Jah” no fanafohezana an’ilay anarana hoe Jehovah.
^ Na: “mankasitraka.”
^ Na mety hoe “Tsy takatry ny.”
^ Na: “tany karakaina.”
^ Na: “niangana.”
^ Na: “sarivongana vita amin’ny metaly narendrika.”
^ Abt: “nijoro teo amin’izay nisy banga teo anoloany.”
^ Na: “niraiki-po tamin’i.”
^ Izany hoe sorona natolotra ho an’ny olona efa maty na ho an’andriamanitra tsy mananaina.
^ Midika hoe “Filana Ady.”
^ Na: “nianatra.”
^ Izany hoe nivavaka.
^ Abt: “tanany.”
^ Na: “nanenina izy.”
^ Na: “Hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay.”
^ Na: “Ho tanteraka anie izany!”
^ Na: “Haleloia!” “Jah” no fanafohezana an’ilay anarana hoe Jehovah.