Salamo 113:1-9
113 Derao i Jah!*
Derao izy, ry mpanompon’i Jehovah.Derao ny anaran’i Jehovah.
2 Hoderaina anie ny anaran’i JehovahManomboka izao ka ho mandrakizay!+
3 Aoka hoderaina ny anaran’i Jehovah,+Hatrany amin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatrany amin’ny filentehany.
4 Avo noho ny firenena rehetra i Jehovah;+Ambony noho ny lanitra ny voninahiny.+
5 Iza no mitovy amin’i Jehovah Andriamanitsika,+Ilay monina* any amin’ny avo?
6 Miondrika izy mba hijery ny any an-danitra sy ny etỳ an-tany,+
7 Ka atsangany hiala amin’ny vovoka ny olona ambany.
Ampiakariny avy eo amin’ny lavenona misavovona* ny mahantra,+
8 Mba hiara-mipetraka amin’ny olona ambony,Dia ny olona ambony eo amin’ny vahoakany.
9 Omeny trano ny vehivavy tsy niteraka,Ka ataony lasa reny falifaly manana zanaka* maro.+
Derao i Jah!*
Fanamarihana
^ Na: “Haleloia!” “Jah” no fanafohezana an’ilay anarana hoe Jehovah.
^ Na: “mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany.”
^ Na mety hoe “fanariam-pako.”
^ Abt: “zanakalahy.”
^ Na: “Haleloia!” “Jah” no fanafohezana an’ilay anarana hoe Jehovah.