Salamo 116:1-19
116 Tiako i Jehovah,Satria mihaino ny feoko izy,* dia ny fitalahoako fanampiana.+
2 Fa manongilan-tsofina mihaino* ahy izy,+Ka hiantso azy aho raha mbola velona koa.*
3 Namatotra ahy toy ny tady ny fahafatesana;Nangeja ahy ny Fasana.*+
Tototry ny fahoriana sy ny alahelo aho.+
4 Niantso ny anaran’i Jehovah anefa aho,+ ka niteny hoe:
“Jehovah ô, vonjeo aho!”
5 Mangoraka* sy manao ny rariny i Jehovah;+Mamindra fo ny Andriamanitsika.+
6 Miaro an’ireo mbola tsy dia nahita fiainana+ i Jehovah.
Kivy be aho, ka novonjeny.
7 Hilamin-tsaina indray aho,Fa tsara fanahy amiko i Jehovah.
8 Novonjenao tsy ho faty aho,Nosakananao tsy hirotsaka ny ranomasoko, ary tsy ho tafintohina ny tongotro.+
9 Handeha eo anatrehan’i Jehovah aho, eo amin’ny tanin’ny velona.
10 Nino aho ka niteny;+Nijaly be mihitsy aho.
11 Natahotra be aho ka niteny hoe:
“Mpandainga daholo ny olona rehetra.”+
12 Inona no havaliko an’i JehovahNoho ny soa rehetra nataony tamiko?
13 Horaisiko ny kaopin’ny famonjena,*Ary hiantso ny anaran’i Jehovah aho.
14 Hanefa ny voadiko amin’i Jehovah aho,Eo anatrehan’ny vahoakany rehetra.+
15 Tena mafy* amin’i JehovahNy fahafatesan’ireo olona tsy mivadika aminy.+
16 Jehovah ô, mitalaho aminao ahoFa mpanomponao!
Mpanomponao aho sady zanaky ny mpanompovavinao.
Novahanao ny fatorako.+
17 Hanolotra sorona fisaorana+ ho anao aho;Hiantso ny anaran’i Jehovah aho.
18 Hanefa ny voadiko amin’i Jehovah aho,+Eo anatrehan’ny vahoakany rehetra,+
19 Eo an-tokotanin’ny tranon’i Jehovah,+Eo afovoanao, ry Jerosalema ô!
Derao i Jah!*+
Fanamarihana
^ Na mety hoe “Feno fitiavana aho satria mihaino ny feoko i Jehovah.”
^ Na: “miondrika mba hihaino.”
^ Abt: “amin’ny androko.”
^ Abt: “Nahita ahy ny fahorian’ny Sheôl.”
^ Na: “Miantra.”
^ Na: “famonjena lehibe.”
^ Abt: “Sarobidy.”
^ Na: “Haleloia!” “Jah” no fanafohezana an’ilay anarana hoe Jehovah.