Salamo 119:1-176
-
Fankasitrahana ny tenin’Andriamanitra
-
“Inona no tokony hataon’ny tanora raha te hanao ny tsara foana izy?” (9)
-
“Mahafinaritra ahy ny fampahatsiahivanao” (24)
-
“Tiako erỳ ny lalànao!” (97)
-
“Lalin-tsaina kokoa noho ny mpampianatra ahy rehetra” (99)
-
“Jiro ho an’ny tongotro ny teninao” (105)
-
“Fahamarinana no votoatin’ny teninao” (160)
-
Miadana ireo tia ny lalàn’i Jehovah (165)
-
א [Alefa]
119 Sambatra izay tsy misy tsiny* amin’ny zavatra ataony,Dia izay mankatò ny* lalàn’i Jehovah.+
2 Sambatra izay manaraka ny fampahatsiahivany,+Dia ireo mitady azy amin’ny fo manontolo.+
3 Tsy mba zatra manao ny tsy marina ireny,Fa mandeha amin’ny lalana atoron’Andriamanitra.+
4 Nanome baiko ianaoHoe tokony harahina tsara ny didinao.+
5 Tiako aho raha mba tsy mivadika hoatr’izao foana,*+Ka mankatò an’ireo fitsipikao!
6 Dia tsy ho menatra aho+Rehefa mandinika ny didinao rehetra.
7 Hidera anao amin’ny fo madio aho,Rehefa fantatro fa ara-drariny ny didim-pitsaranao.
8 Hankatò ny fitsipikao aho.
Enga anie ianao tsy hahafoy tanteraka ahy mihitsy!
ב [Beta]
9 Inona no tokony hataon’ny tanora raha te hanao ny tsara foana* izy?
Mila mitandrin-tena izy ka mankatò ny teninao.+
10 Amin’ny foko manontolo no itadiavako anao.
Aza avela hiala amin’ny didinao aho.+
11 Ato am-poko no itehirizako ny teninao+Mba tsy hanotako aminao.+
12 Hoderaina anie ianao, Jehovah ô!Ampianaro ahy ny fitsipikao.
13 Ny molotro no anambarakoNy didim-pitsarana rehetra navoakanao.
14 Mahafaly ahy ny fampahatsiahivanao,+Mahafaly ahy mihoatra noho ny zava-tsarobidy+ hafa rehetra.
15 Hisaintsaina* ny didinao aho,+Ary handinika ny lalanao.+
16 Mahafinaritra ahy ny fitsipikao.
Tsy hohadinoiko ny teninao.+
ג [Gimela]
17 Anehoy hatsaram-panahy ity mpanomponao,Mba ho velona sy hankatò ny teninao.+
18 Sokafy ny masoko mba ho hitako tsaraNy zavatra mahatalanjona ao amin’ny lalànao.
19 Vahiny eto amin’ity tany ity aho.+
Aza afenina ahy ny didinao.
20 Maniry mafy hahafantatraNy didim-pitsaranao foana aho.
21 Teneninao mafy ireo sahisahy ratsy,Dia ireo olom-boaozona miala amin’ny didinao.+
22 Esory amiko* ny fahafaham-baraka sy ny fanambaniana,Fa manaraka ny fampahatsiahivanao aho.
23 Na dia miara-mipetraka mba hanohitra ahy aza ny andriana,Dia misaintsaina* ny fitsipikao ity mpanomponao.
24 Mahafinaritra ahy ny fampahatsiahivanao;+Ireny no manoro hevitra ahy.+
ד [Daleta]
25 Mihohoka matory eo amin’ny vovoka aho.+
Tsimbino ny aiko, araka izay nolazainao.+
26 Nolazaiko anao izay nataoko, dia namaly ahy ianao;Ampianaro ahy ny fitsipikao.+
27 Ataovy azoko tsara ny hevitry* ny didinao,Mba hisaintsainako* ny zavatra mahatalanjona nataonao.+
28 Tsy nahita tory aho noho ny alahelo.
Ampaherezo aho, araka izay nolazainao.
29 Aza avela handeha amin’ny lalana feno fitaka+ aho,Ary iantrao ka ampahafantaro ny lalànao.
30 Ny lalan’ny tsy fivadihana no nofidiko.+
Ekeko hoe ara-drariny ny didim-pitsaranao.
31 Mifikitra amin’ny fampahatsiahivanao+ aho.
Aza avela ho diso fanantenana*+ aho, Jehovah ô!
32 Ho mailaka hampihatra ny didinao aho eo amin’ny fiainako,*Satria halalahinao ny foko mba ho afaka handray an’izany.*
ה [He]
33 Ampianaro ahy ny lalan’ny fitsipikao, Jehovah ô,+Dia hanaraka an’izany hatramin’ny farany+ aho.
34 Ataovy mahira-tsaina aho,Mba hankatoavako ny lalànaoSy hitandremako azy amin’ny foko manontolo.
35 Tariho* eo amin’ny lalan’ny didinao+ aho,Fa mahafinaritra ahy izany.
36 Ataovy izay hahatonga ny foko ho tia ny fampahatsiahivanao,Fa tsy ho tia tombony.+
37 Aza avela hijery zavatra tsy misy ilana azy ny masoko;+Ampandehano amin’ny lalanao aho mba ho voatsimbina ny aiko.
38 Tanteraho amin’ny mpanomponao izay nampanantenainao,*Mba hatahorana anao.*
39 Esory amiko ny fahafaham-baraka atahorako,Fa tsara ny didim-pitsaranao.+
40 Jereo fa maniry mafy hankatò ny didinao aho.
Tsimbino ny aiko noho ny fahamarinanao.
ו [Vao]
41 Enga anie ho tsapako, Jehovah ô, fa tia ahy sy tsy mivadika amiko ianao,+Ary mamonjy ahy araka ny efa nampanantenainao;*+
42 Dia hovaliako ilay manaratsy ahy,Fa matoky ny teninao aho.
43 Aza esorina tanteraka eo am-bavako ny tenin’ny fahamarinana,Fa manantena* ny didim-pitsaranao aho.
44 Hankatoaviko foana ny lalànao,Mandrakizay mandrakizay.+
45 Ary handehandeha eny amin’ny toerana tsy mampidi-doza*+ aho,Satria mikaroka ny didinao.
46 Hilaza ny fampahatsiahivanao eo anatrehan’ireo mpanjaka aho,Ary tsy ho menatra.+
47 Mahafinaritra ahy ny didinao;Eny, tiako ireny.+
48 Hanandra-tanana hivavaka aho satria tiako ny didinao,+Ary hosaintsainiko* ny fitsipikao.+
ז [Zaina]
49 Tsarovy ny teninao* tamiko mpanomponao,Izay nanomezanao ahy fanantenana.*
50 Izany no mampionona ahy rehefa ao anatin’ny fahoriana+ aho.Nitsimbina ny aiko mantsy ny teninao.
51 Maneso ahy loatra ny olona sahisahy ratsy,Nefa arahiko foana ny lalànao.+
52 Mahatsiaro ny didim-pitsaranao fahiny+ aho, Jehovah ô,Ary mampionona ahy ireny.+
53 Romotry ny hatezerana aho noho ny ratsy fanahy,Izay tsy miraharaha ny lalànao.+
54 Ny fitsipikao no ataoko hira,Na aiza na aiza onenako.*
55 Mahatsiaro ny anaranao aho mandritra ny alina, Jehovah ô,+Mba hankatoavako ny lalànao.
56 Izany no fanaoko,Satria mankatò ny didinao aho.
ח [Heta]
57 I Jehovah no anjarako;+Efa nampanantena aho fa hanaraka ny teninao.+
58 Miangavy anao* amin’ny foko manontolo+ aho;Iantrao aho,+ araka ny efa nampanantenainao.*
59 Dinihiko tsara ny lalako,Mba hanitsiako ny diako ka hanarahako indray ny fampahatsiahivanao.+
60 Mailaka be aho fa tsy mangataka androMankatò ny didinao.+
61 Mihodidina amiko ny tadin’ny ratsy fanahy,Nefa tsy hadinoko ny lalànao.+
62 Mifoha aho amin’ny misasakalina mba hisaotra anao,+Fa ara-drariny ny didim-pitsaranao.
63 Naman’izay rehetra matahotra anao aho,Ary naman’izay mankatò ny didinao.+
64 Manenika ny tany ny fitiavanao sy ny tsy fivadihanao, Jehovah ô!+Ampianaro ahy ny fitsipikao.
ט [Teta]
65 Manao soa amin’ny mpanomponao ianao,Jehovah ô, araka ny efa nolazainao.
66 Ampianaro hisaina tsara sy hanam-pahalalana+ aho,Fa atokisako ny didinao.
67 Diso lalana* aho tamin’izaho mbola tsy nijaly,Fa efa mankatò ny teninao+ kosa aho izao.
68 Tsara ianao+ ary tsara ny zavatra ataonao.
Ampianaro ahy ny fitsipikao.+
69 Manoso-potaka ahy ny olona sahisahy ratsy,Fa izaho kosa mankatò ny didinao amin’ny foko manontolo.
70 Tsy mihontsina* ny fon’ireny,+Fa izaho kosa finaritra amin’ny lalànao.+
71 Soa ihany aho fa nampahorina,+Mba hianarako ny fitsipikao.
72 Mahasoa ahy ny lalàna nambaranao,+Mahasoa ahy noho ny volamena sy volafotsy+ an’arivony.
י [Yôda]
73 Ny tananao no nanao sy namolavola ahy.
Ataovy mahira-tsaina ahoMba hianarako ny didinao.+
74 Mahita ahy ireo matahotra anao ka faly,Satria ny teninao no antenaiko.*+
75 Fantatro, Jehovah ô, fa ara-drariny ny didim-pitsaranao,+Ary noho ianao tsy mivadika, dia faizinao aho.+
76 Hampionona ahy anie ny fitiavanao sy ny tsy fivadihanao,+Araka ny nampanantenainao ny* mpanomponao!
77 Amindrao fo aho mba ho velona foana,+Fa mahafinaritra ahy ny lalànao.+
78 Enga anie ho afa-baraka ireo sahisahy ratsy,Satria manisy ratsy ahy tsy amin’antony.*
Fa izaho kosa hisaintsaina* ny didinao.+
79 Aoka hiaraka amiko indray ireo matahotra anao,Dia ireo mahafantatra ny fampahatsiahivanao.
80 Enga anie ny foko tsy hisy tsiny rehefa mankatò ny fitsipikao,+Mba tsy ho menatra aho!+
כ [Kafa]
81 Tsy andriko izay hamonjenao ahy,*+Satria ny teninao no antenaiko.*
82 Sasa-miandry ny hahatanterahan’ny teninao ny masoko,+Ka hoy aho: “Mba rahoviana ihany ianao vao hampionona ahy?”+
83 Fa toy ny siny hoditra mainan’ny setroka aho,Nefa tsy hadinoko ny fitsipikao.+
84 Firy andro ny mpanomponao no tsy maintsy miandry?
Rahoviana ihany ianao no hampihatra didim-pitsarana amin’ireo manenjika ahy?+
85 Mihady lavaka hamandrihana ahy ny olona sahisahy ratsy,Dia ireo tsy mety manaraka ny lalànao.
86 Azo atokisana ny didinao rehetra.
Vonjeo aho+ fa misy manenjika tsy amin’antony!
87 Efa saika nofongoran’izy ireo tsy ho eto an-tany aho,Nefa izaho tsy nahafoy ny didinao.
88 Tsimbino ny aiko noho ianao be fitiavana sy tsy mivadika,Mba hanarahako ny fampahatsiahivana nolazainao.
ל [Lameda]
89 Mandrakizay, Jehovah ô,Haharitra mandrakizay any an-danitra ny teninao.+
90 Maharitra hatramin’ny taranaka fara aman-dimby ny tsy fivadihanao.+
Nataonao mafy orina ny tany mba ho eo foana.+
91 Araka ny didim-pitsarana navoakanao, dia mbola eo ireo* mandraka androany,Satria mpanomponao izy rehetra.
92 Raha tsy ny lalànao no nahafinaritra ahy,Dia ho efa maty tao anatin’ny fahoriako aho hoatr’izay.+
93 Tsy hohadinoiko mihitsy ny didinao,Satria ireny no itsimbinanao ny aiko.+
94 Anao aho; vonjeo aho+Satria ny didinao no karohiko.+
95 Miandry kendry tohina fotsiny ny ratsy fanahy mba hamonoana ahy,Fa izaho kosa mandinika tsara an’ireo fampahatsiahivanao.
96 Hitako fa manam-petra ihany izay rehetra tonga lafatra,Fa ny didinao kosa tsy manam-petra.*
מ [Mema]
97 Tiako erỳ ny lalànao,+
Ka saintsainiko* tontolo andro!+
98 Mahatonga ahy ho hendry noho ny fahavaloko ny didinao,+Satria ato anatiko mandrakizay izany.
99 Lalin-tsaina kokoa noho ny mpampianatra ahy rehetra aho,+Satria misaintsaina* an’ireo fampahatsiahivanao.
100 Mahira-tsaina kokoa noho ny zokiolona aho amin’izay rehetra ataoko,Satria mankatò ny didinao.
101 Tsy manaiky handeha amin’ny lalan-dratsy aho,+Mba hahafahako manaraka ny teninao.
102 Tsy miala amin’ny didim-pitsaranao aho,Satria ianao no mampianatra ahy.
103 Mamy amin’ny lelako erỳ ny teninao,Mamy ao am-bavako mihoatra noho ny tantely!+
104 Ny didinao no mahatonga ahy hahira-tsaina+ amin’izay ataoko,
Ka halako ny lalan-diso+ rehetra.
נ [Nona]
105 Jiro ho an’ny tongotro ny teninao,Sady fahazavana ho an’ny lalako.+
106 Nianiana aho ary hotanterahiko izany,Dia ny hoe harahiko ny didim-pitsaranao ara-drariny.
107 Ampahorina mafy aho.+
Jehovah ô, tsimbino ny aiko araka ny efa nolazainao.+
108 Jehovah ô, mba ankasitraho re ny fanati-piderana+ atolotro anao an-tsitrapo* e,Ary ampianaro ahy ny didim-pitsaranao!+
109 Tandindomin-doza* foana ny aiko,Nefa tsy manadino ny lalànao+ aho.
110 Mamelatra fandrika hahazoana ahy ny ratsy fanahy,Nefa tsy mahafoy ny didinao aho.+
111 Raisiko ho fananako* mandrakizay ny fampahatsiahivanao,Fa ireny no mahafaly ny foko.+
112 Tapa-kevitra ny* hankatò ny fitsipikao aho,Eny, hankatò an’izany foana, hatramin’ny farany.
ס [Sameka]
113 Halako ny olona miroaroa saina,*+Fa tiako kosa ny lalànao.+
114 Fialofako sy ampingako ianao,+Satria ny teninao no antenaiko.*+
115 Aza manakaikikaiky ahy mihitsy ianareo mpanao ratsy,+Mba hankatoavako ny didin’Andriamanitro.
116 Ampio aho, araka ny efa nampanantenainao,*+Mba ho velona foana.Aza avela ho diso fanantenana*+ aho.
117 Ampio aho mba ho voavonjy,+Dia hifantoka foana amin’ny fitsipikao.+
118 Lavinao daholo izay tsy manaraka ny fitsipikao,+Satria mandainga izy ireo sady mamitaka.
119 Arianao toy ny tain-drendrika ny ratsy fanahy rehetra eto an-tany.+
Izany no itiavako ny fampahatsiahivanao.
120 Mipararetra aho* fa matahotra anao;Atahorako ny didim-pitsaranao.
ע [Aina]
121 Manao ny rariny sy ny hitsiny aho.
Aza afoy eo an-tanan’ireo mpampijaly aho!
122 Ataovy azo antoka hoe hahita soa ny mpanomponao;Enga anie tsy hampijaly ahy ny olona sahisahy ratsy!
123 Reraka ny masoko miandry ny famonjenao+Sy ny fampanantenana azo antoka*+ nataonao.
124 Asehoy hoe tianao ny mpanomponao sady tsy mivadika aminy ianao,+Ary ampianaro ahy ny fitsipikao.+
125 Mpanomponao aho; ataovy mahira-tsaina+ aho,Mba ho azoko ny fampahatsiahivanao.
126 Tonga ny fotoana anaovan’i Jehovah zavatra,+Fa mandika ny lalànao izy ireo.
127 Izany no itiavako ny didinaoMihoatra noho ny volamena, na dia ny volamena tena tsara* aza.+
128 Koa amiko dia marina daholo ny toromarika omenao;*+Halako ny lalan-diso+ rehetra.
פ [Pe]
129 Mahatalanjona ny fampahatsiahivanao.
Izany no antony anarahako azy ireny.
130 Lasa misy hazavana+ rehefa aharihary ny teninao,Ka manjary mahira-tsaina ireo mbola tsy dia nahita fiainana.+
131 Sokafako mitanatana ny vavako ary misento* aho,Satria maniry mafy hankatò an’ireo didinao.+
132 Tsinjovy aho ka iantrao,+Araka ny didim-pitsarana navoakanao ho an’ireo tia ny anaranao.+
133 Tariho amin’ny alalan’ny teninao aho mba ho voaro* ny diako;Enga anie tsy hisy zava-dratsy hanandevo ahy!+
134 Vonjeo* tsy ho azon’ny olona mpampijaly aho,Dia hankatoaviko ny didinao.
135 Aoka ianao ho miramirana* amin’ny mpanomponao,+Ary ampianaro ahy ny fitsipikao.
136 Mikoriana ny ranomasoko,Satria tsy mankatò ny lalànao ny olona.+
צ [Tsade]
137 Tia rariny ianao, Jehovah ô,+Ary ara-drariny ny didim-pitsaranao.+
138 Marina ny fampahatsiahivana omenao,Sady azo atokisana tanteraka.
139 Toy ny afo miredareda ato anatiko ny hafanam-poko,+Satria nohadinoin’ny fahavaloko ny teninao.
140 Madio* tsara ny teninao,+Ka tian’ny mpanomponao.+
141 Tsinontsinona aho ary ambanina,+Nefa tsy mba hadinoko ny didinao.
142 Fahamarinana mandrakizay ny fahamarinanao,+Ary marina ny lalànao.+
143 Na dia azom-pahoriana sy miatrika zava-tsarotra aza aho,Dia mahafinaritra ahy foana ny didinao.
144 Marina mandrakizay ny fampahatsiahivanao.
Ataovy mahira-tsaina+ aho mba ho velona foana.
ק [Kôfa]
145 Miantso anao amin’ny foko manontolo aho ka valio, Jehovah ô!
Ny fitsipikao no hankatoaviko.
146 Miantso anao aho; vonjeo aho!
Harahiko ny fampahatsiahivanao.
147 Mbola tsy mangiran-dratsy akory dia efa mifoha aho mba hiantso vonjy aminao,+Satria ny teninao no antenaiko.*
148 Mbola tsy mifarana ny fiambenana amin’ny alina dia efa mihiratra ny masoko,Mba ho afaka hisaintsaina* ny teninao aho.+
149 Henoy aho noho ianao be fitiavana sy tsy mivadika.+
Jehovah ô, tsimbino ny aiko satria manao ny rariny ianao.
150 Mihamanakaiky ireo manana fitondran-tena mahamenatra;*Halavirin’izy ireo ny lalànao.
151 Akaiky ianao, Jehovah ô,+Ary marina daholo ny didinao.+
152 Efa hatry ny ela no nahafantarako an’ireo fampahatsiahivanao,Izay nataonao mafy orina mandrakizay.+
ר [Resa]
153 Jereo ny fahoriako ka vonjeo aho,+Fa tsy mba hadinoko ny lalànao.
154 Arovy aho,* ary vonjeo aho;+Tsimbino ny aiko, araka ny efa nampanantenainao.*
155 Lavitra ny ratsy fanahy ny famonjena,Satria tsy mikaroka ny fitsipikao izy ireo.+
156 Be famindram-po ianao, Jehovah ô!+
Tsimbino ny aiko satria manao ny rariny ianao.
157 Maro ny mpanenjika ahy sy ny fahavaloko;+Tsy miala amin’ny fampahatsiahivanao anefa aho.
158 Rikoriko aho mahita ny mpamitaka,Satria tsy mankatò ny teninao izy ireny.+
159 Jereo fa tiako erỳ ny didinao!
Jehovah ô, tsimbino ny aiko noho ianao be fitiavana sy tsy mivadika.+
160 Fahamarinana no votoatin’ny teninao,+Ary maharitra mandrakizay daholo ny didim-pitsaranao ara-drariny.
ש [Sina] na [Shina]
161 Manenjika ahy tsy amin’antony ny andriana,+Nefa ny teninao no atahoran’ny foko.+
162 Mahafaly ahy ny teninao,+Toy ny rehefa mahazo babo be dia be.
163 Halako ny lainga—Tsy tiako maizina izany+—Ny lalànao no tiako.+
164 Impito isan’andro aho no midera anao,Satria ara-drariny ny didim-pitsaranao.
165 Be ny fiadanan’ireo tia ny lalànao;+Tsy misy na inona na inona mahatafintohina azy.
166 Manantena an’ireo asa famonjenao aho, Jehovah ô,Ary mankatò ny didinao.
167 Arahiko ny fampahatsiahivanao,Ary tena tiako ireny.+
168 Ankatoaviko ny didinao sy ny fampahatsiahivanao,Satria fantatrao daholo izay ataoko.+
ת [Tao]
169 Ho tonga any aminao anie ny antso vonjy ataoko, Jehovah ô!+
Ataovy mahira-tsaina+ aho, araka ny teninao.
170 Ho tonga eo anatrehanao anie ny fitalahoako famindram-po!
Vonjeo aho, araka ny efa nampanantenainao.*
171 Hiboiboika fiderana anie ny molotro,+Satria ampianarinao ahy ny fitsipikao!
172 Hihira momba ny teninao anie ny lelako,+Fa ara-drariny daholo ny didinao!
173 Ho vonona hanampy ahy anie ny tananao,+Satria mifidy ny hankatò ny didinao+ aho!
174 Tsy andriko izay hamonjenao ahy, Jehovah ô,Ary mahafinaritra ahy ny lalànao.+
175 Enga anie aho ho velona mba ho afaka hidera anao;+Hanampy ahy anie ny didim-pitsaranao!
176 Mirenireny toy ny ondry very+ aho. Mba tadiavo ity mpanomponao,Satria tsy manadino an’ireo didinao.+
Fanamarihana
^ Na: “izay tsy mivadika.”
^ Na: “mandeha amin’ny.”
^ Abt: “Ho mafy orina anie ny lalako.”
^ Abt: “hiaro ny lalany ho madio foana.”
^ Na: “Hianatra.”
^ Abt: “Ahorony hiala eo amboniko.”
^ Na: “mianatra.”
^ Abt: “lalan’ny.”
^ Na: “hianarako.”
^ Na: “ho menatra.”
^ Na: “Hihazakazaka hanaraka ny lalan’ny didinao aho.”
^ Na mety hoe “ataonao feno toky ny foko.”
^ Na: “Ampandehano.”
^ Na: “ny teninao.”
^ Na mety hoe “Izay natao tamin’ireo matahotra anao.”
^ Na: “ny teninao.”
^ Na: “miandry.”
^ Na: “toerana malalaka.”
^ Na: “hianarako.”
^ Na: “fampanantenanao.”
^ Na: “Izay nasainao nandrasako.”
^ Na: “Ao amin’ny trano ivahiniako.”
^ Abt: “Mampitony ny tarehinao.” Na: “Mitady tsiky avy aminao.”
^ Na: “ny teninao.”
^ Na: “Nanota tsy nahy.”
^ Abt: “Tsy mahatsapa na inona na inona hoatran’ny tavy.”
^ Na: “miandry ny teninao aho.”
^ Na: “ny teninao tamin’ny.”
^ Na mety hoe “amin’ny lainga.”
^ Na: “hianatra.”
^ Na: “Miandrandra ny famonjenao aho.”
^ Na: “miandry ny teninao aho.”
^ Izany hoe ny zavaboary rehetra noforoniny.
^ Abt: “malalaka be.”
^ Na: “ianarako.”
^ Na: “mianatra.”
^ Abt: “ny fanatitra an-tsitrapo avy amin’ny vavako.”
^ Na: “Eo an-tanako.”
^ Na: “lovako.”
^ Na: “Mampirisika ny foko.”
^ Na: “manana fo voazarazara.”
^ Na: “miandry ny teninao aho.”
^ Na: “ny teninao.”
^ Na: “ho menatra.”
^ Abt: “ny nofoko.”
^ Na: “ny teny marina.”
^ Na: “voadio.”
^ Na: “ny didinao.”
^ Abt: “sempotsempotra.”
^ Na: “Ataovy mamahatra tsara amin’ny teninao.”
^ Abt: “Avoty.”
^ Na: “hitsiky.” Abt: “hampamirapiratra ny tavanao.”
^ Avy amin’ny teny hebreo midika ara-bakiteny hoe mandrendrika metaly mba hanadiovana azy.
^ Na: “miandry ny teninao aho.”
^ Na: “hianatra.”
^ Na: “mamoafady.”
^ Na: “Raiso an-tanana ny adiko eny amin’ny fitsarana.”
^ Na: “ny teninao.”
^ Na: “ny teninao.”