Salamo 137:1-9

  • Teo amoron’ny renirano tany Babylona

    • Tsy nihira momba an’i Ziona (3, 4)

    • Horavana i Babylona (8)

137  Teo amoron’ny renirano tany Babylona+ izahay no nipetrapetraka. Nitomany izahay rehefa nahatsiaro an’i Ziona.+  2  Teny amin’ny hazo aravaha tao aminy*No nahantonay ny harpa+ fitendrinay.  3  Fa tao no nangataka anay hihira ireo naka anay ho babo;+Te hiala voly ireo naneso anay ka niteny hoe: “Anaovy hira momba an’i Ziona izahay.”  4  Ataonay ahoana anefa no fihira ny hiran’i JehovahAny an-tanin’olona?  5  Raha manadino anao aho, ry Jerosalema ô,Dia aoka ny tanako ankavanana hanadino izay efa hainy.*+  6  Aoka ny lelako hiraikitra amin’ny lanilaniko,Raha tsy mahatsiaro anao ahoAry raha tsy i Jerosalema no ataoko zava-dehibe kokoaNoho ireo zavatra lehibe indrindra mahafaly ahy.+  7  Jehovah ô, tsarovyIzay nolazain’ny Edomita tamin’ny andro nandravana an’i Jerosalema. Hoy izy ireo: “Ravao tanteraka! Ravao hatramin’ny fotony!”+  8  Ry Babylona zanakavavy izay horavana tsy ho ela ô!+Ho sambatra ilay hampijaly anaoHoatran’ny nampijalianao anay.+  9  Ho sambatra ilay hisambotra ny zanakaoSy hanatonta azy ireo amin’ny vatolampy.+

Fanamarihana

Izany hoe Babylona.
Na mety hoe “halemy.”