Salamo 141:1-10
Hiran’i Davida.
141 Jehovah ô, miantso anao aho.+
Mba tongava haingana hanampy ahy.+
Henoy re aho rehefa miantso anao e!+
2 Enga anie ny vavaka ataoko mba ho toy ny emboka manitra+ voaomana tsara eo anatrehanao!+Ho toy ny manolotra fanatitra varimbazaha amin’ny takariva+ anie aho, rehefa manandratra ny tanako!
3 Asio mpiambina ny vavako, Jehovah ô!Asio mpiambina eo amin’ny varavaran’ny molotro.+
4 Aza avela haniry zava-dratsy ny foko,+Mba tsy hivarilavo miaraka amin’ny mpanao ratsy aho;Tsy hihinana amin’ny sakafo matsiron’izy ireo mihitsy aho!
5 Raha mamely ahy ny olo-marina, dia raisiko ho fanehoana fitiavana sy tsy fivadihana izany;+Raha mananatra ahy izy, dia ho toy ny menaka ahosotra amin’ny lohako izany+Ka tsy holavin’ny lohako mihitsy.+
Mbola hivavaka ho azy foana aho na dia misy loza manjo azy aza.
6 Na atsipy avy eny amin’ny harambato aza ny mpitsara azy ireo,Dia hihaino tsara an’izay lazaiko ny vahoaka, satria mahafinaritra ny teniko.
7 Toy ny ataon’ny olona miasa tany ka mamakivaky bainga,No anaparitahana ny taolanay eo am-bavan’ny Fasana.*
8 Ianao anefa no andrandrain’ny masoko, Jehovah Tompo Fara Tampony ô!+
Ianao no ialofako.
Aza esorina* ny aiko.
9 Arovy aho mba tsy ho voaketoky ny fandrika napetrak’izy ireo,Dia ny vela-pandriky ny mpanao ratsy.
10 Hiara-latsaka ao amin’ny fandrika harato nataony ihany ny ratsy fanahy rehetra,+Fa izaho kosa tsy haninona rehefa mandalo eo.