Salamo 19:1-14
Ho an’ny mpitarika. Hiran’i Davida.
19 Ny lanitra manambara ny voninahitr’Andriamanitra;+Ny habakabaka milaza ny asan’ny tanany.+
2 Miboiboika teny fiderana izy ireo isan’andro,Ary mampita fahalalana isak’alina.
3 Tsy miteny tsy mivolana izy ireo;Tsy re ny feony.
4 Efa nivoaka eran-tany anefa ny tenin’izy ireo,*Ary tonga hatrany amin’ny faran’ny tany misy mponina* ny hafatra nentiny.+
Nanangana tranolay ho an’ny masoandro, eny amin’ny lanitra, Andriamanitra;
5 Toy ny mpampaka-bady mivoaka avy ao amin’ny efitranon’ny mpampakatra ny masoandro,Ary mifaly toy ny lehilahy matanjaka mihazakazaka eny amin’ny lalany.
6 Mipoitra avy any amin’ny faravodilanitra iray izy,Ary mihodidina mankany amin’ny faravodilanitra iray;+Tsy misy tsy azon’ny hafanany.
7 Tonga lafatra ny lalàn’i Jehovah,+ manome hery indray.*+
Azo atokisana ny fampahatsiahivan’i Jehovah,+ mampahahendry an’izay tsy dia nahita fiainana.+
8 Marina ny fitsipik’i Jehovah, mahafaly ny fo;+Madio ny didin’i Jehovah, mampahiratra ny maso.+
9 Madio ny fahatahorana an’i Jehovah,+ maharitra mandrakizay.
Marina ny didim-pitsaran’i Jehovah, ara-drariny daholo.+
10 Irina noho ny volamena ireny,Irina noho ny volamena tena tsara* be dia be,+Ary mamy noho ny tantely,+ dia ny tantely mitete avy amin’ny toho-tantely.
11 Fampitandremana ho an’ny mpanomponao ireny,+Ary lehibe ny valisoa azon’izay manaraka an’ireny.+
12 Iza no mahatsapa hoe nanao fahadisoana?+
Mamelà ahy* amin’izay fahotana tsy fantatro akory.
13 Ary aza avela ho sahisahy hanao an’izay tsy tokony hatao ny mpanomponao;+Aza avela hanjaka ao amiko izany toe-tsaina izany.+
Amin’izay dia tsy hanan-tsiny aho,+Ary tsy ho meloka ho nanao fahotana lehibe.*
14 Enga anie ny teny aloaky ny vavako sy izay saintsainiko ato am-pokoKa hahafaly anao,+ Jehovah ô, ry Vatolampiko+ sy Mpanavotra ahy!+
Fanamarihana
^ Na mety hoe “tady fandrefesan’izy ireo.”
^ Na: “tany lonaka.”
^ Na: “mampody aina.”
^ Na: “voadio.”
^ Na: “Lazao hoe tsy manan-tsiny aho.”
^ Na: “ho nandika lalàna be dia be.”