Salamo 31:1-24

  • Mialoka amin’i Jehovah

    • “Ankiniko aminao ny aiko” (5)

    • ‘Jehovah, Andriamanitry ny fahamarinana’ (5)

    • Lehibe ny hatsaran-toetran’i Jehovah (19)

Ho an’ny mpitarika. Hiran’i Davida. 31  Ianao no ialofako, Jehovah ô!+ Enga anie aho tsy ho menatra mihitsy!+ Vonjeo aho satria manao ny rariny ianao.+  2  Aoka ianao hanongilan-tsofina hihaino ahy.* Tongava haingana hanafaka ahy.+ Aoka ianao ho fiarovana mafy ho ahy eny an-tendrombohitra,Ho toerana voaro mafy mba hahavoavonjy ahy.+  3  Fa ianao no harambatoko sy manda fiarovana+ ho ahy;Hitari-dalana sy hitondra ahy ianao,+ noho ny anaranao.+  4  Hafahanao avy ao anaty harato namandrihana ahy an-tsokosoko aho,+Fa ianao no fiarovana mafy ho ahy.+  5  Ankiniko aminao* ny aiko.+ Nanavotra ahy ianao, ry Jehovah Andriamanitry ny fahamarinana* ô!+  6  Halako ireo mivavaka amin’ny sampy tsy misy dikany sy tsy misy ilana azy,Fa izaho kosa hitoky amin’i Jehovah.  7  Ho faly be aho noho ianao be fitiavana sy tsy mivadika,Satria hitanao ny fijaliako;+Fantatrao ny fahoriana mafy manjo ahy.  8  Tsy nanolotra ahy teo an-tanan’ny fahavalo ianao,Fa mampijoro ahy eo amin’ny toerana tsy mampidi-doza.*  9  Jehovah ô, iantrao aho fa mijaly. Reraky ny fahoriana ny masoko+ sy ny vatako manontolo.*+ 10  Lany tamin’ny alahelo ny fiainako,+Ary lany tamin’ny fitarainana ny taona iainako.+ Mihena ny heriko noho ny fahadisoako;Mihamalemy ny taolako.+ 11  Manao tsinontsinona ahy daholo ny fahavaloko,+Indrindra fa ny mpiara-monina amiko. Ary atahoran’ny olom-pantatro aho;Andosiran’izy ireo aho rehefa hitany eny ivelany eny.+ 12  Tsy ao am-pon’izy ireo* intsony aho sady efa hadinony, toy ny hoe efa maty;Hoatran’ny vilany vaky aho. 13  Maheno fanaratsiana etsy sy eroa aho;Manjaka hatraiza hatraiza ny horohoro.+ Rehefa mivondrona hanohitra ahy izy ireo,Dia mitetika ny hanapitra ny aiko.+ 14  Fa izaho kosa matoky anao, Jehovah ô!+ Hoy aho: “Ianao no Andriamanitro.”+ 15  Eo an-tananao ny aiko.* Vonjeo aho tsy ho azon’ny fahavaloko sy ny mpanenjika ahy.+ 16  Aoka ianao ho miramirana* amin’ny mpanomponao.+ Vonjeo aho satria be fitiavana sy tsy mivadika ianao. 17  Jehovah ô, enga anie tsy ho menatra aho rehefa miantso anao!+ Enga anie ny ratsy fanahy hatao afa-baraka,+Ary hatao tsy mahateny intsony ao amin’ny Fasana!*+ 18  Aoka tsy hahateny ny molotra mandainga,+Dia ny molotra miteny an’avona hanohitra ny olo-marina, ka mirehareha sy manambany azy. 19  Lehibe tokoa ny hatsaran-toetranao!+ Tehirizinao ho an’ireo matahotra anao izany,+Sady asehonao amin’ireo mialoka aminao, eo anatrehan’ny olona rehetra.+ 20  Hafeninao ao amin’ny toerana miafina eo anatrehanao izy ireo,+Mba tsy ho voan’ny teti-dratsy ataon’ny olona;Hanafina azy ireo ao amin’ny trano fialofanao ianao,Mba tsy hotafihin’ny olona ratsy saina* izy ireo.+ 21  Hoderaina anie i Jehovah,Fa nasehony tamin’ny fomba miavaka hoe tia ahy sy tsy nivadika tamiko izy,+ tao amin’ny tanàna natao fahirano.+ 22  Izaho kosa natahotra be sady nikoropaka ka niteny hoe: “Ho ringana tsy ho eo anatrehanao aho.”+ Renao anefa ny fitalahoako rehefa niantso vonjy taminao aho.+ 23  Aoka ho tia an’i Jehovah ianareo rehetra tsy mivadika aminy!+ Arovan’i Jehovah ny olona mendri-pitokisana,+Fa saziny mafy dia mafy kosa izay mirehareha.+ 24  Manàna herim-po ary enga anie hatanjaka ny fonareo,+Dia ianareo rehetra izay miandry an’i Jehovah.+

Fanamarihana

Na: “Miondreha ary henoy aho.”
Na: “Ankiniko eo an-tananao.”
Na: “Andriamanitra mendri-pitokisana.”
Na: “toerana malalaka.”
Na: “sy ny tenako sy ny kiboko.”
Na: “an-tsain’izy ireo.”
Abt: “fotoanako.”
Abt: “hampamirapiratra ny tavanao.”
Jereo F.T.
Abt: “Mba tsy ho azon’ny lela tia mifanditra.”