Salamo 50:1-23
Hiran’i Asafa.+
50 Ilay Andriamanitry ny andriamanitra, dia i Jehovah,*+ no miteny;Miantso ny tany izy,Hatrany amin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatrany amin’ny filentehany.*
2 Avy ao Ziona, tanàna tonga lafatra amin’ny hatsaran-tarehy,+ no amirapiratan’Andriamanitra.
3 Ho avy ilay Andriamanitsika, ary tsy hangina fotsiny izy.+
Misy afo mandevona eo alohany,+Ary misy tafio-drivotra mahery mifofofofo manodidina azy.+
4 Miantso ny lanitra sy ny tany izy,+Mba hitsara ny vahoakany.+ Hoy izy:
5 “Vorio eto anatrehako ny olona tsy mivadika amiko,Dia ireo nanao fifanekena tamiko tamin’ny alalan’ny sorona.”+
6 Ny lanitra manambara ny fahamarinan’Andriamanitra,Fa Andriamanitra no Mpitsara.+ (Sela)
7 “Mihainoa, ry vahoakako, fa hiteny aho;Ry Israely, hijoro ho vavolombelona hiampanga anao aho.+
Izaho no Andriamanitra, ilay Andriamanitrao.+
8 Tsy noho ny sorona nataonao no ananarako anao,Na noho ny fanatitra dorana natolotrao, izay eto anatrehako foana.+
9 Tsy mila maka ombilahy any an-tranonao aho,Na osy* ao am-balanao.+
10 Fa ahy ny bibidia rehetra any an’ala,+Na dia ny bibidia eny amin’ireo tendrombohitra arivo aza.
11 Fantatro ny vorona rehetra eny an-tendrombohitra;+Ahy ny biby tsy hita isa eny an-tsaha.
12 Raha noana aho, dia tsy hiteny aminao,Satria ahy ny tany lonaka sy izay rehetra ao aminy.+
13 Hihinana henan’ombilahy angaha ahoSa hisotro ran’osy?+
14 Fisaorana no atolory ho sorona ho an’Andriamanitra,+Ary tanteraho ny voady nataonao tamin’ny Avo Indrindra;+
15 Antsoy aho rehefa ao anatin’ny sarotra ianao.+
Dia hamonjy anao aho, ka hanome voninahitra ahy ianao.”+
16 Fa hoy kosa Andriamanitra amin’ny ratsy fanahy:
“Ianao angaha manana zo hanonona ny fitsipiko,+Na hiresaka momba ny fifanekena nataoko?+
17 Ianao mantsy mankahala anatra,*Ary tsy raharahianao foana ny teniko.*+
18 Rehefa mahita mpangalatra ianao, dia mankasitraka ny ataony,*+Ary miaraka foana amin’ny mpanitsakitsa-bady ianao.
19 Avelanao hanely zava-dratsy ny vavanao,Ary tsy mitsahatra miteny fitaka ny lelanao.+
20 Mipetraka manaratsy ny rahalahinao ianao;+Resadresahinao ny fahadisoan’ny* zanaky ny reninao.
21 Rehefa nanao an’izany rehetra izany ianao, dia nangina tsy niteny aho,Ka nieritreritra ianao hoe hoatr’anao ihany aho.
Hananatra anao anefa aho izao,Ary hilaza an’izay hiampangako anao.+
22 Aoka ianareo izay manadino an’Andriamanitra+ handinika an’izany,Sao hamiravira anareo aho ka tsy hisy hamonjy anareo.
23 Izay manolotra fisaorana ho sorona no manome voninahitra ahy.+Ary izay tapa-kevitra ny hanao ny tsara foana,Dia hataoko izay hahitany ny famonjen’Andriamanitra.”+
Fanamarihana
^ Na: “Ilay Mahery, izany hoe ilay Andriamanitra, dia i Jehovah.”
^ Na: “Hatrany atsinanana ka hatrany andrefana.”
^ Abt: “osilahy.”
^ Abt: “arianao any ivohonao ny teniko.”
^ Na: “torohevitra.”
^ Na mety hoe “manaraka azy.”
^ Na: “Alainao baraka ny.”