Salamo 51:1-19

  • Vavaky ny olona mibebaka

    • Vao niforona dia efa mpanota (5)

    • ‘Diovy ho afaka amin’ny fahotako aho’ (7)

    • “Amoròny fo madio aho” (10)

    • Ankasitrahan’Andriamanitra ny fo torotoro (17)

Ho an’ny mpitarika. Hira nataon’i Davida, tamin’i Natana mpaminany nankao aminy, taorian’ny nanaovan’i Davida firaisana tamin’i Batseba.+ 51  Iantrao aho Andriamanitra ô, noho ianao be fitiavana sy tsy mivadika.+ Koseho ny fahadisoako, satria be famindram-po ianao.+  2  Sasao tanteraka aho ho afaka amin’ny fahadisoako,+Ary diovy ho afaka amin’ny fahotako.+  3  Fa fantatro tsara ny heloka vitako,Ary eo anatrehako* foana ny fahotako.+  4  Taminao aho no tena nanota;*+Izay ratsy eo imasonao no nataoko.+ Koa manana ny marina ianao rehefa miteny,Ary ara-drariny ny didim-pitsaranao.+  5  Efa meloka ho nanao fahadisoana aho raha vao teraka.Ary efa mpanota aho raha vao niforona tao an-kibon-dreniko.*+  6  Mahafinaritra anao ny fahamarinana vokatry ny fo;+Ampianaro ny tena fahendrena ny foko.  7  Diovy amin’ny hysopa* aho mba ho afaka amin’ny fahotako, ka hadio;+Sasao aho mba ho fotsy noho ny lanezy.+  8  Ataovy izay hahatonga ahy ho faly sy ho ravoravo indray,Mba ho falifaly ny taolako izay nopotipotehinao.+  9  Mihodìna* fa aza mijery ny fahotako,+Ary fafao* daholo ny fahadisoako.+ 10  Amoròny fo madio aho, Andriamanitra ô,+Ary omeo toe-tsaina vaovao+ tsy miova mihitsy. 11  Aza mandroaka ahy tsy ho eo anatrehanao;Ary aza esorina amiko ny fanahinao masina. 12  Ataovy faly amin’ny famonjenao+ indray aho;Ataovy izay hahatonga ahy haniry hankatò anao.* 13  Hampianariko an’ireo mpandika lalàna ny lalanao,+Mba hiverina aminao ny mpanota. 14  Vonjeo ho afaka amin’ny trosan-dra aho,+ Andriamanitra ô, ry Andriamanitra mpamonjy ahy,+Mba ho faly hanambara ny fahamarinanao ny lelako.+ 15  Jehovah ô, sokafy ny molotro,Mba ho afaka hidera anao ny vavako.+ 16  Tsy sorona mantsy no tadiavinao, fa raha izany dia ho efa nanao an’izany aho;+Tsy mahafinaritra anao ny fanatitra dorana manontolo.+ 17  Ny alahelo mafy vokatry ny nenina no sorona ankasitrahan’Andriamanitra.Tsy holavinao* ny fo torotoro sy kivy, Andriamanitra ô!+ 18  Manaova soa amin’i Ziona fa tsara fanahy ianao;Hamafiso ny mandan’i Jerosalema. 19  Amin’izay ianao dia ho finaritra amin’ny sorona araka ny fahamarinana,Sy ny fanatitra dorana ary ny fanatitra manontolo;Dia hisy ombilahy hatolotra eo amin’ny alitaranao.+

Fanamarihana

Na: “ao an-tsaiko.”
Abt: “Taminao irery ihany aho no nanota.”
Na: “tao anatin’ny fahotana no bevohoka ahy ny reniko.”
Jereo F.T.
Na: “Afeno ny tarehinao.”
Na: “koseho.”
Abt: “Enga anie ianao hanohana ahy amin’ny toe-tsaina feno fahavononana.”
Na: “Tsy hataonao tsinontsinona.”