Salamo 52:1-9

  • Matoky hoe tia sy tsy mivadika i Jehovah

    • Nampitandremana ireo mirehareha amin’ny zava-dratsy (1-5)

    • Matoky harena ny olona tsy matahotra an’Andriamanitra (7)

Ho an’ny mpitarika. Maskila* nataon’i Davida, rehefa tonga tany amin’i Saoly i Doega Edomita, ka nilaza taminy fa nankany an-tranon’i Ahimeleka+ i Davida. 52  Nahoana ianao no mirehareha amin’ny zava-dratsy vitanao, ry ilay mahery?+ Be fitiavana sy tsy mivadika Andriamanitra mandritra ny andro.+  2  Ny lelanao, izay maranitra toy ny hareza,+Dia mitetika ny hanao ratsy sy hamitaka.+  3  Ny ratsy no tianao kokoa noho ny tsara,Ary ny mandainga noho ny milaza ny marina. (Sela)  4  Tianao daholo izay teny mandratra,Ry lela mpamitaka ô!  5  Noho izany, dia horinganin’Andriamanitra tanteraka ianao.+Hisambotra anao izy, ary hisintona anao avy ao amin’ny tranolainao;+Hanongotra anao hiala eo amin’ny tanin’ny velona izy.+ (Sela)  6  Hahita izany ny olo-marina, ka ho talanjona+Sy hihomehy azy,+ ary hilaza hoe:  7  “Tsy nanao an’Andriamanitra ho fialofany*+ io lehilahy io,Fa natoky ny harem-beny+Sady niantehitra* tamin’ny teti-dratsiny.”*  8  Fa izaho kosa ho toy ny hazo oliva midoroboka ao an-tranon’Andriamanitra;Matoky aho hoe be fitiavana sy tsy mivadika+ mandrakizay mandrakizay Andriamanitra.  9  Hidera anao mandrakizay aho noho izay nataonao;+Hasehoko eo anatrehan’ireo tsy mivadika aminaoFa manantena ny anaranao aho,+ satria tsara izany.

Fanamarihana

Jereo F.T.
Na: “fiarovana mafy ho azy.”
Na: “nialokaloka.”
Abt: “loza avy aminy.”