Salamo 79:1-13
Hiran’i Asafa.+
79 Nidiran’ireo firenena ny lovanao,+ Andriamanitra ô!Nolotoiny ny tempolinao masina,+Ary nataony korontam-bato mivangongo i Jerosalema.+
2 Nomen’izy ireo ho sakafon’ny voro-manidina ny fatin’ny mpanomponao,Ary ho an’ny bibidia ny nofon’ireo tsy mivadika aminao.+
3 Nataony nandriaka toy ny rano eran’i Jerosalema ny ran’izy ireo,Ary tsy misy olona tavela mba handevina azy.+
4 Nataon’ny mpiara-monina aminay afa-baraka izahay;+Maneso sy manaraby anay ny manodidina anay.
5 Mandra-pahoviana ianao no mbola ho tezitra be, Jehovah ô? Mandrakizay ve?+
Mandra-pahoviana no hirehitra toy ny afo ny fahatezeranao?+
6 Anamparo ny hatezeranao ireo firenena tsy mahalala anao,Sy ireo fanjakana tsy miantso ny anaranao.+
7 Fa naripak’izy ireo i Jakoba,Ary noravany ny taniny.+
8 Aza atao ampamoaka noho ny fahadisoan’ny razambenay+ izahay.
Mba amindrao fo haingana re izahay e,+Fa nambanina tanteraka!
9 Ry Andriamanitra mpamonjy anay+ ô, ampio izahayNoho ny anaranao be voninahitra;Vonjeo izahay ary avelao* ny fahotanay, noho ny anaranao.+
10 Nahoana ireo firenena no dia hilaza hoe: “Aiza izay mba Andriamanitr’ireo?”+
Enga anie ho hitan’ny masonay sy ho fantatr’ireo firenenaFa mamaly ny ran’ny mpanomponao ianao!+
11 Ho henonao anie ny senton’ny voafonja!+
Ampiasao ny herinao* lehibe mba hitsimbinana ny ain’ireo* voaheloka ho faty.*+
12 Valio avo fito heny ny mpiara-monina aminay,+Fa manaratsy anao izy ireo, Jehovah ô!+
13 Dia hisaotra anao mandrakizayIzahay vahoakanao sy ondry ao amin’ny kijananao,+Ary hidera anao hatramin’ny taranaka fara aman-dimby.+
Fanamarihana
^ Abt: “saròny.”
^ Abt: “sandrinao.”
^ Na mety hoe “hanafahana an’ireo.”
^ Abt: “zanaky ny fahafatesana.”