Salamo 97:1-12
97 Lasa Mpanjaka i Jehovah!+
Aoka hifaly ny tany.+
Aoka hiravoravo ireo nosy be dia be.+
2 Rahona sy haizim-pito no manodidina azy;+Ny rariny sy ny hitsiny no fototra iorenan’ny seza fiandrianany.+
3 Misy afo mivoaka eo anatrehany,+Ary mandevona an’ireo fahavalony manodidina azy izany.+
4 Manazava an’izao tontolo izao ny tselatra nalefany;Mahita an’izany ny tany ka mihovotrovotra.+
5 Mitsonika toy ny savoka ny tendrombohitra eo anatrehan’i Jehovah,+Eo anatrehan’ilay Tompon’ny tany manontolo.
6 Manambara ny fahamarinany ny lanitra,Ary mahita ny voninahiny ny firenena rehetra.+
7 Ho menatra izay rehetra manompo sary sokitra,+Dia izay mirehareha ny amin’ireo andriamaniny tsy misy dikany.+
Miankohofa eo anatrehany,* ry andriamanitra rehetra!+
8 Mandre i Ziona ka ravoravo;+Faly ireo tanànan’i* JodaNoho ny didim-pitsaranao, Jehovah ô!+
9 Fa ianao, Jehovah ô, no Avo Indrindra manerana ny tany manontolo;Misandratra avo dia avo noho ny andriamanitra rehetra ianao.+
10 Ianareo izay tia an’i Jehovah, ankahalao ny ratsy.+
Miaro ny ain’izay tsy mivadika aminy izy,+Ary manafaka azy eo an-tanan’ny* ratsy fanahy.+
11 Mamiratra ho an’ny olo-marina ny hazavana,+Ary ho an’ny mahitsy fo ny fifaliana.
12 Mifalia amin’i Jehovah, ry olo-marina,Ary isaory ny anarany masina.*
Fanamarihana
^ Na: “Manompoa azy.”
^ Abt: “zanakavavin’i.”
^ Na: “eo ambany fahefan’ny.”
^ Abt: “fahatsiarovana ny fahamasinany.”