Titosy 3:1-15
3 Ampahatsiahivo foana izy ireo mba hanaiky sy hankatò ny fanjakana sy ny manam-pahefana,+ ho vonona hanao ny asa tsara rehetra,
2 tsy hanaratsy olona, tsy ho mpila ady, fa hahay handanjalanja+ kosa sy halemy fanahy tanteraka amin’ny olona rehetra.+
3 Fa isika koa aza taloha mba tsy nisaina, tsy nankatò, voafitaka, nandevozin’ny faniriana sy ny fahafinaretana maro samihafa, nanao ratsy foana sy nialona, naharikoriko, ary nifankahala.
4 Rehefa naseho anefa ny hatsaram-panahin’Andriamanitra Mpamonjy+ antsika sy ny fitiavany ny olombelona,
5 dia namonjy antsika izy, tsy noho ny zavatra tsara nataontsika,+ fa noho ny famindram-pony.+ Namonjy antsika izy rehefa nanadio* antsika ka nahatonga antsika ho velona,+ sy rehefa nampiasa ny fanahy masina izay nahatonga antsika ho olom-baovao.+
6 Nandatsahany be dia be tamin’io fanahy io isika, tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy Mpamonjy antsika,+
7 mba hahatonga antsika ho mpandova+ ka hanantena ny hiaina mandrakizay,+ rehefa avy nambara hoe olo-marina isika noho ny hatsaram-panahiny miavaka.+
8 Azo atokisana ireo teny ireo. Ary tiako hohamafisinao foana izany zavatra izany, amin’izay ireo mino an’Andriamanitra dia hampifantoka ny sainy amin’ny fanaovana asa tsara foana. Tsara sady mahasoa ny olona mantsy izany zavatra izany.
9 Aza midikiditra amin’ny adihevitra adaladala anefa, na ny resaka tetirazana,* na ny fifamaliana, na ny ady momba ny Lalàna, fa sady tsy mahasoa izany no tsy misy dikany.+
10 Halaviro ny olona+ manangana antokom-pinoana,*+ rehefa avy nanarinao* indray mandeha ary mbola nanarinao fanindroany,+
11 satria fantatrao fa niala tamin’ny lalan’ny fahamarinana ny olona hoatr’izany ary manota sady manameloka ny tenany.
12 Rehefa irahiko ho any aminao i Artema na i Tykiko,+ dia ataovy izay rehetra azonao atao mba hahatongavana any amiko any Nikopolia, fa nanapa-kevitra ny hijanona any mandritra ny ririnina aho.
13 Ataovy ampy vatsy tsara i Zena, izay mahay Lalàna, sy Apolosy, mba tsy ho ory na inona na inona izy ireo amin’ny dia hataony.+
14 Aoka koa anefa ny rahalahintsika hianatra hanao asa tsara foana mba ho afaka hanampy rehefa misy zavatra ilaina maika,+ sao tsy hahavokatra* izy ireo.+
15 Mampamangy, hono, ianao, hoy ny olona rehetra eto amiko. Mampamangy any amin’ireo miraiki-po aminay, dia ireo rahalahy ao amin’ny finoana.
Enga anie ianareo rehetra hanehoana hatsaram-panahy miavaka!